“Modia Ry Zotra MH370 Malaysia Airlines”

Vigil for missing Malaysia Airlines passengers at the Independence Square in Kuala Lumpur. Photo by  Asyraf rasid Copyright @Demotix (3/10/2014)

Fiaretan-tory (na fandrehetan-dabozia) eo amin'ny kianjan'ny fahaleovantena, Kuala Lumpur, ho an'ireo mpandeha tsy hita ao amin'ny Malaysia Airlines. Saripikan'i Asyraf rasid Copyright @Demotix (3/10/2014)

Tapaka fifandraisana tamin'ny tompon'andraikitry ny seranam-piaramanidina ny zotra MH370 Malaysia Airlines, an-dalana avy any Kuala Lumpur ho any Beijing tamin'ny 8 Marsa 2014. Amin'izao fotoana anoratana izao dia mbola tsy hita ny voromby mitondra mpandeha 239 ao aminy.

Maro ireo petrakevitra mandehandeha momba ny fanjavonana mahatalanjon'ilay voromby; saingy any amin'ny farany, mbola tsy nahavita nahita ny toerana misy ny voromby ihany ny manampahefana ao amin'ny governemanta ary manome ambangombangom-baovao amin'izay nihatra tamin'ny MH370.

Herinandro mampitaintaina fatratra ho an'ny fianakaviana sy ny naman'ireo mpandeha sy mpiasan'ny MH370 iny herinandro lasa iny. Maro no naneho ny fahadisoam-panantenany sy ny fahatezerany noho ny tsy fahampian'ny vaovao farany momba ny MH370. Ny sasany nitodika tany amin'ny tontolon'ny serasera hanoratra ny tsapany. ho an'i Lokman Mustafa, manantena izy fa mbola hihaona indray amin'ny anabavy tiany:

At this trying time, I find comfort and strength in the words of encouragement and consolation extended by colleagues, relatives and friends to me and my family.

But truthfully, we are prepared for Allah’s will, be it good or bad news.

My sister is a kind-hearted person, and I would miss her dearly if things turned out for the worst.

Have I said my last farewell to my beloved sister, the youngest among my siblings? Time will tell.

Ao anatin'izao fotoana fisedrana izao, mahazo hery sy tanjaka avy amin'ny teny fampaherezana sy fampiononana avy aùin'ny mpiara-miasa, olom-pantatra ary ny namako sy ny naman'ny fianakaviako aho.
Fa ny marina, efa vonona amin'ny sitrapon'i Allah izahay, na vaovao tsara izany na vaovao ratsy.
Olona tsara fo ny anabaviko, ary halahelo azy tokoa aho raha ho ratsy indrindra ny zava-mitranga.
Efa nanao ny veloma farany ho an'ny anabavy tiako ve aho, ny faravavy indrindra amin'ny mpiray tampo amiko? Ny fotoana no hilaza izany.

Maira Elizabeth Nari, izay lehiben'ny steward amin'ny MH370, ny rainy no misioka matetika ny faniriany lalina hihaona amin-drainy indray. Nisaorany ihany koa ny rehetra naneoma hafa-panohanana ho azy.

Malahelo azy tokoa aho.

Fantatrareo no mahatonga ahy mbola mahajoro? ireo fianakaviana, namana sy ianareo rehetra tsy mitsahatra ny manome fanohanana tsara sy mivavaka

Ceekay mihetsi-po tamin'ny lahatsoratra Twitter navoakan'i Maira:

Reading what Andrew's daughter tweeted yesterday brought tears to my eyes as I tried to remember when was the last time I met him and what was said between us as we parted for I, like everyone, take for granted that we will meet again on some other flight.

Nitera-dranomaso ahy ny nosoratan'ny zanakavavin'i Andrew tamin'ny siokantserasera omaly rehefa niezaka ny hahatsiary ny fotoana farany nihaonako aminy aho sy izay nifampiresahanay rehefa nifandao izahay, rehefa nieritreritra, tahaka ny rehetra, fa mbola hihaona indray amin'ny zotra hafa.

Miteraka aingam-panahy ny Malayziana maro hivondrona sy haneho firaisankina amin'ireo havana sy olom-pantatr'ireo mpandeha ny zotra ny MH370. Razlina Yakub manantena ny hisian'ny fahagagana:

I hope all Malaysians will keep imagining wonderful imaginations about our MH370.

But most of all, most important of all, never stop praying. Never give up hope, never give up.

I believe in miracles. Miracles happen.

When people have so many speculations, let us pray for a miracle, and our MH370 will come back, safe and sound.

Manantena aho fa mbola hitazona fieritreretana zavatra mahafinaritra momba ny MH370 ny Malayziana rehetra.
Fa ambonin'izany, ambonin'izany rehetra izany, aza mitsahatra ny mivavaka. Aza manary toky velively, aza mitsahatra.
Mino ny fahagagana aho. Mitranga ny fahagagana.
Raha mbola be fanombatombanana ny olona maro, andao isika hivavaka hisian'ny fahagagana, ary dia hiverina ny MH370ntsika, tsy maninon-tsy maninona. 

Santhini Subramanyah nandrisika ny rehetra mbola hanantena:

This note is especially dedicated to the Family members of the passenger who boarded the Malaysia Airlines flight MH370. No matter what happens never let go the rope of HOPE! Stay STRONG! I bet your loved ones wanted you to be that way.

Ity naoty ity dia natokana manokana ho an'ireo fianakavian'ny mpandeha izay nandray ny zotram-piaramanidina Malaysia Airlines MH370. Tsy maninona izay mitranga fa aza avotsotra ny ny tadin'ny fanantenana! mahereza! mahasahy miteny aho fa amin'izay fomba izay no tian'ireo tianao ataonao!

Ny diezy #PrayForMH370 no ampiasain'ny mpiserasera hampaherezana sy hanohanana ireo havan'ny mpandehan'ny MH370.

Miangavy ifampizarao aminay ny vavakareo ho an'ny #MH370

tsara izy izany

Tsy haninona anie

Sary mampihetsi-po: taratra jiro #MH370 natao tamin'ny fanorenana iray tao Shanghai tamin'ny Alarobia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.