Endrika 10 Hanehoan'ny Rosiana Sy Ny Okrainiana Ny Heviny Tamin'ny Kabary Fanjanahana an'i Krimea

Tamin'ny 18 marsa 2014, roa andro taorian'ny nandrotsahan'ny Krimeana vato tamin'ny fitsapa-kevi-bahoaka hidirana ao amin'ny Federasiona Rosiana, dia nikabary [ru] ny Filoha Vladimir Putin ka tamin'izany no nanambarany fa ataony ao amin'ny lisitry ny mpikambana vaovao ao amin'ny federasiona i Crimea sy ny tanàna serana-tsambon'i Sevastopol. Hatramin'ny nahavitan'io fanambarana io dia tsy mazava loatra raha akambana amin'i Rosia [ataony zanatany] ireo sisintany vaovao ireo, na avelany ho toy ny mahaleotena, tahaka ny faritra ifandirana ao Abkhazia, Ossetia atsimo, na Transnistria.

Raha tsy jerena ny fahatsapana momba ny resaka Krimea, dia niavaka iny kabary iny, ary araka ny mahazatra dia ato amin'ny Internet no hanehoan'ny blaogera ny fihetseham-pony. Amin'ny alalan'ny meme (vakiantsika amin'ny teny malagasy! sa ahoana?). indreto ny sasantsasany amin'izany:

1. 

Putin as Tony Stark. The caption reads "Got Crimea back." Anonymous image found online.

Toy izao ny vakin'ny soratra “Tafaveriko i Crimea.” Sarin'olona tsy nitonona anarana hita an-tserasera..

Maro ny Rosiana namaly tamim-pifaliana. Efa hita ihany fa na ny fitsapa-kevitra nataon'ny mpanohitra [ru] aza dia mametraka fa maro an'isa no manohana ny “fandraisana indray” ny sarinosy (saikanosy avy amin'ny teny frantsay no nahazatra antsika) mahafinaritra jerena ity.

2. 

Anonymous image found online.

Sarin'olona tsy nitonona anarana hita an-tserasera.

Ho an'ny hafa moa dia misafotofoto kokoa ny fahatsapana. Raha “nangalatra” an'i Krimea i Putin, mbola zavatra tsara ve izany? Angamba manaraka ny toetr'andro, tahaka ny lalao video.

3.

-"Must not sleep, must not sleep" -"Zzzzzz" Anonymous image found online.

-“Tsy mahazo matory, tsy mahazo matory”
-“Zzzzzz”
Sarin'olona tsy nitonona anarana hita an-tserasera.

Afa-miankina amin'ny amin'ny PM Dmitry Medvedev raha eo amin'ny tsy fiovaovana sy ny fitantarana. Ny fironany mironjona mandritra ny lanonam-panjakana angamba no lala-masaka amin'ny politika rosiana tao anatin'ny roa volana farany.

4.

Anonymous image found online.

Sarin'olona tsy nitonona anarana hita an-tserasera.

“Manomboka ny mason'andro anio aho manala amin'ny fiainako ny vokatra Amerikana rehetra. Ry namana, miaraha amiko! #StopUSA” hoy ny siokan'i Mikhail Dvorkovich, Rosiana mpandraharaha sady rahalahin'ny mpanolotsaina an'i Medvedev iray, ho setrin'ny fanasaziana Amerikana [tatitra Global Voices] amin'ny Rosiana manampahefana. Nasongadin'ny hafa moa ny fahitana azy nisiokantserasera tamin'ny alalan'ny iPhone, ary indrindra, ny fampiasana mpanao raharaha natsangana Amerikanina iray mba hahazoany mampita ny hafany any amin'ny mpihaino azy.

5.

President Obama dressed in an FSB (Federal Security Bureau) uniform. Anonymous image found online.

Filoha Obama mitafy ny fanamian'ny FSB (Federal Security Bureau = Biraom-Piarovana Federaly). Sarin'olona tsy nitonona anarana hita an-tserasera.

Misy Rosiana blaogera sasantsasany mahita ny fahalemen'ny fanasaziana Amerikanina ho fanohanana tsy ankiteniteny ny zavatra ataon'ny Filoha Putin. Izany no mahatonga ny sary photoshop-ny ao anatin'ny fanamiana mpitandro ny filaminana rosiana. “Misaotra kamarady Obama!”

6.

Users of the public Facebook group "This is Kiev" are making their displeasure known. Collage from kievtypical.

Mpiseran'ny vondrona hitan'ny rehetra ao amin'ny  Facebook “This is Kiev, baby” mampiseho ny tsy fahafaliany. Tambatamba-tsary avy amin'ny kievtypical [ru].

Etsy ankilan'izany ny Okrainiana mampiseho ny fahadisoam-panantenany amin'ny kabarin'ny Filoha Putin. Fihetseham-po sady masiaka no tsy misy ilàna azy.

7. 

Nazis

Ankavia: “Hitler manambara ny fanjanahana an'i Autriche ao amin'ny Reichstag” Ankavanana: “Putin manambara ny fanjanahana an'i Crimea amin'ny Parlemanta Rosiana.” “Karohy ny fahasamihafana 10.” Sarin'olona tsy nitonona anarana hita an-tserasera.

Efa nifampiampangana nandritra ny volana vitsivitsy ny fampitahana amin'ny Nazi eo amin'ny Okrainiana sy ny Rosiana, ary ankehitriny, tsy misy hafa amin'izany ny miresaka “Anschluss”.

8.

Anonymous image found online.

Sarin'olona tsy nitonona anarana hita an-tserasera.

Ary tsy latsaka amin'izany koa ny fampitahana amin'ny Nazi, raha mbola azo atao.

 9. 

"Crimea, Summer of 2014" Anonymous image found online.

“Crimea, Fahavaratra 2014″ Sarin'olona tsy nitonona anarana hita an-tserasera.

Sarina Kaokaziana Tavaratra Tanora mandihy eny amin'ny lalambe Rosiana. “Raha tsy mitandrina ianao ry Krimea,” hoy ny namoaka ny sary, “Hanani-bohitra [Hameno toerana] ny foko vitsy an'isan'i Rosia!” Maneso indrindra izany amin'ny fifampiampangana ho Nazi mandeha dia mandeha ity.

10. 

G8 logo. Russian flag has been replaced with the Ukrainian one, on the lower left. Anonymous image found online.

Fango G8. Ny saina Rosiana nosoloina ny an'ny Okrainiana, eo ambany ankavia. Sarin'olona tsy nitonona anarana hita an-tserasera.

Mbola manantena ihany ny Okrainiana sasantsasany fa haka fanapahan-kevitra hentitra hanasaziana an'i Putin sy Rosia i Etazonia sy ny Vondrona Eoropeana. Ka raha voadaka ao amin'ny G8 ny Federasion Rosiana amin'ity taona ity, iza moa no tsara toerana indrindra handray ny toerany fa tsy i Okraina?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.