Vehivavy Ejipsiana: “Ampangino Ny Totozinao Ry Obama!”

Nivezivezy ny lahatsarin'ny vehivavy Ejipsiana mangataka amin'ny Filohan'i Etazonia Barak Obama hoe “shut up your mouse [mouth]” na “Akombony ny totozinao [vavanao]”:

Tao amin'ny lahatsary nisy vehivavy iray tsy voafaritra hoe iza nilaza fa manana hafatra ho an'i Obama. Avy eo izy nivadika niteny anglisy nanao hoe:

Listen your Obama. We are Egyptian women. You are listen Obama. Shut up your mouse [mouth] Obama. Shut up your mouse Obama. Sisi yes. Sisi yes. Morsi no. Morsi no.

Henoy ny Obamanareo. Vehivavy Ejipsiana izahay. [Mihaino] ianao ry Obama. Akombony ny totozinao [vavanao] ry Obama. Akombony ny totozinao ry Obama. Sisi eny. Sisi eny. Morsi tsia. Morsi tsia.

Sisi dia ny Marosaly Abdel Fattah El Sisi, komandin'ny tafika mitam-piadian ejipsiana izay efa dokadokafana ho ny filohan'ny firenena manaraka [hoavy] raha mpikambana ao amin'ny Mpirahalahy Miozolomana izay voahongana teo amin'ny prezidansa azony taorian'ny nihonganan'i Hosni Mubarak tamin'ny fanombohan'ny revolisiona ejipsiana.

Ary indro ny lahatsary efa nasiana fanamboarana tamin'ny alalan'ny famerimberenana votoaty:

Ary raha mbola tsy ampy izany, dia ity misy sary hampahatsiahy anao ny teny notsongaina:

Shut Up Your Mouse Obama!

Ampangino ny totozinao ry Obama!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.