Veloma Farany Hoan'ilay Mpihira Salsa Poerto Rikana Cheo Feliciano

Foto de Cheo Feliciano compartida ampliamente en las redes sociales. Tomada de la página de Facebook 32 x Oscar.

Sarin'i Cheo Feliciano niparitaka tao amin'ny media sosialy. Nalaina tao amin'ny pejy Facebook 32 x Oscar.

(Amin'ny teny Anglisy ny rohy eto ambany, raha tsy hoe misy fanamarihana hafa amin'ny teny Espainola)

Ny maraimben'ny Alakamisy 17 Aprily 2014, mpanakanto Poerto Rikàna sady mpamoron-kira sy mpamokatra hira, José Luis Feliciano Vega, fantatra kokoa amin'ny anarana hoe Cheo Feliciano, no namoy ny ainy tamin'ny lozam-piarakodia. 78 taona izy izao nindaosin'ny fahafatesana izao.

Amin'ny maha-mpihira azy, iray amin'ireo andrarezina goavana indrindra amin'ny mozika salsa sy bolero i Cheo Feliciano. Ny lalana nodiaviny tamin'ny zava-kanto dia ahitana ny fiaraha-miasany tamin'i Joe Cuba, Héctor Lavoe, Celia Cruz, Rubén Blades, Eddie Palmieri, ary Tite Curet Alonso, anisan'ireo anarana fanta-daza amin'ny mozika malaza. Tsy ao amin'ny toerana nahaterahany, Poerto Riko ihany no nankafizana ny sangan'asany fa manerana an'i Amerika Latina ihany koa. Afaka mankafy ny talentan'i Cheo Feliciano amin'ny salsa ao amin'ity lahatsary manaraka ity isika. Zarainy amin'izany ny fampisehoana niarahany tamin'ilay mpanakanto malaza  Fania All-Stars tamin'ny fiaraha-mankalaza ny faha-30 taona nihiran'izy ireo:

Nisaona ny fahabangana goavana noho ny fahalasan'ity mpanakanto ity ireo mpisera Twitter. Ary naneho ny fankafizany ny mozikany ihany koa:

Nihaino hatrany ny mozikany hatry ny fahakely; mpankafy anao tanteraka aho, mafy izany nilaozanao izany ry Cheo Feliciano. Tsy hahita anao intsony. Mandria am-piadanana Cheo

Hihaino an'i Cheo Feliciano fotsiny aho anio.

Grande como: cantante, bolerista, sonero, inspiración a muchos, hombre que venció al vicio, como ¡Familia! de PR entero. DEP #CheoFeliciano

— Fiquito Yunqué (@fiquito_yunque) April 17, 2014

Goavana amin'ny maha-mpihira, bolerista, sonero, aingam-panahy hoan'ny maro, lehilahy nandresy ny ditrany, toy ny fianakavian'i Poerto Riko manontolo.

Voafidy ho toerana azon'ny rehetra ahatongavana hanaovam-beloma an'i Cheo Feliciano ny Coliseo Roberto Clemente. Izany dia mba hanangonana olona marobe araka izay azo atao ka te-haniry hanome voninahitra azy farany:

Llega al Coliseo Roberto Clemente el féretro de #CheoFeliciano. El público podrá darle último adiós a partir de 1pm pic.twitter.com/B0PbZpMtU6 — Ricardo E. Martínez (@RicardoEladio) April 19, 2014

Tonga tao amin'ny Coliseo Roberto Clemente ny nofo mangatsiakan'i Cheo Feliciano. Afaka manome voninahitra azy farany ny olona rehetra manomboka amin'ny 1 ora atoandro.

Nanao sary ho fanomezam-boninahitra ho fahatsiarovana an'i Cheo Feliciano ihany ilay mpanao sariitatra Kike Estrada [sp]: 

Cartoonist Kike Estrada [sp] also shows homage to Cheo Feliciano's memory:

"Buen viaje, Cheo" del caricaturista Kike Estrada. Tomado de su página web Planeta Kike. Utilizado con su autorización.

