Novazivazin'ny Zimbaboeana Tao Amin'ny Twitter Ny Lehiben'ny Mpanohitra Nahantona Tamin'ny Toerany

Morgan Tsvangirai with Elizabeth Macheka cutting the wedding cake at at the Glamis Arena. Photo used with permission from nehandaradio.com

Morgan Tsvangirai miaraka amin'i Elizabeth Macheka manapaka mofomamin'ny mariazy tao amin'ny Glamis Arena. Sary nahazoan-dalana avy amin'ny nehandaradio.com

Raha mirefotra anatin'ny disadisa anatiny mikasika ny fitarihana ny antoko ny Hetsika Ho amin'ny Fanovana Demaokratika (MDC) misy ny Praiminisitra teo aloha Morgan Tsvangirai, niditra Twitter ireo Zimbaboena ary nahita hatsikana ao amin'ilay sokajian'ny hafa ho “voina Grika”.

Nahanton'ireo mpikomy ao anatin'ny antoko tarihin'ny Sekretera Jeneran'ny MDC, Tendai Biti, i Morgan Tsvangirai sy ireo tompon'andraikitra ambony hafa, tamin'ny fiampangana azy ireo ho manohitra ny fanovana ny fitantanana sy tsy nahavita nanongana ny filoha Robert Mugabe. Nilaza kosa i Tsvangirai fa mbola izy no lehiben'ny antoko.

Nandany andro nanome – volavolan-dohateny boky foronina an-tsaina mikasika an'i Tsvangirai  ireo Zimbaboeana, izay miantso ny tenan'izy ireo ho “Twimbos”, ary niha-haingana sy niha-nahatsikaiky hatrany ireo kivazivazy.

Natombok'i @fingerray ny resaka tao amin'ny Twitter izay nitondra aingam-panahy teo amin'ireo mpisera Twitter ao Zimbabwe:

#Twimbos mahasahy milaza aminao aho mba hamorona lohatenim-boky momba an'i Morgan #TitleforMorgansBook aorian'ity korontana ity.

Sady milalao ny horonantsari-mihetsika “Andevo 12 taona” sy ny fe-potoam-piasan'i Tsvangirai tamin'ny fitantanana ny antoko MDC i @fingerray nisioka hoe:

Andevo 15 taona

Hoy izy nanoratra indray:

 Nilaza izy ireo fa tahaka an'i Mandela aho

@ConorMWalsh nilaza hoe:

“Andian-trangan-javatra Nampalahelo

@phirimarko nanoratra hoe:

Ilay Lehilahy Tsy Te-ho Mpanjaka

@jpmatenga nanome soso-kevitra boky manampy ny tena manokana:

Ahoana ny fomba ahaverezana namana ao anatin'ny 10 andro

@__The_Duke naneho hevitra hoe:

Ny Tantaram-piainako: Avy Ao Amin'ny Lapoaly Mankao Amin'ny Afo

@George_Ruzv nanoratra hoe:

“Tapitra”

@DeltaNdou nandray anjara ihany koa:

“Mitondra ny Endriky ny tolona sy lasibatry ny vazivazy rehetra”

@RickyEMarima nanoratra hoe:

Fivadihana Goavana. Andiany faha-2

@Cchabikwa kosa namazivazy momba ny trano foiben'ny MDC, Tranobe Harvest [fararano]:

Tonga ao amin'ny fararanon'ny tsilo #HarvestOfThorns

@RickyEMarima kosa nilaza mba tsy horaisina ny lohateny hoe “Things Fall Apart” (niraraka avokoa ny zava-drehetra):

Ratsy loatra, efa nisy nandray sahady ny “Things Fall Apart” (Niraraka avokoa ny zava-drehetra)

@designartistic nilaza hoe:

Raha hamono Vorona Morgan

@ChrisNqoe nanoro hevitra hoe:

Tompon'ny Fanaovana Hosoka: Ny fiverenan'i Nikuv

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.