Venezoela : Mirongatra Ny Herisetra, Mitohy Ny Hetsi-panoherana

Manifestantes esquivan gases lacrimógenos lanzados por la Guardia Nacional. 19 de febrero, 2014. Altamira, Caracas. Foto de Sergio Alvarez, copyright Demotix.

Ireo mpanao fihetsiketsehana miala ny baomba mandatsa-dranomaso alefan'ny tafika. 19 Febroary 2014. Altamira, Caracas. Avy amin'i Sergio Álvarez, fizakàmanana Demotix

Nanomboka nitatitra ireo tsy fanarahan-dalàna ataon'ny mpitandro filaminana, ny tafika ary ireo vondron'olon-tsotra mitàm-piadiana mandeha amin'ny moto ireo mpiserasera amin'ny aterineto taorian'ny nilazan'ny Filoha Venezoeliana Nicolás Maduro tao amin'ny haino aman-jerim-pirenena fa handray fepetra manokana mba hifehezana ny hetsi-panoherana any amin'ny fanjakan'i Táchira izy.

Misedra olana ara-toekarena, politika, sosialy i Venezoela, izany no mahatonga ireo mponina an'arivony hidina an-dàlambe haneho [es] ny tsy hafaliany. Efa herinandro mahery izay no nanaovan'ny vahoaka Venezoeliana hetsi-panoherana faobe, ary hatreto dia olona dimy no maty, an-jatony no maratra ary olona maro naiditra am-ponja.

Nampiasain'ireo mpanohitra sy ireo vavolombelon'ny famoretana isan'andro ataon'ireo herim-pamoretana ny Twitter sy ny Facebook tamin'ny 19 Febroary. Nefa tsy zava-baovao intsony izany hatramin'ny nandefasan'ny sampam-pikarohan'ny gazety Últimas Noticias ilay lahatsary malaza mampiseho ireo mpitandro filaminana miafin'ny SEBIN ( Sampam-pitsikilovana Bolivariana) hita tamin'ny fotoana sy teo amin'ny toerana nahitana ireo olona maty tamin'ny 12 Febroary lasa teo.  

Asehon'ity lahatsary youtube ity ireo ekipan'ny tafika Boliviana (GNB raha ny fiandohan-teny amin'ny teny Espaniola) mandrava izay rehetra hitany eny amin'ny làlany tao Valencia, renivohitry ny fanjakan'i Carabobo, eo amin'ny 250 km miala an'i Caracas.

Zarain'i Ortega Brothers ny sary mampiseho ny zava-miseho any Valencia.

Avy any amin'ny ilany atsinanana sy ny faritra ao afovoan-tanàna no fiavian'ny ankamaroan'ny tatitra any Caracas. Raha ny marina dia tany Altamira, nitrangan'ny ankamaroan'ireny hetsika an-dàlambe ireny no nanombohan'ny famoretana. Tsy ny zavatra iainany ao an-tanàna ihany no tantarain'i José Márquez ao amin'ny kaontiny Twitter fa lazainy ao ihany koa ny fanipazan'ny GNB baomba mandatsa-dranomaso efa lany andro eny amin'ireo mpanao fihetsiketsehana.

Baomba mandatsa-dranomaso efa lany andro tamin'ny 2010 no natsipin'ny GNB taty Altamira androany 19 Febroary. 

Ireo mpiserasera sasany indray dia nandefa lahatsary nitatitra ny hoe sady voatafiky ny herim-pamoretana ry zareo no voatafik'ireo lehilahy mitondra fitaovam-piadiana mandeha moto.

Tahaka izany ihany koa, tantarain'ireo mponina ny herisetra iainan'ny vahoaka any amin'ny faritra atsinanan'i Caracas. Zarain'i Carlos Bruguera ao amin'ny Twitter fa na dia tsy misy mpanao fihetsiketsehana aza manodidina eo dia nampiharana herisetra ry zareo.

Mivezivezy eny amin'ny Araben'i Rómulo Gallegos ny GNB, ary manipy baomba sy mitifitra ny tranobe. Tsara  marihina fa tsy nisy mpanao fihetsiketsehana teo. Fa inona ary ity !?

