Firaisankina Manerantany Ho an'ireo Nanjavona Tamin'ny Voromby Malayziana MH370

Trendsmap showing global Twitter discussion on MH370

 Sarintanin'ny fironana manerantany miresaka ny MH370 ao amin'ny Twitter

Efa ho lasa izao ny roa herinandro nanjavonan'ny Malaysian Airlines nandritra ny sidina niainga avy any Kuala Lumpur nankany Beijing saingy mbola tsy afa-nanondro ny toerana misy azy sy ireo mpandeha 239 tao aminy ny manampahefana. Nitarina ny fikarohana ny sidina MH370 rehefa nandamoka ny fikarohana azy teo amin'ny faritra farany nahitana ny diany tamin'ny radar.

Noho ny tsy fisian'ny fampafantarana ofisialy momba izay nanjò ny MH370, maro ny olona no lasa mitodika amin'ireo tombatombana sy ireo petrakevitra tsy mampino loatra mba hitadiavana ny antony nahatonga ny fanjavonan'ny voromby feno misitery ity. Manampy trotraka amin'ny fahorian'ny havana sy naman'ireo mpandehan'ny MH370 ny fandisoam-baovao. Naneho ny fahatezerany sy ny sorisoriny noho ny tsy fisian'ny vaovao tsara momba ny fanjavonan'ny voromby ny havana sasantsasany.

Ny hany mampisy aingam-panahy sy fankaherezana azy ireo hiavotra ao amin'ity krizy ity angamba dia ny fanehoam-piraisankina sy ny hafatra fanohanana avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao.

Mankasitraka ireo firenena rehetra nanampy an'i Malayzia tamin'ny fikarohana ny MH370 ny praiminisitra Najib Razak:

As of today, 14 countries, 43 ships and 58 aircraft are involved in the search. I wish to thank all the governments for their help at such a crucial time.

Androany, firenena 14, sambo 43 sy voromby 58 no miditra an-tsehatra amin'ny fikarohana. Te-hisaotra ireo governemanta rehetra aho noho ny fanampiany tao anatin'ny fotoana sarotra.

Nihetsi-po tamin'ny fanohanana manerantany azon'i Malayzia i Susan Ng A. Suan:

It is so heart warming to see nations and people from around the world, coming together in one united effort, to help in the search and rescue operations for MH370.

Thank you to these countries for having relentlessly scoured the skies, seas and land for MH370

And also the 2.3 million people worldwide who are crowdsourcing and spending hours painfully scrutinising satellite imageries.

This is an amazing demonstration of faith in humanity restored.

Manohina ny fo tokoa ny mahita firenena sy vahoaka amin'izao tontolo izao, miray hina mampivondrona ny ezaka, manampy amin'ny bemidina fikarohana sy famonjena ny MH370.

Misaotra ireo firenena izay tsy mitsahatra ny manavatsava ny lanitra, ny ranomasina ary ny tany hikarohana ny MH370.

Misaotra ihany koa ireo olona 2,3 tapitrisa manerantany izay mandray anjara mandany ora maro manao savahao avy amin'ny fandinihana ny sarin'ny zanabolana.

Izany no porofon'ny famerenana amin'ny laoniny ny fitokisana amin'ny mahaolombelona

Filipino students hold a candle lighting ceremony in honor of passengers of MH370. Photo from Kathy Yamzon

Mpianatra Filipino mandray anjara amin'ny lanonana fiareta-tory (mandrehitra labozia) hanomezam-boninahitra ireo mpandehan'ny MH370. Saripika avy amin'i Kathy Yamzon

Nihetsi-po tamin'ny hafatra Twitter nalefan'ny zanakavavin'ny ny lehiben'ny steward ao amin'ny MH370 ny ekipa anglisy Liverpool:

“Dada o, nandresy i Liverpool. Modia an-trano hijery ny lalao ! Tsy mbola diso lalao mihitsy ianao hatramin'izay. Sambany izao. :’) “

Nanohina ny fonay izao – sioka nalefan'i Maira, zanakavavin'i Andrew Nari, lehiben'ny steward, tamin'ny alahady alina.

Maro ny mpiserasera nampiasa ny diezy #PrayForMH370 ho fanehoa-piraisankina amin'ireo havan'ny mpandeha nanjavona. Nisongadina avy amin'izany ihany koa fanakaikezana am-po sy ny fiahiana ireo mpandehan'ny MH370 nanjavona. Indreto eto ambany ny sary avy amin'ny firenena maro mampiseho ny fanohanany an'i Malayzia:

Vavaka ho an'i MH370

artistan'ny tora-pasika Sudarshan Patnaik mamarana ny zavakanto amin'ny torapasika ho firariantsoa ny MH370.

Artista Filipina manome voninahitra ireo mpandeha nanjavona tao amin'ny vorombin'i Malayzia Saripikan'i Danny Pata

Fanetsehana ny mpianatra tao amin'ny Oniversiten'i Warwick! mandraisa anjara amin'nyzavatra goavana!

Mivavaka ho anao izao tontolo izao iray manontolo

Vavaka ho an'i MH370

Setriny Manerantany. Jereo ato amin'ity fampanfantarana an-tsary ity ny fahatongavan'ny rehetra.

Hafatry ny fanantenana sy vavaka ho an'ireo ao amin'ny MH370 sy ireo olon-tiany tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Kuala Lumpur

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.