Adin'i Rosia Ny Alin'ny Oscar

Sad DiCaprio selfie. Anonymous image found online.

“selfie” an'i Sad DiCaprio. Sary tsy fanta-tompo hita tety anaty aterineto.

“Manana mpiara-dia aminy anankiroa i Rosia, ny tafika an-tanety sy an-dranomasina,” hoy ny nosoratan'i [ru] @alcohistory, mpanao hatsikana ao amin'ny Twitter, mitanisa ny raikipohy malaza sy tsy azo iadian-kevitr'ilay Tsar Alexander III. “Manana mpiara-dia roa ihany koa i Okraina,” hoy izy nanampy, “Jared Leto sy ny sampam-pitsikilovana liberaly Rosiana.” Fitaratra ho an'ny Kabary Fanohanana Tsara indrindra  nandraisan'ilay Mpilalao an-tsehatra Leto izany tao amin'ny Oscars, izay nanamarihany ireo toe-draharaha mampiasa loha ao amin'ny saikinosin'i Crimée. Ity ampahany amin'ny kabariny ity dia notapahana avy amin'ilay tao amin'ny Oscar nasehon'ny fahitalavitra Rosiana ny andro taorian'io (izay tsy nahatandrina ny tsy hihanàhany tao amin'ny Twitter ).

Fa somary mahalasa saina, ny hany antony tokana mety nahafahana nanitsy ilay kabary voalohany indrindra, dia satria ilay lanonana tsy nalefa mivantana, tahaka izay efa niomanana tany ampiandohana. Ireo bilaogeran'ny RuNet dia nahamarika izany hatrany aloha tany, nanontany tena raha toa ka mety ho ny krizy Krimeana sy ny tahotra ny “fanozongozonana avy amin'ny tandrefana” no antony. Ora vitsy nialoha ny voatondro hanombohan'ny fampisehoana, ilay kingalahin'ny aterineto Rosiana, Anton Nosik, dia nanome rohy mankany aminà pejy Facebook [ru] an'ireo mpitsikera sarimihetsika Rosiana, izay noheverina hitantara ilay lanonana. Ilay mpitsikera, Yyri Gladilschikov, dia niteny fa nahazo antso avy amin'ny Channel One izy, nilaza taminy fa tapaka ny fifanarahana — na izany fandefasana mivantana, na ny fanehoankevitra. Miaraka amin'ny toe-draharaha henjana misy ao Okraina, nanoratra i Gladilschikov hoe tsy gaga tamin'izany,  :

Вообще-то я и сам сегодня думал: как это мы будем сидеть в студии все в розовеньком и обсуждать, кому достанется статуэтка, когда вокруг все катится в тартарары?

Raha ny marina, androany koa aho mba nisaina hoe : ahoana moa no ipetrahantsika ao anaty studio ao, mitafy mavokely, ary mampiady hevitra amin'izay hahazo ny loka, raha ny zavatra rehetra manodidina antsika mihazakazaka midina mankany amin'ny helo?

Nanontany tena i Nosik mikasika izay mety ho antony, tsy mividy izay manaitaitra tampoka avy amin'ny fahitalavitra fototra ao Rosia. Hoy izy nibilaogy[ru] hoe mety ho telo ny fanazavana azy: hetaheta hanitsy lanonana iray “saropady ara-politika” (tsy ny maivana indrindra satria Ellen DeGeneres; ilay lehilahy mitia lehilahy no nampiantrano izany ankarihary), ny hafa mamoaka ny hoe ho solon'io dia ny hetsika efa voaomana ao Crimée no mety hahazo ny fandrakofan'ny fahitalavitra Rosiana, na olana ara-teknika izay nahatonga ilay fampitàna mivantana tsy ho tanteraka. Nanomboka fitsapan-kevitra iray ihany koa i Nosik, hijerena hoe inona no mety ho ao an-tsain'ny maro amin'ireo mpamaky azy:

Nosik's poll.

