Pakistane Bilaogera Tsy Afa-Mamindra Saingy Manaitra Fanahy Ny Hafa Mba Hihazakazaka

Screenshot of Sarmad Tariq during his speech at TEDxKarachi 2011

Dikasary nalaina tamin'ny fnadraisan'i Sarmad Tariq fitenanana tamin'ny  TEDxKarachi 2011.

Loza iray nandritry ny filomanosany fony izy 15 taona no nahatonga an'i Sarmad Tariq halemy ny ilany havia manomboka eo amin'ny soroka hatrany ambany ka nanery azy hampiasa seza misy kodiarana. Saingy tsy nahasakana ity lehilahy iray avy ao Islamabad, Pakistana, ity izany tsy hivezivezy eran'izao tontolo izao haka ny toeran'ny mpikabary mampihetsi-po sy atleta mpamporisika.

Ao anatin'ny fireneny sy any ivelany, betsaka ireo naka aingam-panahy avy amin'ny nataon'i Tariq, izay niezaka hatrany handingana ny sàkana napetraky ny natiora tamin'ny làlany. 

Tariq, izay mpanoratra tantara foronina ihany koa, dia maty vao maraina be ny 30 Aprily 2014, teo amin'ny faha-38 taonany.

Nitantana bilaogy iray sy pejy Facebook izy, toerana nifaneraserany malalaka tamin'ireo mpamaky azy mikasika ny fahasalamany sy ny tantarany ary nataony nazava tsara ny hoe tsy nikatsaka fitserana izy. Ny 16 Martsa 2014, nandefa hafatra izay ny farany avy aminy izy tao amin'ny pejiny Facebook page sy ny bilaoginy, manoritsoritra ny fitozoany : 

Andriamanitra ô,

Fahalemen'ny tongotra aman-tànana, hyperréflexie autonome, septicémie, malaria, bronchite chronique, ratra am-pandriana sy izay hafa maro ianao irery no afaka hiteny azy. Fantatrao fa miharitra hirifiry aho ankehitriny noho ny aretina maro izay tsy hain'ireo olon-tsotra holazaina akory. Tamin'ny volana lasa fotsiny izao dia efa in-droa aho no nentina maika namonjy toeram-pitsaboana noho ny toe-pahasalamana ratsy dia ratsy. […] Teo amoron-tevan'ny famoizam-po ny fianakaviako. Matetika tsy nahatsiaro tena aho, sempotra na dia ny hiteny fotsiny aza, mahita ny maripànan'ny vatako miakatra avo dia avo ary avy eo midina faran'izay ambany tsy mampino mihitsy. […]

Kanefa… tsy mitaraina aho anefa. Miaina aho, manohy mitsiky, tsy very ny finoako, laviko ny ho very fanantenana, sisam-paty aho. Fantatrao fa manao izay tratrako aho.

Nefa… Andriamanitra ô, fantatro fa tsy hampitondra mihoatra izay zakan'ny tsirairay ianao, fantatro fa tsy sitrakao ny hamela ny finoako hihozongozona, fa raha tsy dia tafahoatra loatra ny hàtako, tena mila fitsaharana aho!

Hafatra fanomezam-boninahitra an'i Tariq no niraradraraka avy hatrany nanaraka ny vaovao momba ny fodiany mandry. 

Ao anaty Facebook, Awab Alvi, mpanoratra ho an'ny Global Voices sady zokibe mpiara-miasa amin'ny TED avy ao  Pakistana, no nampahatsiahy ny fandraisana anjaran'i Tariq tamin'ny TEDxKarachi 2011:

Tao anatin'ny vanim-potoana nialoha ny hetsika no mba hany “nahenoako” mikasika ny tantarany, in-droa nandefa mailaka taminy aho, ary nifandray an-telefaona taminy mba handamina ny fandraisana sy ny pitsopitsony hafa, fotoana fohy talohan'ny hetsika, nefa nony niakatra ny sehatra izy, olona iray malemy tongotra aman-tànana eo ambony seza misy kodiarana, mitondra T-Shirt misoratra hoe “Think Positive” (Ento Misonga Ny Fisainana, na hoe Mitrakà), sy famantaranora iray lehibe fanao amin'ny tànana, miloko fotsy & ary rano mineraly anaty tavoahangy – tsy nisy zavatra niomananay mihitsy mikasika izay ho ambarany ao anatin'ny 22 minitra nanaraka an'izay – tany amin'ny faran'ny fandraisany fitenenana, azo antoka fa nangorintsina daholo ireo 450 tsirairay nihaino azy ary tsy nahavita tsotra izao ny tsy hitsangana maharitra mba hanome voninahitra ity lehilahy nahavariana ity.

