Pôrtô Rikô : Fankalazana Ny Faha-Zato Taona Nahaterahan'ny Poeta Julia de Burgos

Julia de Burgos

Julia de Burgos. Dikasary avy taminà  lahatsary.

Mifandraika aminà fanangonana ny Hiran'ny Fahamarinana Tsotra : Tononkalo Feno an'i Julia de Burgos amin'ny fiteny anankiroa ny lohateny nomena amin'ny teny Angilsy.

Nanamarika ny faha-zato taonan'ny nahaterahan'i Julia de Burgos (1914-1953), poeta Pôrtô Rikana izay heverin'ny maro fa poeta nasionaly, ny 17 Febroary. Na dia tsy betsaka loatra aza anefa ny asa-sorany fa eo amin'ny tononkalo 200 eo dia nahasintona ny saina sy nahakasika ny fon'ny mpamaky hatramin'ny nivoahan'ny bokin-tononkalony vita printy voalohany, Poemas exactos a mí misma tamin'ny 1937.

Tsy namoaka boky afa-tsy telo ihany i De Burgos nandritra ny androm-piainany :  Poemas exactos a mí misma [Tononkalo Marina Ho Ahy] ilay efa voalaza tetsy aloha, Poemas en veinte surcos [Tononkalo in-droapolo mizara, 1938], and Canción de la verdad sencilla [Hiran'ny Fahamarinana Tsotra, 1939]. Navoaka taorian'ny fahafatesany tamin'ny 1954, teo amin'ny faha-39 taonany kosa ny bokiny fahaefatra, Mar y tú y otros poemas [Ny Ranomasina Sy Ianao Ary Ireo Tononkalo Hafa]. Nametraka ny asa-sorany hitoetra maharitra eo an'ivon'ny Tononkalo Latino Amerikana tsara indrindra tamin'ny taonjato faha-20 ny haavon'ny kalitaon'ny tononkalon'i Burgo.

Teraka tany Carolina, Pôrtô Rikô i Julia de Burgos, ary izy irery ihany no nanaraka fianarana ambony tamin'izy 13 mpiray tam-po. Na dia tsy nahavita ny fianarany aza izy, dia nahazo ny taratasy fahazahoana mampianatra tao amin'ny Oniversiten'i Pôrtô Rikô. Niditra tao amin'ny sampana vehivavin'ny Antoko Tia Tanindrazana Pôrtô Rikana, ny “Zanakavavin'ny Fahafahana” izy, izay niady ho an'ny fahaleovantenan'i Pôrtô Rikô tamin'ny andron'i Pedro Albizu Campos tamin'ny 1936. Nandany ny androm-piainany tany Kiobà sy New York izay toerana nahafatesany noho ny aretin-tratra (Pneumonie) nahazo azy tamin'ny 1953 izy. Koa satria tsy nisy taratasy nahafantarana azy tamin'ny fotoana nahafatesany dia nalevina tany amin'ny fasam-bahiny tany New York izy. Tato aoriana noho ny nahafantaran'ireo namana ilay fasana sy ny nangatahan'izy ireo ny vatany dia nafindra tao amin'ny toeram-pandevenana tany Caroline ny taolam-balony. 

Tonga tsy afaka ao an-tsain'ny Pôrtô Rikana maro i De Burgos na ireo eto amin'ny nosy izany na ireo any am-pielezana. Novakian'ny Pôrtô Rikana any New York ato amin'ity lahatsary manaraka ity ny andalana vitsivitsy amin'ny iray amin'ireo tononkalo malazan'i Burgos, “Yo misma fui mi ruta” (Izaho ihany no làlako).

Tany ivelan'i Pôrtô Rikô no nanaovana ny ankamaroan'ireo hetsika  fahatsiarovana ny faha-zato taonan'ny nahaterahan'i Burgos araka ny lahatsoratra nosoratan'i José Gómez Biamón tao amin'ny aterineto El Post Antillano [es] : 

[…] En el ámbito del Caribe Hispano, ha habido actividades, que demuestran un gran interés por el centenario, según se ha visto en la prensa recientemente. Específicamente, en la República Dominicana han develado un busto en honor a Julia de Burgos, en una plaza de la capital dominicana. Además, en Cuba la editorial Casa de las Américas ha expresado comunicados de júbilo, por la celebración del centenario. Igualmente, en los Estados Unidos ha habido varias actividades culturales, específicamente recuerdo ver en la prensa las fotos de un vistoso mosaico en una Calle del “Barrio” en Harlem, New York. Cabe mencionar, que en España, durante los últimos meses, también ha habido actividades y varias publicaciones relacionadas con Julia de Burgos.

[…] Raha ny fandihinina ny zava-nitranga vao haingana tany amin'ny haino aman-jery dia nisy hetsika natao nanaporofo ny fahalinana be amin'io faha-zato taona io tany Karaiba miteny Espaniola. Indrindra ny tany amin'ny Repoblika Dominikana, nisy sary vongana ho fanomezam-boninahitra an'i Julia de Burgos hita tao aminà Toerana iray tany amin'ny renivohitr'i Dominikana. Ankoatra izay, tany Kiobà, nizara ny hafatra fankalazàna ny fahazato taona ny fikambanana ara-kolotsaina Casa de las Américas. Tahaka izany ihany koa, nisy karazana hetsika samihafa ara-kolotsaina natao tany Etazonia ; singanina amin'izany, tadidiko nahita sary an-drindrina manintona aho teny amin'ny làlana iray tao “El Barrio,” any Harlem, New York. Mety milaza ihany koa io fa hisy karazana hetsika sy filazana ny momba an'i Julia de Burgos any Espaina afaka volana vitsivitsy.

