Miaraha Aminay Amin'ny Tweetathon #FreeZone9Bloggers Amin'ny 14 Mey

zonenine

Tongava manatevin-daharana ireo bilaogera Nizeriana, Blossom Nnodim (@blcompere) sy Nwachukwu Egbunike (@feathersproject) miaraka amin'ilay mpamoaka lahatsoratra ato amin'ny Global Voices Ndesanjo Macha (@ndesanjo) avy ao Tanzania amin'ilay tweetathon manerana an'i Afrika ho fanohanana ireo bilaogera sy mpanao gazety sivy nosamborina tamin'ny volana Aprily lasa teo ary migadra ao Etiopia amin'izao fotoana izao

Ny fikambananan'ny Global Voices sy ny tambajotran'ny namana sy ny mpiara-dia aminay dia mitaky ny famotsorana ireo lehilahy sy vehivavy miisa sivy ireo, izay niasa mafy ho fampandrosoana ireo sehatra hoan'ny fanehoan-kevitra ara-tsosialy sy ara-politika ao Etiopia amin'ny alalan'ny bilaogy sy ny asa fanaovan-gazety nentim-paharazana. Mino izahay fa fanitsakitsahana ny zo manerantany momba ny fahalalaham-pitenenana, ary koa ny zo tsy azo samborina amin'ny tsy antony ny fisamborana azy ireo. Tsindrio  eto raha te ahafantatra bebe kokoa mikasika ny tantaran'izy ireo sy ny fanentanana ho amin'ny famotsorana azy ireo.

Amin'ny Alarobia hoavy izao manomboka amin'ny 2 ora hariva, ora ao Afrika Andrefana, handefa sioka hoan'ireo lehiben'ny fikambanana, governemanta, mpisehatra ara-diplaomatika sy ny fampahalalam-baovao mahazatra isika (manantena ny fanampian'izy ireo) mba hampitombo ny fanentanana sy hisarika ny saim-bahoaka mikasika ity raharaha ity. Mandrisika manokana ireo bilaogera namana sy mpiserasera media eto Afrika izahay mba hanatevin-daharana ny hetsika – saingy afaka mandray anjara avokoa ny rehetra tsy ankavanaka!

#FreeZone9Bloggers (Avotsory ireo Bilaogera sivy): Tweetathon Mitaky ny Famotsorana ireo Bilaogera Etiopiana Nogadraina

Daty: Alarobia 14 Mey 2014

Ora: amin'ny 2 hatramin'ny 5 hariva, Ora ao Afrika Andrefana/ amin'ny 1-4 hariva, ora GMT (tsindrio eto raha hijery ny zarakasin'ora misy anao: ny eto Madagasikara dia amin'ny 4-7 hariva)

Diezy twitter: #FreeZone9Bloggers

Mpandrindra: Blossom Nnodim (@blcompere), Nwachukwu Egbunike (@feathersproject), Ndesanjo Macha (@ndesanjo)

Miaraha aminay amin'ny Alarobia–mandefa sioka mandra-pahareraka ny rantsa-tananao ary takio ny fahafahana hoan'ireo bilaogera 9!

Ireo sioka azonao ampiasaina (tsindrio eto raha te-hahita maromaro kokoa)

  • Avotsory ireo bilaogera 9… satria tsy heloka ny mibilaogy! #FreeZone9Bloggers  http://bit.ly/1g65ijg 
  • “Mibilaogy izahay satria mitsinjo” #FreeZone9Bloggers  http://bit.ly/1g65ijg
  • Miaraha aminay ary soniavo ny taratasy @globalvoices mitaky ny famotsorana ireo mpanao gazety sy bilaogera ao #Ethiopia #FreeZone9Bloggers bit.ly/1njZMRH
  • Alefaso ny sarinao any amin'ny Tumblr #FreeZone9Bloggers ary tohano ny famotsorana azy ireo! bit.ly/1g6qmWT
  • Ny fisamborana ireo bilaogera ao #Ethiopia dia fanitsakitsahana ny Sata Afrikanina momba ny Zon'ny Olombelona sy ny Vahoaka #FreeZone9Bloggers http://bit.ly/QlzRuG
  • Ny Sata Afrikanina dia miaro ny zo hoan'ny fahalalaham-pitenenana #FreeZone9Bloggers http://bit.ly/QlzRuG
  • Ny fisamborana ireo bilaogera ao #Ethiopia dia manitsakitsaka ny Fifanekena Iraisam-pirenena momba ny Zo Sivily sy Politka #FreeZone9Bloggers http://bit.ly/1g1MUNM
  • Ny fisamborana ireo bilaogera ao #Ethiopia dia fanitsakitsahana ny lalàna laharana faha- 9 & 14 ao amin'ny ICCPR #FreeZone9Bloggers http://bit.ly/1g1MUNM

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.