Tantarain'i Jorge Estevez ihany koa ny zava-niseho :

Minitra vitsivitsy izay, nisy GNB tsy fanta-pihaviana niampita ny araben'i Rómulo Gallegos ary nitifitra. 

Namafisin'ireo olona sasany fa misy vondrona mitàm-piadiana mamely ireo tranobe.

 Miantso vonjy sy mitantara izay hitan'ny masony i Carmela Longo : 

Vonjeo ! misy mitifitra ireo tranobe aty Horizonte

Kanefa i Luigino Bracci nitatitra hoe ireo mpanao fihetiketsehana no nihantsy ny tafika : 

Minitra vitsy lasa izay, nihantsy ny GNB tamin'ny fanipazana tsipoapoaka teny amin'ny araben'i Rómulo Gallegos ny mpanohitra tany Montecristo

Ny afovoan-tanàna ao Caracas no tena voaporitra indrindra. Nizara lahatsary roa izay toa naneho ireo tafika nitifitra olona ary namela lehilahy maratra iray teo amin'ny arabe ( Tandremo : mety misy sary mahery setra ity lahatsary ity)  ireo mpiserasera nandritra ny alina.

 

Na dia tsy misy vaovao ôfisialy aza momba izay nahazo ireto olon-tsotra ireto dia hamafisin'ny kaonty Twitter-n'ny El Universitario [es] fa olona roa no maty. 

Olona roa no voamarina fa maty nandritra ilay hetsi-panoherana ny alina teo tany Caracas : ny iray tany La Candelaria ary ny iray tany amin'ny Araben'i Panteón.

Vaovao farany : Taterin'i Alba Ciudad fa “nolazain'i Altagracia Anzola, mpanao gazety mpanadihady momba ny heloka bevava, miasa ho an'ny gazetin'ny mpanohitra El Nuevo País, ao amin'ny kaontiny Twitter fa velona ireo olona roa ireo ary efa navoaka ny hopitaly ny iray.”

Miaina rivotra mafana toy izany ihany koa ireo fanjakana sasany. Ambaran'ireo mponina fa fitondràna amin'ny tany misy hotakotaka ny any  Táchira, ary lazain'ireo sasany mpiserasera amin'ny aterineto fa tapaka tolotra aterineto any aminy.

Mitatitra momba io toe-draharaha io ‘i Marc Bonet. 

Tsy misy aterineto sy tsy misy jiro izao ny faritra maro eto Táchira. Eny an'arabe ny tafika. Tsy nambara nefa iainana ny fitondrana amin'ny tany misy hotakotaka.

Zarain'i Frases Únicas ny sary iray momba ny zava-misy ao Táchira. 

Sakan-dàlana eny amin'ny araben'i Carabobo, Tachira. Eo am-piandrasana ny fanafihan'ny GNB avy any Faro. Tsy handohalika i Táchira.

Ampiasain'ireo mponina sasany ny kaonty Twitter-ny mba hanaovana fandalinana fohy momba ny firongatr'ilay herisetra. Iray amin'ireny i Sinar Alvarado, izay manamafy fa mety hihamafy ny famoretana raha toa ka mahatsiaro ho tandindonin-doza governemanta.

Arakaraky ny fahatsapany ny fandrahonana no hamafin'ny herisetra ataon'ny Chavismo [mpanohana ny governemanta].

Notsikerain'ny sasany fa tsy norakofan'ny fahitalavi-panjakana Venezoelana (VTV) ireo hetsika ireo. Namafisin'i Victor Amaya (@VictorAmaya) ao amin'ny kaontiny Twitter izany : 

Tantarain-dry zareo ao amin'ny VTV fa notafihin'ny mpanao jadona ankavanana ireo fiara fitateram-bahoaka, fa tsy nasiany resaka ny momba ireo maty voatifitra sy ny naratra. Fiara fitaterana mahantra.

Farany, izao no lazain'i Audrey M. Dacosta ao amin'ny bilaogy Caracas Chronicles momba ilay hetsika tamin'ny 19 Febroary : 

Nodikaina ny tsipika mena. Niseho amin'izay ny tena herisetra amin'izay ny herisetra izay nisolo toerana ireo herisetra am-bava sy tsy mbola mihotrika efa nahazo antsika hatramin'ny 1999. 

Nandany 15 taona natahorana izany isika.

Ankehitriny iainantsika ilay izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.