Manameloka Ny “Xinjiang Mpampihorohoro” Noho Ny Fanafihana Nahafatesana Olona Tao Kunming i Shina

Niampanga ireo mpikatroka avy ao amin'ny faritra andrefana ao Xinjiang tamin'ny vono-olona tao amin'ny garam-piaran-dalamby tao an-tanànan'i Kunming, atsimo-andrefan'i Shina ny manampahefana tao Kunming. Olona 29 no namoy ny ainy ary maherin'ny 130 ireo naratra tamin'ny fanafihana tamin'ny 1 Marsa araka ny filazan'ny sampana fampahalalam-baovaom-panjakana Xinhua.

Nifanojo tamin'ny fahatongavan'ireo solombavambahoaka manerana ny firenena tao Beijing tamin'ny fivoriana faharoan'ny Kongresy Nasionalim-bahoaka faha-12 ny fanafihana, fivoriana fanaon'ny parlemanta isan-taona, izay nisokatra tamin'ny 5 Marsa.

Nilaza ny governemantan'i Kunming fa “ireo hery separista Xinjiang no nitarika ny fanafihana fampihorohoroana niteraka vono-olona tao amin'ny garan'ny fiaran-dalambin'i Kunming.” Namariparitra ny loza ho “fanafihana fampihorohoroana nalamina sy nomanina mialoha” ny sampana fampahalalam-baovaom-panjakana Xinjiang.

The Kunming attack has left 29 dead. (photo from Sina Weibo)

29 no namoy ny ainy tamin'ny fanafihana tao Kunming. (Sary avy amin'ny Sina Weibo)

Tsy vao sambany ny sampam-baovaom-panjakana sy ny manampahefana ao an-toerana  no namariparitra ireo trangan-javatra mahery vaika ho fihetsika fampihorohoroana. Namadika ny heloka vono-olona ataon'ny olo-tokana ho heloka iombonan'ireo foko vitsy an'isa ity famaritana ofisialy ity ary niafara tamin'ny fanomezana anarana azy ireo ho ahiahiana ho mpampihorohoro. Tamin'ny Oktobra 2013, niantso ny foko Miozolomana Uyghur izay nisy iray nametraka ny fiarany hipoaka tao amin'ny faritra be olona tao amin'ny kianjan'i Tiananmen ho mpampihorohoro mpamono olona ny manampahefana Shinoa. Taorian'ny fifandonana tao Tiananmen, nanamafy ny filaminana tao Xinjiang i Shina.

Tao amin'ny Sina Weibo, nanjary lohahevitra niadian-kevitra be indrindra tamin'ny 2 Mey 2013 ny herisetra tao Kunming. Namariparitra ny antsipirihan'izay zava-nitranga ny sasany tamin'ireo nanatri-maso, na dia efa voafafa haingana aza ny ankamaroan'ireo lahatsoratra.

Na dia niteraka fankahalana tsy araka ny tokony ho izy amin'ireo mpiserasera Xinjiang aza ny fametahan'ny governemanta anarana hoe “Xinjiang mpampihorohoro”, nampitandrina ireo manam-pahaizana sasany mba tsy hametaka ho mpampihorohoro amin'ny vahoaka Xinjiang.

Mpanao gazety mivantambatam-piteny, Li Chengpeng nanoratra hoe [zh]:

无论是谁,无论出于何种目的,无论什么种族,选择火车站这种人流密集场所,目标对准无辜的平民,这等邪恶,这种不择手段制造影响,其心必诛,必下地狱

Tsy maninona na iza, na noho ny antony inona, na foko inona, no nisafidy toerana be olona tahaka ny garan-dalamby, ary mikendry ireo olona tsy manan-tsiny- ratsy toetra izy ireo ary tokony hoany amin'ny helo.

 Olom-pirenena teratany Xinjiang “vicki” nanoratra hoe:

从昨晚开始在各种网络媒体都看到昆明事件,为此感到非常难过,但是做为新疆人不得不声讨个别媒体同胞,恐怖分子是被世界所排斥的,不能够代表新疆一个地域!请大家别把屎盆子扣在自己同胞头上!新疆为昆明死难者默哀!

Halina teo, nahita ny loza tao Kunming tamin'ny tambajotra sy media isan-karazany isika, mahatsiaro malahelo aho, saingy amin'ny maha-olona avy ao Xinjiang ahy, dia tsy maintsy miteny zavatra aho. Efa nahifik'izao tontolo izao ny mpampihorohoro, tsy afa-misolotena ny faritra manontolo ao Xinjiang izy (mpampihorohoro)! Azafady, atsaharo ity fametahana anarana amin'ny namanareo ity! Fotoanan'ny fahanginana hoan'ireo niharam-boina tao Kunming avy ao Xinjiang !

Manam-pahaizana mpikaroka momba ny Media “Du Zijian” nanoratra hoe: 

我不支持新闻媒体在报道中添加的“新疆”两个字。恐怖分子就是恐怖分子,是全人类的人渣;跟民族和地域都毫无关联。这个标签不对,这样的标签是一种地域撕裂甚至是民族撕裂。我反对!

Tsy mahazaka ny voambolana « Xinjiang » izay nivoaka tamin'ny vaovao aho. Mpampihorohoro ny mpampihorohoro, faikan'olombelona;.. tsy tokony ampifandraisina aminà firenena na faritra izany. Tsy rariny izany fametaha-marika izany, manimba ny firenena manontolo ny fametahana anarana tahaka izany. Manohitra aho!

 Mpiserasera malaza “Jiazhuang zap niuyue” nanoratra hoe

请不要把对恐怖分子的愤怒,扭曲成对一个民族的恐惧和隔膜,那正是他们想要的效果。请不要把对暴力的还击,扭曲成对一个民族的歧视和敌意,那正是他们想要的效果。

Azafady mba aza alefa any amin'ny fampitahorana sy fisaraham-bazana firenena iray manontolo ny fahatezeranareo amin'ny mpampihorohoro, satria izany no tadiavin'izy ireo. Azafady, aza avadika ho fanavakavahana sy fandrafiana firenena iray ny ady ataonareo amin'ny herisetra, satria izany no tadiavin'izy ireo.

Bilaogy Qiwenlv naneho hevitra hoe:

面对恐怖袭击,我们不应将此迁怒于新疆人或维吾尔族,而应该去审视造成这一切悲剧背后的根源。没有人希望看到无辜民众被恐怖分子屠杀,但是抛开事情的原因而仅仅追究结果,是找不到出路的。

Manoloana ireo fanafihan'ny mpampihorohoro, tsy tokony alefa any amin'ny vahoakan'i Xinjiang na Uighur ny fahatezerantsika, fa tokony handinika kosa ny antony niavian'ity voina ity. Tsy misy olona maniry hahita olona tsy manan-tsiny ho aripaky ny mpampihorohoro, fa tsy hahitana lalana hivoahana ny fametrahana ankilabao ny antony mahatonga izany fa mitady vokatra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.