Korea Atsimo: Tsy Fahombiazana Tsy Mba Fanadino Ny Fandravàna Nataon'ireo Mpitandro Filaminana Miisa 4000

Ny 22 Desambra 2013, maherin'ny 4000 ireo mpitandro filaminana mpandrava fikomiana avy ny Korea Atsimo no naka ankeriny ny foibe ara-tsendikaly faharoa goavana indrindra ao amin'ity firenena ity — hetsika iray tsy nisy toa azy teo amin'ny tantaran'ny firenena taorian'ny didy jadona izay manasongadina ny fikirizan'ny fitondrana ankehitriny handrava/hanampim-bava ireo fikambanana sendikaly sy demokratika.

Amin'izao fotoana izao, efa ao anaty tsiaron'ny rehetra ho toy ny “tsy fahatomombanana tsy mba fanadino” [ko] sahady ny famoretana nataon'ny polisy tamin'ny 22 Desambra, niteraka esoeso be [ko] tety anaty aterineto.

Tsy ny hamafin'ny fangejana fotsiny ihany no nahagaga ny vahoaka, fa ireo toe-javatra telo vao mainka naharomotra ireo mpampiasa aterineto tao Korea-Atsimo izay efa tezitra: tsisy taratasy fahazoan-dalàna[ko] akory ny fidiran'ireo mpitandro filaminana an-keriny; nisy foto-drafitrasa avy amin'ilay tranobe fanaovan-gazety “progressiste” simba teny an-dàlana; ary noravan'ny mpitandro filaminana ny hetsika am-pilaminana nataon'ireo olom-pirenena nijoro nanohana ireo sendikan'ny mpiasa ireo.

Na teo aza ny fanaovana tantara be tahaka ny asehon'ireo sary eto ambany ireo, tsy vitan'ny mpitandro filaminana ny nisambotra ireo nokendreny, izay voaendrikendrehana ho nitaona ireo hetsi-panoheran'ny mpiasan'ny lalamby farany teo sy noeritreretina ho nafenina tao anatin'ilay tranobe.  Ireto misy bitsika nozaraina hiparitaka be avy tamin'ireo Koreana mpampiasa aterineto. 

Nanaparitaka mpitandro filaminana an'arivony ny fitondrana ankehitriny mba hisambotra mpiasa maromaro. Maneho ny mahavery fanantenana azy ireo sy ny tahony ny toe-draharaha misy amin'izao izany. Mbola vao herintaona izay no nanombohan'izy ireo nandray ny fahefana, saingy ny zavatra hitantsika ankehitriny dia fambara mahazatran'ny fitondrana tsy mahay mitantana.

Mila mahafantatra ity ianareo mpanao gazety. Tsikaritra fa trano ifampizaràn'ny Fanaovan-gazety Kyunghyang ihany koa ity Tranobe ity [*fanamarihana: fitaovan'ny media mahery fo indrindra ao amin'ny firenena mitsikera ambava ny fitondrana ankehitriny]. Na dia isaoranay aza ianareo noho ny fandrakofanareo ity vaovao ity, dia miangavy anareo izahay hanambara fa ity tranobe ity no toerana ipetrahan'ireo mpanao gazety namanareo. Ary manohera miaraka aminay!

[famintinana izay nitranga] 1. Nanao amboletra tamin'io toerana io ry zareo, nanamafy fa nitady ireo olona karohiny ry zareo. Saingy voalohany indrindra aloha dia tsy tao izy ireo. 2. Raha nanana taratasy fanomezan-dalàna ry zareo, dia afaka nanana fialan-tsiny ihany (mikasika ny fidiran-dry zareo anterisetra), saingy ny marina dia nolavina ny fangatahana alàlana ho azy ireo. 3. Saingy na teo aza izany, nanembatsembana ireo hetsi-panoherana “ara-dalàna” izy ireo. 4. Taoriana kely, tratra tamin'ny kamerà fa nampiasa fitaovana famafazana dipoavatra tany amin'ireo olom-pirenena ireo mpitandro filaminana ireo. Fihantsiana ady amin'ny vahoaka izany.

Vantany vao niparitaka tao anaty aterineto ireo bitsika momba ny fandravaravana an-kerisetra nataon'ny mpitandro filaminana, olom-pirenena maro tao an-tanàna no nirotsaka hiady miaraka amin'ireo mpiasa mpikambana anatin'ny sendika ireo. Nitatitra i @sinbi2010 [ko] fa maherin'ny 20 tapitrisa ireo olom-pirenena nivondrona an-tsitrapo tanatin'ny ora vitsivitsy ary nifanandrina tamin'ny mpitandro filaminana. Ireto ambany ireto ireo sarin'ny fifanandrinan'ireo olom-pirenena sy ny mpitandro filaminana, fotoana vitsy taorian'izay, tamin'io andro io.    

@kyhal55: Please everybody come out. Please, citizens come out.      

<Maika! SOS (mariky ny fitaintainana)> Mila manodidina ny tafik'i Park zanany izahay [entina manondro ny Filoha Park Geun-hye, izay zanaka vavin'ny filoha teo aloha Park Chung-hee] @ kyhal55: Miangavy ny rehetra hivoaka. Miangavy ireo olom-pirenena hivoaka.

(tamin'ny 5:03 pm) Sakanan'ny mpitandro filaminana ireo olom-pirenena izay mizotra mankany amin'ny trano fanaovan-gazety Kyunghyang. Amin'izao fotoana izao dia mihira izy ireo manao hoe «Ndeha mandeha ianareo ry mpitandro filaminana maherisetra» sady mifanandrina amin'izy ireo.

Miatrika olana ara-pitsarana [ko] ny mpitandro filaminana ankehitriny [ko] raha mikarakara ireo antontan-taratasy fanenjehana eny amin'ny fitsarana kosa ireo vondrona misahana ny olom-pirenena sy ireo mpisolovava miaro ny zon'olombelona.

 

Tsy nanana fahazoan-dàlana hisava ny Konfederasionan'ny Sendikan'ny mpiasa Koreana  (KCTU) ny mpitandro filaminana. Araka ny lalàna dia tsy ampy hidiran'izy ireo anterisetra anatinà toerana iray, taorian'ny fanapotehan'izy ireo ireo varavarava mihidy, ny fanànana taratasy fisamborana. Etsy andaniny, araka ny lalàna, tafiditra anatin'ny heloka bevava noho ny fidirana an-keriny an-tranon'olona ny fidiran'ny mpitandro filaminana ankeriny tao amin'ny tranobe izay ifampizaràn'ny KCTU sy ny fanaovan-gazety Kyunghyang ka namotehan'izy ireo ny entany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.