Ity ny kabariny tamin'ny TEDxKarachi:

Nisaotra an'i Tariq i Shireen Naqvi, tale ao amin'ny Sekolin'ny Fahaiza-mitarika ao Karachi, :

Ankoatry ny fankasitrahana noho ireo fotoana tsy manam-petra nitondranao harembe ho an'ny fiainanay taminà fihaonana manokana sy taminà fivoriambe, isaorako ianao tamin'ny fijoroana teo anilanay, teo anivonay, tamin'ny fotoana rehetra, nanova ny tanoran'ny firenentska ho mpitarika manana fitserana, mamaha olana ary manana fijery lavitra.[..] Hitohy ho velona ny lova navelanao!

Isfandiyar Shaheen, iray amin'ireo mpifanolo-bodirindrina amin'i Tariq, nampahatsiahy ireo fanalahidin'ny hasambaran'i Tariq :

Lasa i Sarmad Tariq. Nahafantatra tsara azy aho, efa taona marobe talohan'ny loza nanjo azy. Mpifanolo-bodirindrina aminay izy, ny fahatsiarovako voalohany indrindra dia izy manovokovoka mamely ilay gony fanazarantena manao ady totohondry tao an-tranony sy ny fitiavany ny Rocky 4. Nolazainy fa ny fanalahidin'ny hasambarana dia  I) tsy fisianà taraina, II) tsy fisianà nenina, III) tsy fisianà tahotra sy IV)  fikatsahana tsy mitsahatra ny fahafenoan'ny tena. Indray mandeha aho nanontany azy momba ny fomba sy ny antony tsy anenenany ny loza nanjo azy. Ary dia novaliany fa tsy nitsoraka tao anatin'izay “nehar” izay izy, mety ho angamba nanatevina laharana ny tafika sy mety lasa manamboninahitra tsy alehany, saingy ny kilemany moa no nakanana azy tsy nahatontosany izay maha-izy azy.

Ao amin'ny Twitter, Jehan ara, filohan'ny “Pakistan Software Houses Association for IT & ITES”, nanoratra hoe :

Tena nalahelo mafy nandre ny fahalasanan'i #SarmadTariq izay nanaporofo fa raha misy tokoa olona iray maniry hanatratra zavatra iray eo amin'ny fiainana, tsy misy ny fetra #RIP

 Nidera an'i Tariq i Rai M Azlan, tonian-dahatsoratry ny Global Voices Urdu Lingua:

Lasa ny ‘Filoha’ Sarmad Tariq. Mpanome tosika izy, tsy mba namela velively ny seza misy kodiarany ho lasa sakana ho azy. #RIPSarmadTariq

Ema Anis, mpamoaka lahatsoratra ety anaty media sosialy ho an'ny gazety “The Express Tribune” dia namboraka tao anaty tsanganan-dahatsoratra iray fa tsy nahafantatra an'i Tariq izy talohan'ny nahafatesany, rehefa injay feno onjam-bitsika ho fisaonana azy nameno ny Twitter toy iretsy etsy ambony. Tamim-pahalinana mafy nipongatra tao anatiny, namaky misimisy kokoa momba azy izy. “Nanohina ny fony” izay voavakiny : 

Tsy mbola nahita antontan-kevitra mikasika azy aho, tsy mbola nandre velively azy niresaka, kanefa tao anaty minitra vitsy monja, dia lasa ho olona iray tiako raha mba nihaonako indray mandeha monja izy; olona hakàna aingam-panahy, htadiavana fanantenana ho entina mamakivaky ity fiainana ity ary hianarana miaina anaty fahafenoana.

Ho ahy, i Sarmad dia toy ny olona iray izay mampiseho vatana ny atao hoe “fiainana”. Tsy hoe nahafantatra fotsiny izy fa tonga saina mandrakariva tamin'ny hoe mety ho avy amin'ny fotoana tsy ampoizina ny fahafatesana. Voaomana ho amin'izany izy ary naniry ny tsy hamela handalondalo fotsiny izay fotoana bitika indrindra teo amin'ny fiainany.

Ary dia vitany.

Ny sasany ety anaty media sosialy dia mihevitra ny hikarakara famakiana an-tsehatra ireo zava-boasoratr'i Tariq ho fanomezam-boninahitra azy. Mandritra izay fotoana izay, izay te-hamaky amin'ny fombany manokana ny zavatra nosoratany dia afaka mitsidika ny pejy Facebook an'i Tariq sy ny bilaoginy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.