Ataon'ny Rosiana Ho Fitaovam-Piadiana Ny Photoshop

A Russian boot kicked out the US-Israeli war machine before it can reach Ukraine. Image anonymously circulated online.

Baoty Rosiana mandaka ny mili-piadiana Israelo-Etazonia mialoha ny hahatrarany an'i Okraina. Sarin'olo-tsy fantatra mivezivezy an-tserasera.

Koa satria moa mananontanona ny ady eo amin'i Rosia sy Okraina, tsy mahagaga raha miditra amin'ny gidragidra eo amin'ny tontolon'ny aterineto ny bilaogera rosiana, mifandona ivelan'ny sehatr'ilay krizy. Amin'ny maha-ady mitam-piadiana azy, hafanain'ny fihetseham-po ireny fifapitorahana ireny ary manimba mihitsy aza. Efa nampihantona amin'ny fomba ofisialy [ru] ny fanehoa-kevitry ny mpamakiny rehetra ny vavahadin-tserasera rosiana malaza Lenta.ru, raha mbola mitoetra ny fifanenjanana any Crimea. Ao amin'ny fanazavana [ru] navoaka tao amin'ny Facebook ny talen'ny Lenta.ru, Galina Timchenko, no nilaza fa izy no nanapa-kevitra nanao izany, noho ny tsy itiavany mandany ny volan'ny orinasa amin'ny fanohanana ara-bola ny “zon'ny mpamaky hangery amin'ny fanehoa-kevitsika.”

Noho ny antony voalaza ankolaka nahatonga ny fanakatonana ny fanehoa-kevitra ao amin'ny Lenta.ru, dia narefotry ny mpiserasera aterineto rosiana tamin'ny fanehoa-kevitra momba ny fifandonana ao Crimea ny tontolon'ny tranonkala. Koa satria mandeha haingana dia haingana ny tohivakam-baovaon'ny Twitter ary miova malaky dia malaky ny vaovao hahafahan'ny tsy famahanam-bilaogy hitoetra maharitra kokoa, dia iray amin'ny fomba mahomby indrindra hitodihan'ny fifantohana ny fampiasana fampitan-kevitra efa tranainy: sariitatra politika. Raha tsara fanahy isika ka mampiditra ao anatin'ny famaritana ny sariitatra politika ny endrika fampihomehezana an-tsary rehetra ifanakalozana an-tserasera, dia azo lazaina fa mety ny milaza hoe nataon'ny blaogera rosiana ho fitaovam-piadiana ny Photoshop amin'ny adihevitra momba an'i Okraina.

Iray amin'ny sariitatra politika mahatsikaiky indrindra ifanakalozana an-tserasera ny fanoritsoritana ny [Anjelin'ny] Fahafatesana mitety varavarana miaraka amin'ny antsy lava zarany feno rà. Hita androany tao amin'ny siokantseraseran'i Ira Zak (fanafohezana anarana, raha ny fijery azy) ny sariitatr'ilay [Anjelin'ny] Fahafatesana, rehefa nandefa izany tany amin'ilay blaogera pro-Kremlin malaza Anton Korobkov [ru] izy. Tonga dia mahazava azy tsara ilay sariitatra anti-Amerikana:

Korobkov: Ny Amerikana miantso antsika ho “Ampiran'ny Ratsy,” fa isika kosa hiantso azy ireo ho “Ampiran'ny Lainga.”
Zak: Misy ihany koa ny fomba hafa azo ilazana azy… Eritreretiko ho mitovy amin'izao izany: [sary]

Rehefa nanaparitaka ity sary ao amin'ny kaonty Twitter ity ny “RuNet Memes” ao amin'ny Akon'i RuNet Twitter, nitsipona azy amin'ny BuzzFeed i Miriam Elder, nampita azy an-tsiokantserasera miaraka amin'ny soratra hoe “Fiverenan'ny propagandin'ny vanim-potoana Sovietika”:

Fiverenan'ny propagandin'ny vanim-potoana Sovietika

Araka ny hita moa dia mampiverina any amin'ny roapolo taona lasa nandritra ny fotoanan'ny Firaisana Sovietika ilay sariitatra politika izay tarataratra fa niainga avy any amin'ny Vanim-potoana maoderina Afovoany Atsinananat. David Guy, blaogera pro-Israeliana ao amin'ny “Five Minutes for Israel,” [Dimy minitra ho an'Israely] nanambara fa noforonina hitsikerana ny anjara toeran'ny hetsika Wahhabi nandritra ny Lohataona Arabo ny sariitatra tamin'ny voalohany. Raha ny marina, nanamarika ny mpisera Twitter maro fa voaloko saina Israeliana eo amin'ny sarin'ilay antsim-bilona lava zaran'ilay [Anjelin'ny] Fahafatesana nosiahana tao amin'ny Korobkov. (Nefa azo eritreretina ihany koa fa mety mametraka izay fihetseham-po mankahala an'i Israely izay ihany koa ny namoaka ity sariitatra ity hampifandray azy amin'ny raharahan'i Okraina, fa toa diso toerana ny Kintan'i Davida amin'ny fitsikeran'ny Rosiana amin'ny ankapobeny ny politikan'i Etazonia any Eoropa, izay tsy tena mamely ny fanjakan'Israely, ka mametraka fa mety ho sisa tavela tamin'ny zavatra taloha ho an'ny Tontolo Arabo izy io.)

Raha mety tsy manampaka ara-tantara eo amin'ny Rosiana izay mampifandrohy tokoa an'i Crimea amin'i Moskoa, dia azon'ny hafa nampiasaina nakan'ny hafa aingampanahy koa ny valiny. Mety hahazo vahana amin'izany ny mpitsikera ny fananiham-bohitra ara-miaramila rosiana, izay mametraka an'i Rosia ho [Anjelin'ny] Fahafatesana, ary ireo varavarana misokatra ho ireo vava ady efa nataon'i Rosia teo aloha: (ankavia miankavanana) Kaokazy, Tsetsenina, Dagestan, Abkhazia, Ossetia Avaratra [sic], ary Okraina:

Tsara kokoa ity iray ity

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.