Enim-bolana Aty Aoriana, Manohy Mitaky Famonjena Sy Ny Rariny Ireo Niharam-boina Tamin'ny Tafio-drivotra Haiyan Tao Filipina

Typhoon Haiyan caused a ship to ran aground in Leyte, destroying houses in a crowded coastal village. Photo by Alessandro Pavone/ Save the Children

Rivomahery Haiyan nahatonga sambo iray hanavatsava an-tanety tao Leyte, nandrava trano maro tao amin'ny tanàna amoron-dranomasina be mponina iray. Saripikan'i Alessandro Pavone/ Save the Children

Jereo ihany koa ny fitantarana manokana nataonay momba ny Fahasimbana nateraky ny Tafio-drivotra Haiyan tao Filipina.
Enim-bolana lasa izay, an'arivony ireo namoy ny ainy tao amin'ny faritra Atsinanana Visayas ao Filipina taorian'ny tafio-drivotra mahery vaika Haiyan (anarana ao amin'ny faritra: Yolanda) namely ny faritra. An'arivony ankehitriny ireo mbola mijaly noho ny tsy fisian'ny drafitr'asa matipaika avy amin'ny governemanta mba hanarenana ny faritra rava. 

Rehefa nandre mikasika ity vaovao ity ny Loholona Chiz Escudero dia nanome tsiny ireo manampahefana ao an-toerana noho ny tsy fahafantaran'izy ireo ny halalin'ny toe-draharaha ity:

This is very sad. Six months after Yolanda, more than a year after the previous disasters we don't even know what exactly the affected communities need? It is not about what we can give or what we will to give. This lackadaisical attitude is prolonging the anguish of victims. It is bordering on criminal already.

Tena mampalahelo. Enim-bolana taorian'ny Yolanda, herintaona mahery taorian'ireo loza teo aloha, tsy fantatsika akory izay fokonolona niharan'ny tafio-drivotra? Tsy mikasika izay azontsika omena na izay tiantsika homena izany. Manalava ny tebitebin'ireo niharam-boina izany fihetsika tsy miraika izany. Efa mitovy amin'ny fandikan-dalàna.

Ny mampihombo ny olana dia ny tsy fisian'ny fandrindrana eo amin'ireo sampan-draharahan'ny governemanta:

 Enim-bolana taorian'ny #Yolanda, miaiky ny tsy fisian'ny fandrindrana eo amin'ireo sampan-draharaha misahana ny hetsika fanarenanana ao amin'ireo faritra niharan'ny Yolanda ny governemanta mpanatanteraka.

Niteraka andiana tafio-drivotra tamin'ny volana Novambra lasa teo ny Haiyan izay nandrava tanàna an'arivony. Olona maherin'ny 16 tapitrisa no niharan'izany loza izany.

Nanamarika ireo fikambanana maromaro fa milòna be ny fanampiana ireo niharam-boina tamin'ny tafio-drivotra kanefa mihamaro ihany ireo olana mibosesika. Nitaraina ny Vokovoko Mena fa tsy tafapetraka ao amin'ireo faritra sasany akory ny fanaovan-draharaha (servisy) fototra:

Affected communities have shown remarkable strength and many are on the road to recovery. However, high levels of pre-existing poverty are holding people back and in some areas basic services have not been re-established.

Nampiseho fahatanjahana miavaka ireo fokonolona niharan'ny tafio-drivotra ary maro ireo andalam-piarenana. Na dia izany aza, mampihemotra harany ny vahoaka ny taha avon'ny fahantrana efa nisy teo aloha ary tsy mbola tafapetraka akory ny fanaovan-draharaha fototra ao amin'ireo faritra sasany.

Atsasak'ireo toeram-pitsaboana tao amin'ny faritra ravan'ny tafio-drivotra ihany no am-perinasa ankehitriny ka misy fiantraikany eo amin'ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza teraka izany. Toy izao ny tatitra avy amin'ny Save the Children (Vonjeo ny Ankizy):

At a medical center in Eastern Visayas, several babies died from conditions that are normally treatable, such as hypothermia and hypoglycemia, often because nurses were unable to examine newborns properly at night because there was no power for lights.

Four months after the typhoon, only half of affected communities had seen their health centers reopen. Challenges in delivering critical childbirth and newborn care services were specially great in Tacloban and Leyte.

Ao amin'ny toeram-pitsaboana ao Visayas Atsinanana, zazakely marobe no namoy ny ainy noho ny zava-misy kanefa tokony ho azo tsaboina tsara, toy ny hypothermie (fampidinana hafanana) sy ny hypoglycémie (aretin'ny siramamy), matetika noho ny tsy fahafahan'ireo mpanampy mpitsabo (infirmiera) mizaha ireo zaza vao teraka amin'ny alina satria tsy misy herinaratra manazava.