Na dia izany aza dia tsara homarihina fa nisy hetsika maro ho fahatsiarovana sy fankalazana [es], toy ny valan-dresaka sy rindrankira, natao ihany koa tany Pôrtô Rikô.

Nahatsiaro an'i Julia izay mpamorona ankafiziny ilay Pôrtô Rikana mpihira sady mpamorona, Zoraida Santiago ao aminà lahatsoratra iray ao amin'ny 80 Grados [es] : 

Este año hay mucha celebración de centenario. Sinceramente, me alegro. Pero espero que nos sirva para algo.

Que la celebración del centenario de Julia de Burgos nos sirva para rescatar la poesía. La suya y la de todos y todas las poetas.

Nankalazaina an-kalalahana ny faha-zato taona tamin'ity taona ity. Tena sambatra aho. Manantena aho fa hisy tanjona ity fankalazana ity.
Antenaiko fa hatao hamonjena ny asa fanoratana tononkalo ny fankalazana ny faha-zato taonan'ny nahaterahan'i Julia de Burgos.  Ny azy sy ny an'ireo maro hafa.

Mampitandrina i Juan Camacho, ao amin'ny lahatsoratra ao amin'ny bilaoginy momba an'i Julia de Burgos ny mety hampietry ny fahatsiarovana azy ho amin'ny fandokolokoana azy ho poeta bohemiana izay fohy andro niainana sady nampahonena :

Como cualquier ser humano de su época y de la nuestra, Julia enfrentó problemas e inconvenientes en el transcurso de su vida. Unos los pudo vencer, otros no. No obstante, entendemos que es injusto que se le recuerde, más allá del consenso de su calidad como poetisa, como la mujer fracasada, alcohólica, excesivamente romántica y pasional, enajenada de la realidad.

Julia fue más que un poema romántico; fue más que una relación amorosa; fue más que una mujer que enfrentó problemas.

Es hora de rescatar, sin que tengamos que reescribir la historia, a la otra Julia. A la otra Julia que también reclama la joven escritora Yolanda Arroyo Pizarro cuando escribe:

“Quiero conocer a la Julia revoltosa y desobediente; a la Julia de la rebelión, la que se codeó con Don Pedro Albizu Campos; que escribió cartas a favor de la excarcelación de Juan Antonio Corretjer; aquella que sostenía reuniones con grandes pensadores y libertarios como Juan Bosch…”

Nisedra olana maro toy ny olon-drehetra tamin'ny fotoan'androny na isika amin'izao fotoana izao i Julia nandritra ny androm-piainany. Mety voavahany ny sasany tamin'ireny fa ny hafa kosa tsia. Na dia izany aza ankoatry ny fifanarahana amin'ny maha-poety tena tsara azy , dia tsy rariny kosa ny hahatsiarovana azy ho mpisotro, mpanonofy sy mpankafy, ary manalavitra ny zava-misy marina. 

Manoatra noho ny poeta mpanonofy, noho ny fampirafesana  ara-pitiavana i Julia, mihoatra lavitra noho ny vehivavy misedra olana izy.
Fotoana hanavotana ilay Julia hafa izao, tsy ilàna fanoratana indray ny tantara. Ilay Julia notadiavin'ilay tanora mpanoratra Yolanda Arroyo Pizarro raha nanoratra izy hoe :
“Tiako ho fantatra ilay Julia tsy voafehy sy tsy mpanara-dalàna ; ilay Julia mpikomy, ilay iray nanome tàn-tsoroka an'i Don Pedro Albizu Campos ; ilay iray izay nanoratra taratasy miady ho an'ny fanafahana an'i Juan Antonio Corretjer avy any am-ponja; ilay iray izay nifanerasera tamin'ireo mpisaina lehibe sy ireo mpiady ho an'ny fahalalahana toa an'i Juan Bosch…”

Angamba i Luis Rafael Sánchez [es] Pôrtô Rikana mpanoratra no nanasongadina tsara ny antony sy ny fomba hahatsiarovantsika an'i Julia de Burgos :

Alargada en el espíritu de cuantos admiramos su hembría insurgente, enroscado su nombre en los labios de a quienes nos deslumbra su universo hecho de verso, a Julia de Burgos la llamaremos Poeta ahora, después y siempre. Y no porque la recordemos. Y sí porque la sentimos. Que como un grito integral, suave y profundo, estalló de sus labios la palabra.

Mirafitra ao anatin'ny fanahin'ireo mpankafy ny fikomiany amin'ny maha-vehivavy azy, dia tsy afaka eny molotr'ireo nivanàka noho ny  tontolon'ny tononkalony ny anarany, lazaintsika fa Poeta i Julia de Burgos ankehitriny, rahampitso ary ho mandrakizay. Tsy noho ny fahatsiarovanay azy, fa noho ny fahatsapanay azy. Miboiboika amin'ny molony tahaka ilay voalohan-tomany, tsotra malefaka sady lalina ny teniny.

Ho hitanao eto ireo vaovao momba an'i Julia de Burgos [es].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.