Kuntur: Fampiharana Vaovao Fijerena Vorona Navoaka Any Kolombia

[Mankany amin'ny haba-tranonkala amin'ny teny espaniola avokoa ny rohy rehetra.]

Nandritra ny herinandro faran'ny volana marsa 2014, namoaka fampihatra fijerem-borona, antsoina hoe Kuntur, ny Sampana Mpanao Raharaham-Panofanana Nasionaly Kolombiana (Servicio Nacional de Aprendizaje – SENA). Navoakan'ny haba-tranonkalan'ny SENA fa ny Kuntur dia “manome alalana ny manampahaizana manokana momba ny fiainan'ny vorona sy ny fahamaroam-piainana (biodiversité) ao amin'ny firenena, hametraka sy hizara eo noho eo amin'ny fiarahamonina ny fampafantarana ananan'izy ireo. Manana tahirin-kevitra mampisongadina ny toerana sy ny famantarana ny vorona izy io.”

Kuntur

Pikantsary avy amin'ny YouTube.

Manazava ny fisantaran'andraikitra ry zareo ao amin'ny @Birdwatching ao amin'ny Twitter:

Ny tanjon'ny Kuntur dia ny hanambatra ny tahirin-kevitra ahitana ny karazam-borona rehetra hita eto Kolombia.

Ao amin'ny kaonty ofisialin'ny fampiharana (@KunturAPP) no ahitantsika fampafantarana tahaka ny hoe impiry nisy nitroka ny fampiharana nandritra ny volana Marsa (ao amin'ny fampitaovan'ny android – sehatra tokana hany ahitana ilay fampiharana amin'izao fotoana izao):

Nandritra ny volana voalohany nivoahany tao amin'ny tsena Google Play, efa nihoatra ny 2000 ny nitroka ny KUNTUR, izay nahazo naoty ankapobeny eo amin'ny…

Luis Carlos Zapata mibilaogy ao amin'ny App Web móviles entre otros momba ny domberina tsara hitany momba ity zavatra navoaka ity ary miteny amintsika ny fomba nanombohan'ny Kuntur:

La app nació en el tecnoparque de manizales y actualmente se encuentra en la tienda de Google Play pero proximamente estará disponible en IOS.La app tiene como intención que se conozca cerca de las 1800 especies que se conocen en Colombia, que sea didáctico y educativo.

[…] tanto novatos como expertos se puede buscar mediante la elección de diferentes siluetas y luego elegir características como color primario y secundario; para los inexpertos saldrá diferentes opciones […] y si usted es un experto la puede buscar con su nombre científico.

Natsangana tao amin'ny Manizales Technopark ny fampiharana ary vonona ao amin'ny tsena Google Play, fa ho vonona ao amin'ny IOS ao anatin'ny fotoana fohy ihany koa. Ny nanaovana ny fampiharana dia ny ampafantarana amin'ny daholobe ireo karazana 1800 fantatra eto Kolombia, izay atao amin'ny alalan'ny fampianarana sy fanabeazana.

[…] Na ireo zazavao na ireo manampahaizana, dia afa-mikaroka amin'ny alalan'ny fifantenana dindo isan-karazany (aloha) sy amin'ny fifantenana ireo mampiavaka azy toy ny lokom-bolo voalohany sy faharoa; Misy ny karazan-tsafidy raha ho an'ny zazavao […] fa raha efa manampahaizana ianao, dia afa-mitady amin'ny alalan'ny anarana siantifika.

Ao amin'ny lahatsoratra ihany, ny lahatsary eto ambany dia navoaka avy amin'ny kaonty YouTube-n'ny fampiharana, ahitana fanazavana tena tsotra amin'ny fomba ampiasana ny fampiharana:

Misy ny fampafantarana bebe kokoa avy amin'ny haba-tranonkalan'ny mpanangana ny fampiharana sy ao amin'ny pejy Facebook-ndry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.