Nesoesoin'ny Etiopiana Ny “Lainga” Nataon'ny Fahitalavi-pirenena Tamin'ny Fetin'ny Lainga

Nanamarika ny Andron'ny fetin'ny Lainga tao amin'ny Twitter ny Etiopiana tamin'ny alalan'ny fandefasana lohatenim-baovao tsy marina izay maka tahaka ny “lainga” nataon'ny Fahilavi-panjakana (ETv), fahitalavi-pirenena tokana ao amin'ilay firenena Afrikanina. Amin'ny fampiasana diezy Twitter #ETvDay, niampanga ny ETv ireo mpiserasera Twitter noho ny “filazana lainga mandritra ny 365 andro”

 Nanomboka tamin'ity sary eto ambany ity izany:

Vitan'ny ETv ny nanao azy ho ao anatin'ny lisitry ny andro iraisam-pirenen'ny firenena Mikambana. #ETvDay amin'ny endrika #EtvStyle. Sary avy amin'i @jomanex

Jomanex nanamarika tamin'ny teny Amhariky:

Fiavahana: Hoan'ny vahiny ny Fetin'ny lainga. ETV «Ny anay».

Soli kosa namazivazy mikasika ny fifidianana ankapobeny hoavy amin'ny taona 2015:

Marina, malalaka sady demaokratika ny fifidianana eto amin'ny firenena hoavy amin'ny taona 2015.

Niafara tamin'ny fihetsiketsehana teny an-dalambe ilay fifidianana nampifanditra tamin'ny taona 2005 tao Etiopia, ka olona 193 no namoy ny ainy ary 30 000 kosa no nogadrain'ny mpitandro ny filaminana. Niafara tamin'ny fandresena miezinezina azon'ny Manda Demaokratika Revolisioneram-bahoaka Etiopiana ankehitriny ny fifidianana tamin'ny 2010, ka azony avokoa ny 99,6 isan-jaton'ny seza tao amin'ny antenimiera. Nolavin'ny mpanohitra ny voka-pifidianana ary nilaza ireo mpanaramaso iraisam-pirenena fa tsy mifanaraka amin'ny fenitra iraisam-pirenena ny fifidianana.

Toa hahatratra ny iray amin'ireo Tanjon'ny taonarivo fahatelo ho amin'ny fampandrosoana i Etiopia -andian-tanjona hoan'ny fampandrosoana nolaniana nandritra ny Vovonan'ny Taonarivo fahatelon'ny Firenena mikambana tamin'ny taona 2000- izay tratrarina ao anatin'ny fotoana fohy:

Nilaza ny loharanom-baovao fa hanome famatsiana rano madio alohan'ny fe-potoana farany amin'ny Tanjon'ny Taonarivo Fahatelo ho amin'ny fampandrosoana i Etiopia

Nilaza ireo mponina manodidina ny tanàndehibe izay tsy mba nahazo rano madio tao anatin'izay 20 andro lasa izay fa tsy voakasik'izany izy ireo satria efa nahazo fiofanana mikasika ny fomba fivelomana tsy misy rano.

Momba ny fitsapa-kevi-bahoaka tao Krimea, izay nandanian'ity faritr'i Okraina ity ny fanakambanana azy amin'i Rosia:

Nilaza ny sasany tamin'ireo mponin'i Adama [tanàna ao afovoan'i Etiopia] fa tsy misy fiantraikany amin'ny Drafitr'asa Fampitomboan-Karena sy Fanovana an'i Etiopia ny fanakambanana an'i Krimea amin'i Rosia.

 Nosokajian'i Mahlet anaty karazany roa ny vaovao:

Misy ny vaovao ary misy ny vaovaon'ny ETV

BefeQadu nanampy hoe:

Misy karazany roa ny olona eo amin'izao tontolo izao: ireo izay mijery ny ETv isan'andro sy ireo izay narovan'Andriamanitra tsy hijery ity fahitalavitra ity 

Amin'ny fampiasana ny teny filamatry ny Vaomieran'ny Fizahantany Etiopiana taloha “masoandro mibaliaka 13 volana”, hoy i Saleh:

Masoandro mibaliaka 13 volana sy laingan'ny governemanta 13 volana ao amin'ny fahitavi-panjakana.

Firy andro no mba azon'ny ETV ao anatin'ny taona ?: 

Ho valin'ny fanambarana nataon'ireo mpikatroka fa andron'ny #ETVday androany, nanambara ny ETV fa andro tokana isan-taona tsy mba nananany ny #1Aprily

Oromo Network's nirary soa hoe:

Miandry fatratra ny fametraha-pialàna faoben'ireo mpanao gazetin'ny ETV aho androany.

Ankafizo ny ambin'ireo sioka #ETvDay eto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.