Hetsika Kongresy Voabodo Ao Taiwan, Voadika

Against Black-box Cross-Strait Trade Agreement. Protest icon from CSSTAtranslategroup.

Fanoherana ny fifanarahana ara-barotra servisy iraisan'ny mpifanolotra sisindranomasina. Sary famantarana ny hetsika avy amin'ny CSSTAtranslategroup.

Nametraka tantara ireo mpanao fihetsiketsehana tao Taiwan tamin'ny 18 marsa raha nibodo ny antenimieran'ny firenena noho ny fandanian'ny antokon'ny fitondrana ny fifanarahana ara-barotra servisy iraisan'ny mpifanolotra sisindranomasina (CSSTA) efa nampiady hevitra izay iarahana amin'i Shina nefa tsy misy fandinihana isan'andininy araka izay efa nampanantenaina.

Niainga avy any amin'ny vondrona isan-karazany ny fanohanana ireo mpanao fihetsiketsehana, izay ahitana mpandika lahatsoratra an-jatony mifamory ao amin'ny vondrona Facebook #CSSTAtranslategroup handika ny tantara momba ny toe-draharaha. Mamelabelatra ny tanjony araka izao manaraka izao ny vondrona:

1. Short-term goal: to distribute the press release that has been translated into various languages to international media and government units;
2. Mid-term goal: to watch the next move between the Chinese and Taiwanese Governments closely and translate upcoming news into English and other languages.

1. Tanjona Fohy Ezaka: mampiely ny fanambarana an-gazety izay voadika amin'ny teny isan-karazany ho an'ny mpampahalala vaovao iraisampirenena sy ny sampan-draharaham-panjakana;
2. Tanjona Antonony Ezaka: manaramaso akaiky ny fihetsiky ny governemanta Shinoa sy Taiwaney ary mandika ny vaovao amin'ny teny anglisy sy hafa.

Ny lahatsoratra voadika dia avoaka ao amin'ny blaogy Taiwan, not for sale (Taiwan, tsy amidy). Ny lahatsoratra manontolo amin'ny fanambarana an-gazety dia efa azo vakiana amin'ny teny shinoa, anglisy ary alemana amin'izao fotoana izao. Misy ihany koa ny dika amin'ny teny danoà vita ambangovangony.

Mba hanintonana ny fifantohan'izao tontolo izao hitodika any amin'ny fihetsiketsehana, dia nandika izao hafatra manaraka izao amin'ny teny 31 samihafa ao amin'ny mombamomba azy ao amin'ny Facebook ny mpikatroka mpianatra Yeh Jiunn Tyn:

Citizens of Taiwan are now occupying the Legislative Yuan(Legislature), opposing the unjust passing of the Cross-Strait Agreement on Trade in Services. The police are gathering outside the building and preparing to clear the protesters.

This moment is critical for the future and democracy of Taiwan, we need the world's attention. Please share the news to everyone you know, and translate it to other languages. (Please post the translation in the comment of this post, I'll add it in). God bless Taiwan.

Mibodo ny Yuan (mpanao lalàna) ny Olompirenen'i Taiwan amin'izao fotoana izao, manohitra ny fandaniana tsy ara-drariny ny fifanarahana ara-barotra servisy iraisan'ny mpifanolotra sisindranomasina. Efa mivorivory ao ivelan'ny lapa ny polisy ary miomana ny hanaparitaka ny mpanao fihetsiketsehana.

Saropady eo amin'ny hoavy sy ny demaokrasian'i Taiwan indrindra izao fotoana izao, mila ny fifantohan'izao tontolo izao izahay. Miangavy mba zarao amin'ny rehetra fantatrao ny vaovao, ary adikao amin'ny teny hafa. (Miangavy mba ataovy amin'ny fanehoan-kevitra eto amin'ity lahatsoratra ity ny dikantsoratra, hotovanako ato izany). Andriamanitra Hitahy an'i Taiwan.

Nahazo ‘likes’ (tia) mihoatra ny in-9000 ny lahatsoratra mandritra izany fotoana izany ary voazara mihoatra ny in-15000.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.