“Mandria am-piadanana Cheo” avy amin'ilay mpanao sariitatra Kike Estrada. Nalaina tao amin'ny habakany, Planeta Kike [sp] [Kike's Planet]. Nahazoan-dalana. 

Tao amin'ny 80 Grados [ maripàna 80], nisy ny kaonty mampientam-po [sp] natolotr'ilay Karaibana mpanoratra sady mpampianatra sekoly ambony antsoina hoe Juan Carlos Quintero Herencia. Mahatsiaro an'i Cheo Feliciano izy sy ny fomba nampaharetan'ilay mpihira salsa hafa Héctor Lavoe (1946-1993) mandrakizay ny sangan'asan'i Cheo tao amin'ny “El Cantante” (lahatsary) nametraka [Ilay Mpihira] ho iray amin'ireo tsara feo indrindra teo amin'ny tantaran'ny salsa.

Héctor Lavoe en “El cantante” ha dejado inscritos los nombres del sabor y el plante salsero. Allí está el código para la fácil-dificultad del cantar salsero, además de que nos dejó la vara con la que el “Cantante de los cantantes” deseaba ser medido. Estos son sus verdaderos pares: “Mi saludo a Celia, Rivera, Feliciano, esos son grandes cantores. Coro: Hoy te dedico mis mejores pregones./ Ellos cantan de verdad/ siempre ponen a gozar a la gente./ Coro: Hoy te dedico mis mejores pregones/ Escuchen bien su cantar/ aprendan de los mejores.” Hasta ayer, Cheo era el único que desde el lado de acá de la grabación podía devolverle el saludo a Lavoe con su voz, en vida. Hoy, allí los verán: Héctor Lavoe, Ismael Rivera, Celia Cruz y Cheo Feliciano, cuatro titanes custodian el pabellón de los salseros muertos.

Namela ny tsiron'ny salsa sy ny endrik'ilay mpihira salsa ho voasokitra mandrakizay ao amin'ny “El Cantante” i Héctor Lavoe. Hita taratra ao ny maha-tsotra ny mihira salsa. Ankoatra izany, navelany ho antsika ny fitaovam-pandrefesana amin'izay te-hifandrefy amin'ny “mpihira tsara indrindra”. Ireto no tena mitovy aminy: «Miarahaba an'i Celia, Rivera, Feliciano, mpihira mahafinaritra ireo. Chorus: Anio, atolotro anareo ny hirako tsara indrindra/ Tena mihira tokoa izy ireo / Manala voly ny olona hatrany izy ireo / Chorus: Anio, atolotro anareo ny hirako tsara indrindra/ Henoy tsara ny hiran'izy ireo/Ianaro ny tsara indrindra “. Hatry ny omaly, i Cheo irery tamin'ny fandraketam-peo nahavaly ny arahaban'i Lavoes miaraka amin'ny feony fahavelony. Ankehitriny, ho hitanareo ao izy ireo: Héctor Lavoe, Ismael Rivera, Celia Cruz ary i Cheo Feliciano, mpihira goavana efatra mijery ny any amin'ny sambon'ireo mpihira salsa efa nodimandry.

Be mpankafy tao Etazonia ihany koa i Cheo Feliciano, indrindra teo amin'ireo Poerto Rikana ampielezana, araka ny asehoan'ity hosodoko tao Bronx, New York ity;

#RIP#graffiti#mural for #CheoFeliciano, #Salsero#Boricua supreme. In #Bronx by BG183 & HEF pic.twitter.com/h4XiYrXWLR

— David Gonzalez (@dgbxny) April 17, 2014

#RIP#graffiti#mural hoan'i #CheoFeliciano, Lehiben'ny #Salsero#Boricua. Ao #Bronx nataon'i BG183 & HEF

Azonao vakiana eto [sp] ny mombamomba an'i Cheo Feliciano, izay nosoratan'ny Fundación Nacional para la Cultural Popular [Fikambanana mpanao asasoa Nasionaly mandala ny kolontsaim-bahoaka]. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.