Fomba 4 Ahafahanao Manatevin-Daharana Ny Fanentanana #FreeZone9Bloggers

Zone 9 Tumblr Collage.

Kipetapeta-tsarin'ny Tumblr an'ny Zone 9. Sary nofantenana tao amin'ny
zoneniner.tumblr.com.

 

Befeqadu Hailu, Abel Wabela, Atnaf Berahane, Mahlet Fantahun, Zelalem Kibret,  Natnael Feleke (mpikambana ao amin'ny fitorahana bilaogy iraisambe Zone 9 avokoa) sy Asmamaw Hailegeorgis, Tesfalem Waldyes ary Edom Kassaye mpanao gazety dia nosamborina ny Aprily 25 sy 26 2014 tany Addis Ababa. Nanomboka tamin'izay izy ireo notànana tao amin'ny toeram-pihazonana tany Maekelawi ary tsy misy fahazoana mpisolovava. Tsy nahazo alalàna hahita ny fianakaviany izy ireo.

Nanomboka tamin'ny taona 2012, ny fitorahana bilaogy iraisambe Zone 9 dia niasa mba hampaherezana ny firotsahan'ny vahoaka sy ny fanehoankevitra manakiana mikasika ny olana sosialy sy politika ao Etiopia, miaraka amin'ireo mpanao gazety mikatsaka vokatra mitovy amin'ny alalàn'ny asan'ny fanaovan-gazety. Ny fisamborana sy fitazonana azy ireo dia midika fandikàna ny zon'ny olombelona erantany ananan-dry zareo haneho hevitra malalaka, sy ny zony tsy ho voatana amin'ny tsy rariny, voaaron'ny Artikla faha-6 ao amin'ny lalàna Afrikanina mikasika ny zon'olombelona sy ny vahoaka.

Ny vondrom-piarahamoninaao amin'ny Global Voices sy ireo namanay anaty tambajotra ary ireo mpiara-dia aminay dia mitaky ny famotsorana ireo lehilahy sy vavy sivy.

Ireto misy fomba efatra izay ahafahanao na ny fikambananao mitondra fankaherezana ho an'ilay fanentanana:

1. Mandefasa taratasy: Manorata ho an'ny masoivohon'ny firenenao any Etiopia. Raha any afrika ianao, manorata ho an'ny biraon'ny Kaomisiôna Afrikanina ao amin'ny firenenao. Sainao ny hanatitra ny taratasy an-tànana!

2. Ampio ny sarinao sy ny hafatra fampaherezana any amin'ny Free Zone 9 Tumblr

3. Soniavo ny Fanambaràn'ny Vondrom-piarahamonina Global Voices  mangataka ny hamotsorana ireo blaogera

4. Ampitao ny hafatra! Resaho amin'ny namanao, fianakaviana, sy ireo mpiara-miasa ny momba ny fihetsiketsehana — zarao ny lahatsoratra sy rohy, miaraha miasa hanoratra taratasy ho an'ireo mpanapa-kevitra ara-politika, na mikarakarà famoriana olona.

 

Fandrakofan'ny Global Voices ny raharahan'ireo bilaogeran'ny Zone 9

Advocates Ask African Commission, UN Experts to Intervene in Zone 9 Bloggers Case May 3, 2014

FANAMBARANA: Miantso Ho Amin'ny Famotsorana Ny Mpanoratra Gazety Sivy Ao Ethiopia Ny Global Voices, 2 May 2014

Netizen Report: Ethiopia Cracks Down on Free Expression, April 30, 2014

Mpikambana Enina Aminà Bilaogy Itambaram-be Nosamborina Tao Etiopia, 25 April 2014

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.