Fitsapan-kevitr'i Nosik. Dikasary. “Naninona ny fampitàna mivantana no nofoanana? 1. Alavoly saropady ara-politika amin'ny zavatra misy amin'izao fotoana ireo 2. voaomana handeha amin'ny fotoana tokony handefasana ny ady ao Okraina 3. olana ara-teknika”

Araka ny hitantsika, olona mahay tsara ny resaka politika ireo mpamaky an'i Nosik — miaraka amin'ilay fanapahana ny kabarin'i Leto, misy tohan-kevitra kely hoe ilay antony voalohany no toa tahaka ny fanazavana azo raisina. Hany tokana niresaka tamim-keso an'i Okraina i Leto, ary ny kabariny no hany ampahany notapahana avy amin'ilay lanonana. (taoriana kely dia nanoratra i [ru] Nosik hoe mety ho ireo tonian-dahatsoratry ny Channel One no nandray ilay fanapahankevitra, olona izay nahatsapa fa farafaharatsiny mba nila nanapaka zavatra ry zareo ).

Mandritra izany, ny ankamaroan'ny tao amin'ny RuNet dia mbola niasa loha hatrany mikasika ny ao Crimée. Ity ny fampitahàna ny fiovaovan'ny “Oscars” sy “Crimea” teny anatin'ny vondrom-piarahamonin'ny Twitter amin'ny fiteny Anglisy sy Rosiana:

Oscars, Crimea, and Ukraine. Russian search results on top. Topsy analytics. Screenshot.

Oscars, Crimée, ary Okraina. ery an-tampony ny voka-pikarohana amin'ny fiteny Rosiana. Fandalinan'ny Topsy. Dikasary

Mazava loatra, nitoetra ho ny vaovaon'iny andro iny ny krizy ao Crimée — na dia nisy aza ny fiakarana kely tamin'ny resaka momba ny Oscar tao amin'ny RuNet, bitika io miohatra amin'ny vokatra azo amin'ny fiteny Anglisy. Izany akory tsy milaza hoe tsy nandaitra tamin'ireo Rosiana ny tantara niseho iny alina iny. Marobe toy ny ambiny rehetra taty anaty aterineto ihany, tsy avy niaina ny RuNet niandry hahita hoe nahita làlana ihany i Leonardo DiCaprio sa tsia tamin'ny farany. Tsy nahita izy, hoy ny bilaogera iray tao amin'ny bitsika nalefany :

Члены Академии, должно быть, заядлые интернет-тролли, ибо решили не лишать нас вечных шуток про Ди Каприо и Оскар, и дали награду другому

— ОЛЕНЬ (@climbingstar) March 3, 2014

Tsy maintsy hivadika ‘trolls’ ety anaty aterineto ihany ireo mpikambana ao amin'ny Akademia, satria nanapa-kevitra ry zareo ireo fa tsy hanapaka ny fanolorana zavatra mahatsikaiky ho antsika amin'ny hanihany tsy manam-pahataperana momba an'i DiCaprio sy ny Oscars, ary nomeny olona hafa ilay maripankasitrahana

Miaraka amin'ny toe-draharaha mbola mitohy miha-henjana ao Crimée, tena faran'izay tsara ho an'ny tsirairay ny mitazona ny maha-hanihany ny hanihany :

A visual reference to the Sochi Olympic opening ceremony. If there was also some reference to Ukraine, it would be a trifecta of recent news stories. Anonymous image found online.

fanehoana an-tsary ny lanonam-panokafana ny lalao Olaimpika tao Sochi. Raha nisy firesahana an'i Okraina tany anaty Twitter, ity no mety teloizay iray hahalaza tsara ireo tantara vao haingana tato ho ato. Sary tsy fanta-tompo hita tety anaty aterineto.

"How did the ceremony go?" Anonymous image found online.

“Dia ahoana, nanao ahoana ny fandehan'ny lanonana tao?” Sary tsy fanta-tompo hita tety anaty aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.