Miala Sasatra Any Eoropa Ny Lehiben'ny Fampielezankevitr'i Rosia Nefa Ny Ady Mipoaka

Dmitry Kiselyov's crazy European vacation! Images remixed by author.

Ny fialantsasatra adaladalan'i Dmitry Kiselyov! Sary nafangaron'ny mpanoratra.

Betsaka no voalaza tao anatin'ny andro vitsivitsy momba ny fampielezankevitry ny fahitalavitra Rosiana, saingy mety ho sarotra ho an'ireo mpandàla tandrefana ny haka sary ao an-tsaina hoe hatraiza no fetra tratrany. Afa-tsy ho an'ny Amerikana — eto, mora ny fampitahàna. Alaivo sary ao an-tsaina fotsiny hoe ny tambajotram-pitsinjaram-baovao goavana (NBC, CBS, sy ABC), no samy tantanan'ny FOX News. Nefa, mety ho zavatra hafa ny ideolojia, saingy iza ry zalahy ao ambadika ao?

Dmitry Kiselyov. (Makes more sense than you might at first think). Images remixed by author.

Dmitry Kiselyov. (mihoatra lavitra noho izay mety ho azonao noeritreretina) . Sary nafangaron'ny mpanoratra

Rosia, tahaka an'i Etazonia, dia manana loha maro mpiketrika adihevitra azo isafidianana. Hatramin'ny fotoana vao haingana kely teo dia i Arkady Mamontov no iray faran'izay henjam-piteny tamin'izy ireny, izay nandefa voka-panadihadiana maro mitanila momba ireo Rosiana mpanohitra, mba tsy hitenenana betsaka. Kanefa, tamin'ny taona lasa, nisy lehilahy vaovao tonga nanelohelo ireo liberaly Rosiana. Dmitriy Kiselyov, izay tany aloha dia mpanolotra fandaharana, sady tsy liberaly no tsy mpifikitra amin'ny nentin-drazana, no lasa endriky ny Putnism rehefa notendrena ho lehiben'ny RIA News nasiam-panavaozana [tatitry ny Global Voices]. Ao aminy avokoa ny zavatra rehetra — ny fankahalàna ny olona mitovy nefa mifanambady, ny fihokoana, ny fankahalàna vahiny, sy izay tianao mbola apetraka, ananan'i Kisillyov daholo. Fony tao amin'ny fahitalavi-pirenena, nampahalaza azy ny niantsoany [ru] ny olona handoro ny fon'ireo pelaka tratry ny lozam-pifamoivoizana. Tao anaty tafatafa iray taty aoriana dia nekeny tamin'ny fomba ankolaka [ru] ny heloka bevava atao amin'ireo olona mitovy nefa mifanambady, raha toa izy ireny manao fihetsika “feno fihantsiana.”

"Hello, is this the morgue? Do you have any gay hearts?" says Kiselyov. Anonymous image found online.

Mahamenatra ireo fanamarihana lian-drà avy amin'i Kiselyov ao anatin'ity ‘meme’ ity. “Manakory, ny tranompaty ve izao? Manana fo avy amin'ny fatinà pelaka ve ianareo?” Sary tsy fanta-tompo hita tety anaty serasera

Ny feo malefak'i Kisilyov sy ny fombany misolantsolana dia mety hahatsiarovana ny iray nataon'i Glenn Beck, ary, toy ny nataon'i Beck, dia mandany ny betsaka amin'ny fotoany amin'ny resaka fitontongan'ny maoraly Eoropeana izy ao amin'ny onjam-peo. Izany no antony maha-eso azy nony injya ilay Rosiana bilaogera nanao sary [ru] an'i Kisilyov miala sasatra any Amsterdam. Eo ankilan'ny maha-“tanànan'ny fahavetavetàna” an'i Amsterdam, misy ihany koa ireo olana momba ny krizy iraisam-pirenena ankehitriny, ary ny toeran'i Kisilyov manoloana ny fikononkononan'ny Eoropeana hanafay an'i Rosia sy hamadika ny ankiziny rehetra ho lasa pelaka. Marobe ireo Rosiana bilaogera no nahita io esoeso io.

"This is my student," says Goebbels, pointing at Kiselyov. Anonymous image found online.

Ny lalàna maivamaivan'i Godwin. “Ity ny mpianatro,” hoy i Goebbels, manondro an'i Kiselyov. Sary tsy fanta-tompo hita tety anaty aterineto

Georgiy Alburov, mpikatroka iray mafàna fo amin'ny ady amin'ny kolikoly miara-miasa amin'i Alexey Navalny,  nibitsika hoe:

Goavana izany. Eo anelanelan'ny filazana tantaram-pahalòvana, Eoropa pelaka-mpanakavaka, Dmitry Kiselyov sy ny fianakaviany kosa mitangin-tsambo manodidina an'i Amsterdam.

Bilaogera iray hafa no nanondro mazava ny fankahalàn'i Kiselyov ny pelaka sy ny krizy ao Crimée :

Mbola ataon'ireo sodomita takalon'aina ao Amsterdam ve ny fianakavian'i Kiselev? Nahoana no tsy efa nananika ny andian-tafitsika?

Nanontany ihany koa ny antoko ofisialin'i DemVybor, Kirill Shulika, ny antony mbola nandehan'ny tena mpampiroborobo an'i Rosia niala sasatra any ivelany, sady nanome fanazavana mahafaty :

А что он в Крым отдыхать не поехал? В Сочи? В Анапу? Или он типа напоследок в ожидании санкций решил на педерастов посмотреть?

Naninona lery no tsy tany Crimée no nandeha? Sochi? Anapa? Sa ve niandry ny ho voasazy [tsy ho afaka misidina] mivezivezy lery, ka dia tiany ny mba hahita topimaso faramparany an'ireo pelaka ?

Saingy indrisy taraiky kely any aoriana ny Rosiana mpanohitra amin'ny dona ara-panahin'ny Twitter miezaka ny manindry aloka an'i Kremlin

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.