Efa-bolana taorian'ny tafio-drivotra, ny atsasaky ny fiarahamonina voakasiky ny tafio-drivotra ihany no manana toeram-pitsaboana nisokatra indray. Lehibe dia lehibe ny fanamby amin'ny tolotra fampiterahana sy ny fitsaboana ny zaza vao teraka ao Tacloban sy Leyte.

Nandritra izany fotoana izany, nampitandrina ny Oxfam fa nieren-doza miisa 200.000 ao amin'ny faritra morontsiraka no atahorana hiaina anaty fahantrana lalina satria misy ny kinasa hamindra azy ireo aminà toerana azo antoka saingy tsy misy fitsinjovana izay hiveloman'izy ireo atsy ho atsy.

Nitsidika ny tobim-pianarana Palo ao amin'ny oniversitem-panjakana voalohany ao amin'ny firenena ny Profesora Carl Ramota ary nilaza momba ireo toe-javamisy mampalahelo iainana ao am-pianarana:

Six months after typhoon Yolanda decimated its campus in Palo, Leyte, there is still no clear plan for the rehabilitation or relocation of the UP School of Health Sciences. While nearby structures are already being reconstructed, the Palo campus remains in ruins. Worse, the asbestos roofing in the old SHS building has not yet been removed, posing a threat to the maternity clinic beside it and other residents.

Enim-bolana taorian'ny tafio-drivotra Yolanda nandrava ny tobim-pianarana tao Palo, Leyte, mbola tsy misy hatrany ny drafitrasa hoan'ny fanarenana na fanamboarana indray ny Sekoly Fampianarana Siansan'ny Fahasalamana UP [Oniversiten'i Palo]. Na dia efa eo andalam-panamboarana aza ireo foto-drafitrasa eo akaiky, mbola rava tanteraka ny tobim-pianarana Palo. Ny ratsy indrindra, mbola tsy noesorina akory ny tafo ao amin'ireo tranobe SHS teo aloha, izay mety hitera-doza hoan'ny toeram-piterahana eo akaikiny  sy ireo mponina hafa.

Photo from Facebook page of Carl Ramota

Sary tao amin'ny pejy Facebookn'i Carl Ramota

Nitsidika an'i Tacloban, “faritra tena niharan'ny loza” ihany koa ilay tanora mpitarika Divs Mosquera, ary nihetsi-po tamin'ny alalan'ny tantaran'ireo nieren-doza tamin'ny tafio-drivotra.

Months after Yolanda, Leyte is still a tent city. I've cried buckets since I arrived, hearing the survivors’ stories just breaks my heart.

Volana maromaro taorian'ny Yolanda, mbola tanànan'ny tranolay ihany i Leyte. Nitabataba mafy aho hatramin'ny nahatongavako, mandratra ny foko ny fandrenesana ny tantaran'ireo nieren-doza.

Nambaran'ny antotanisan'ny governemanta fa teo amin'ny 6300 teo ireo namoy ny ainy. Saingy mety hiakatra izany tarehimarika izany satria mbola eo am-pikarohana sy eo am-pakàna ireo vatana mangatsiaka ny ao amin'ny faritra. Nilaza i Al Octaviano, mponina ao amin'ny faritanin'i Leyte fa marobe ireo vatana mangatsiaka tsy nambara tany amin'ny manampahefana :

I personally retrieved 14 bodies — two children, four women, the rest were men. I tied them together so they would not be washed away by the sea, but you know when bodies are immersed in sea water, they fall apart. There are also many bones buried in the mud of the shallows, but people don’t report these anymore.

Vatana mangatsiaka 14 no hitako manokana – ankizy roa, vehivavy efatra, lehilahy ny ambiny. Nafatotro miaraka izy ireo mba tsy ho lasan'ny ranomasina, satria fantatrao fa raha tafasitrika anaty rano ny vatana, dia milentika. Marobe ihany koa ireo taolana nalevina tao anaty fotaka anaty rano lalindalina, saingy tsy notaterin'ny vahoaka intsony ny amin'izany.

Ho azy, niaiky ireo tsikera momba ny asa fanavotana ataony ny governemanta, saingy nampitandrina ireo mpanao politika izay manararaotra ny zava-misy hampandrosoana ny fandaharan'asa politikany izy:

…we are likewise cynical of those whose agenda includes misleading our people to believe that government is not sensitive enough to alleviate the suffering of the survivors. We detest politicians and political groups who strive to put blinders in exploiting the vulnerability of victims of Yolanda.

…toa tsy menatra isika ireo izay manana fandaharan'asa ahitana famitaham-bahoaka mba hihevitra fa tsy manana fihantrana ny governemanta mba hanamaivana ny fijalian'ireo nieren-doza. Halanay ireo mpanao politika sy vondrona politika miezaka mafy manararaotra ny fahalemen'ireo niharam-boina tamin'ny Yolanda.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.