Hovitrovitry Ny Tany Mahery Vaika Namely An'i Shily

Horohorontany mahery vaika amin'ny mari-drefy 8,2 [anglisy] no namely an'i Shily Avaratra tamin'ny Alarobia tamin'ny 8:46 alina, ary narahana tsunami izay niteraka antso fanairana manerana ny firenena araka ny hita amin'ity lahatsary ity:

https://www.youtube.com/watch?v=Wg6du5bhVqE&feature=youtu.be

89 km ao Atsimo-Atsinanan'i Cuya, eo anoloan'ny morontsirak'i Tarapaca no misy ny foibeny.

Sarintany : ao Avaratr'i Shily no misy ny foiben'ny horohorontany manana mari-drefy 8.2

Nangataka ny governemanta mba hafindra toerana avy hatrany ny ao amin'ny faritry ny morontsiraka satria tonga tao Iquique ireo andiany voalohany.

Amin'ity angona Storify nataon'ny Nacion.cl ity no ahitana sary maromaro misy ireo olona mizotra any amin'ny toerana avoavo, sy ny fahasimbana nateraky ny horohorontany. 

Nizara vaovao tsara fantarina ireo mpiserasera, anisan'izany ny Ofisy Nasionaly misahana Vonjy Taitra (ONEMI) miankina amin'ny fanjakana:

Mandritra ny antso fanairana noho ny tsunami, mandehana an-tongotra mifindra ary mandehana eny amin'ny toeram-pihaonana akaiky indrindra.

Aza adinoina ny biby fiompinao, tokony hafindra toerana miaraka aminao ihany koa izy ireny. Azafady #AlertaTsunami #Tsunami #Terremoto [horohorontany] #Iquique #Arica

Ny hafa kosa naneho hevitra mikasika ny fihetsiky ny governemanta izay mifanohitra tamin'ny horohorontany goavana tamin'ny taona 2010:

Nanatsoaka lesona tamin'ny fahadisoana efa nataony izy ireo: antso fanairana manoloana ny tsunami, famindran-toerana ary ny fisian'ny tafika eny an-dalambe. Nandray fepetra ihany izy ireo nony farany.

Mbola mitohy ny tantara, araho eto ny fivoaran'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.