Ray Syriana Iray Miantso Ny Raharaham-bahiny Britanika Hampihaona Ny Zananilahy Aminy

Syrian father Wael Zain claims his British son, Maudh, aged five, is stranded in Syria and that the British Foreign Office is not helping reunite them. Photograph shared on Twitter.

Nilaza ilay raim-pianakaviana Syriana Wael Zain fa tafahitsoka ao Syria ny zanany lahy Britanika, dimy taona kanefa tsy manampy mba hampihaona azy ireo ny Biraon'ny Raharaham-bahiny Britanika. Sary nozaraina tao amin'ny Twitter.

Niditra Twitter i Wael Zain, Syriana monina sy miasa ao London mba hisarika ny saina manoloana ny mahazo ny zanany lahy dimy taona, Maudh, izay mizaka ny zom-pirenena britanika ary tafahitsoka ao Syria nandritra ny telo taona.

Tamin'ireo andiana sioka, nanazava i Zain fa ny zanany lahy izay nolazainy fa voatifitry ny bala vao haingana, dia niaraka tamin'ny reniny tao amin'ny tanàna kely ao Deraa, ary mila fikarakarana ara-pahasalamana. Nilaza ihany koa izy fa manao bemarenina ny Biraon'ny Rahaharam-bahiny Britanika manoloana ny fitarainany.

Nisioka i Zain, mpiavy avy ao Deraa, Syria :

Miangavy, ampio ny zanakolahy 5 taona (Britanika) ao Syria mba hody an-tanindrazana. Tsy niraharaha azy ny biraon'ny raharaham-bahiny @foreignoffice

Nanazava izy:

@bbclysedoucet niaraka tamin'ny reniny tao amin'ny tanànakely akaikin'i Nawa ao Deraa. Efa 3 taona mahery izy no tao Syria. Voatifitra izy 2 herinandro lasa izay. Mila fanampiana izy

Tamina sioka hafa nalefa tamin'ny Sekreteran'ny Raharaham-bahiny Britanika William Hague, miantso i Zain:

@WilliamJHague tsy noraharahin'ny biraonareo ny zanakolahy Britanika tafahitsoka ao Syria

Hoy izy nanampy:

Nampanantena ny governemanta Britanika fa hanampy ireo mpitsoa-ponenana Syriana marefo indrindra fa ny vehivavy sy ny ankizy kanefa mandà tsy hanampy ankizy Britanika iray.

Nilaza i Zain fa efa telo taona izy no tsy nahita ny zanani lahy ary nizara ity sary tany aminy ity :

Sary farany ananako misy ny zanako lahy ao Syria. Tsy nahita azy nandritra ny telo taona. Mila fitsaboana ara-pahasalamana maika izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.