Be Loatra Hoan'ny Praiminisitra Aostraliana Iray Ny Divay Iray Tavoahangy

Grange 59

Divay Grange an'ny Penfold 1959 – Sary: Dan Murphy's

Iza no nihevitra fa tavoahangin-divay iray no hitàna ny laharana 7 amin'ireo lohahevitra 10 voalohany malaza ao amin'ny Twitter ao Aostralia. Divay mena 1959 Grange Hermitage mitentina $A 3000 [2800 dolara Amerikana] iray natao fanomezana no nampidaboka ny Praiminisitr'i Wales Atsimo Vaovao, Barry O’Farrell . Tsy toerana nofinofisina hanaovana “fanadinoana goavana” ny fijoroana eo amin'ny hazomeloky ny (toera-pijoroan'ny vavolombelona) ny Vaomiera Mahaleotena Miady Amin'ny Kolikoly (ICAC). Taratasim-pankasitrahana iray nosoratan-tanana no namoaka ny madilana tamin'ny fijoroany vavolombelona ka nitarika ny fialàny.

Mampihinjaka ny siokantserasera ny vaovao mafana. Misy ny tsy azo nosorohana:

Angamba tsy tokony nosotroiny daholo ny iray tavoahangy raha te-hahatadidy izany izy

Ry media miavaka amin'ny fahakamoana, tsy maintsy manampy ny “gate” amin'ny voambolana iray ve ianao isaky ny misy “hadalana-fanafintohinana” ara-politika?  tsy midika inona loatra ny #grangegate.

Mazava ho azy fa nalaza haingana tao amin'ny aterineto ilay taratasy fisaorana:

Mahazo matoky ny Praiminisitr'i NSW (Wales Atsimo Vaovao ) O'Farrell fa mety maro mpampita sioka (RTs) noho ny “selfie” nataon'i Ellen tamin'ny Oscar ny taratasim-pisaorany #GrangeGate

Marobe ireo resaka antserasera manontany raha mifanentana amin'ny vidiny tokoa ilay divay malaza Penfold taona 1959. Ben Cubby, lehiben'ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny Sydney Morning Herald, nametraka rohy misy lahatsoratra navoakan'ny mpanoratra momba ny divay tao amin'ny gazetiny:

Indro ny fandalinana mikasika ilay divay mahavariana 1959 Grange nataon'ilay manam-pahaizana momba divay Fairfax, Huon Hooke

Nisy ihany koa aza taratasy hosoka avy amina mpanao politika sandoka [Ny tena Christopher Pyne dia minisitra federalin'ny Fampianarana ary mpiray antoko politika amin'i O'Farrell]:

Oay o! Manantena aho fa tsy nahita ny taratasin'i Barry ho ahy ry zareo

Nanaparitaka zavatra tsy misy dikany ny Praiministra:

Raha nandinika tsara, tsara kokoa raha nandà ho tsy nanao firaisana tamin'ity tavoahangy ity i O'Farrell.

Tokony ho andro feno fandaharam-potoana hoan'ny praiminisitra tamin'io. Tokony hanatontosa valan-dresaka hoan'ny mpanao gazety miaraka amin'ny Praiminisitra Tony Abbott izy mba hanambara famatsiam-bola hanamboarana lalana hoan'ny seranam-piaramanidina faharoa ao Sydney sy hampiantrano fanasana olom-pirenena ao amin'ny Trano Fanaovana Opera ao Sydney mba hoan'ireo andriambavy sy andriandahy lahy ao Cambridge. Saingy toa tsy hita izy.

Barry O'Farrell

Barry O'Farrell – Sary: Toby Hudson, Wikimedia CC Attribution 2.5

1959 no taona nahaterahan'i Barry O'Farrell.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.