Vaovao Mampahonena: Nianjera Tao Amin'ny Ranomasimbe Indiana Ilay Voromby Nanjavona MH370 Malayziana

Image from Facebook page of Malaysia Airlines

Mizara ny alahelon'ny fianakaviana sy ny naman'ireo niharam-boina tamin'ny lozam-piaramanidina MH370 i Malayzia. Maneho ny fiaraha-miory, mivavaka sy mampahery ireo rehetra voakasik'ity loza ity izahay. Sary avy amin'ny pejy Facebookn'ny Zotra Malayziana.

 

Nanambara ny Praiminisitra Malaiziana, Najib Razak tamin'ny Alatsinainy hariva fa nianjera tao amin'ny ranomasimbe Indiana ilay voromby nanjavona MH370 araka ny fanadihadiana farany tamin'ny alalan'ny tahiry azo avy amin'ny zanabolana:

…its last position was in the middle of the Indian Ocean, west of Perth.

This is a remote location, far from any possible landing sites. It is therefore with deep sadness and regret that I must inform you that, according to this new data, flight MH370 ended in the southern Indian Ocean.

Tao afovoan'ny Ranomasimbe Indiana, Andrefan'i Perth no nahitana azy nihetsika farany .

Toerana mitoka-monina, lavitry ny toeram-piantsonana azo hijanonana. Koa amin'alahelo lehibe no tsy maintsy hilazako aminareo fa araka izany vaovao farany izany, niafara tao atsimon'ny ranomasimbe Indiana ny sidina MH370.

Nanjavona nanomboka tamin'ny 8 marsa ny voromby MH370 nandritra ny sidina nataony niala tao Kuala Lumpur ho any Beijing. Mbola tsy misy ny vaovao mari-pototra mikasika ny antony nahatapaka ny fifandraisan'ilay voromby, saingy nilaza ireo manampahefana fa fanahy iniana novonoina ny radaran'ny voromby. Mpandeha sy mpiasa an'habakabaka 239 no tao anatin'ilay sidina MH370. Nandritra ny roa herinandro, miandry amin-tebiteby izay vaovao farany mikasika ny fikarohana ilay voromby nanjavona izao tontolo izao [fr].

Namoaka ity hafatra ity ny orinasam-pifandraisana Malaysia Airlines fotoana fohy mialoha ny nanaovan'ny praiminisitra fanambarana :

Malaysia Airlines deeply regrets that we have to assume that MH370 ended in the southern Indian Ocean.

On behalf of all of us at Malaysia Airlines and all Malaysians, our prayers go out to all the loved ones of the 226 passengers and of our 13 friends and colleagues at this enormously painful time.

We know there are no words that we or anyone else can say which can ease your pain. We will continue to provide assistance and support to you, as we have done since MH370 first disappeared in the early hours of 8 March, while flying from Kuala Lumpur to Beijing.

Malahelo tanteraka ny zotra an'habakabaka Malayziana ka tsy maintsy milaza izahay fa niafara tao atsimon'ny Ranomasimbe Indiana ilay sidina MH370.

Amin'ny anaranay mpiasa rehetra ato amin'ny zotra an'habakabaka Malayziana ary koa ny Malayziana rehetra, mitondra am-bavaka ho an'ireo fianakaviana sy naman'ireo mpandeha 226 sy ireo namana sy mpiara miasa aminay 13 izahay amin'izao fotoana mamaivay diavintsika izao.

Fantatray fa na izahay na olo-kafa dia tsy mahita izay teny holazaina hoentina hanamaivanana ny alahelonareo. Ho tohizanay ny fanomezana fanampiana sy ny fanohanana anareo, tahaka ny efa nataonay nanomboka hatramin'ny voalohany tamin'ny nanjavonan'ny voromby MH370 tamin'ny 8 Marsa, nandritra ny sidina niala tao Kuala Lumpur ho any Beijing.

Nampiasa ny diezy Twitter #PrayforMH370 sy ny #RIPMH370 ireo mpiserasera manerantany mba handefa teny fampiononana hoan'ny fianakavian'ireo mpandeha sy mpiasan'ny zotra an'habakabaka tamin'ny voromby MH370 :

Amin'izao fotoan-tsarotra izao, manantena izahay fa matanjaka sy mijoro ireo fianakaviana na dia eo aza ny olana rehetra. Hotahiana anie ny fanahin'izy ireo.

Mbola tsy zava-misy izany mandra-pahita ny porofo. Mety mbola misy ireo velona. Hivavaka hoan'ny fahaveloman'izy ireo aho sy izay tsara indrindra ho azy ireo.

Na dia nilaza aza izy ireo fa nianjera tao an-dranomasina ny voromby, mbola manantena ny ampahany ato anatiko fa mbola hahita azy amin'ny fomba hafa izy ireo

Fianakavian'ireo mpandeha tamin'ny sidina #MH370 tokony ho any Beijing lasa any Aostralia

*Ny hajiantsary eto dia nalaina tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Praiminisitra Najib Razak

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.