Nankalaza ny andro nahaterahan'ilay vehivavy Pôrtôrikàna mpanao tononkalo Julia de Burgos (1914-1953) izahay tao anatin'ny fifanakalozan-kevitra (forum) natokana hampiroboroboana ny fahalalaham-pitenenana manerana izao tontolo izao tamin'ny 17 Febroary lasa teo.
Mahafantatra ny olona rehetra izay efa namaky ny tononkalony na ny lahatsoratra tsotra nosoratany fa teraka ivelan'ny fifanarahana rehetra ny feony. Ity ohatra amin'izany:
Yo misma fui mi ruta
Ny tenako ihany no lalana manokana ho ahy.
Yo quise ser como los hombres quisieron que yo fuese:
Niezaka ho lasa araka izay itiavan'ny lehilahy ahy aho.
un intento de vida;
Traikefan'ny fiainana
un juego al escondite con mi ser.
Lalao ankiafina miaraka amiko
Pero yo estaba hecha de présentes,
Teo aho, notefen'ny androaniko
y mis pies planos sobre la tierra promisoria
Ary ny tongotro mahitsy tsara ao amin'ny tany nampanantenana
no resistían caminar hacia atrás,
Mandà hiverin-dalana
y seguían adelante, adulante,
mandroso ihany, mandroso hatrany
burlando las cenizas para alcanzar el beso
Tsy miraharaha ny lavenona mba
de los senderos nuevos.
Hanoroka lalam-baovao.
A cada paso adelantado en mi ruta hacia el frente ,
Isaky ny dingana vaovao amin'ny lalako
rasgaba mis espaldas el aleteo desperado
Ireo daroka mamoy fo ataon'ireo vatan-kazo antitra
de los troncos viejos.
Nandrovitra ny lamosiko.
Pero la rama estaba desprendida para semper,
Saingy lasa mandrakizay ny ratsany,
y a cada nuevo azote la mirada mía
Manala ny fijeriko ny fijaliana vaovao
se separaba más y más y más de los lejanos
Isaky ny misy, miampy hatrany
horizontes aprendidos:
Faravodilanitra fantatra.
mi rostro iba tomando la expresión que le venía de adentro,
Nanjary mitovy an'izay tao anatiny tao ny endriko,
la expresión definida que asomaba un sentimiento
sarin'ny fanafahana lalina tanteraka
de liberación íntima;
Vokatry ny fifandanjana vaovao
eo amin'ny fiainako
un sentimiento que surgía
Sy ny marina amin'ny orok'ireo lalam-baovao
del equilibrio sostenido entre mi vida
y la verdad del beso de los senderos nuevos.
Ya definido mi rumbo en el presente,
Raha vao voafaritra ny fisiako ankehitriny
me sentí brote de todos los suelos de la tierra,
Reko mitsiry ato anatiko ireo tany rehetra eto an-tany
de los suelos sin historia,
Ireo tany tsy manan-tantara, ireo tany tsy manana hoavy
de los suelos sin porvenir,
Ireo tany, tany fotsiny, tsy manana morondrenirano itodiana
del suelo siempre suelo sin oreilles
Ny an'ireo lehilahy nandritra ny vanim-potoana rehetra
de todos los hombres y de todas las épocas.
Y fui toda en mí como fue en mí la vida…
Ary tato anatiko tanteraka aho tahaka ny fiainana ato anatiko
Raha mbola velona teo i Julia de Burgos, dia mety ho nahatratra tanjona tsy novisavisaina ny asany maha-mpanoratra, mpanao gazety, sy mpikatroka ara-tsosialy, izay notontosaina tsy voafetran-tsisintany misy azy fantatra kokoa amin'ny anarana hoe diáspora boricua (mpiavy avy ao Porto-Riko). Nahafantatra tsara izany hoe fifindra-monina izany i Julia, nonina vetivety tao Kiobà izy ary niditra tamin'ny sehatra kolontsaina sy politikan'ny diaspora. Amin'ny maha-Portorikàna sy Amerikana-Latina azy ao New York, raha mbola velona izy dia tsy nampamirapiratra tamin'ny hajian'ny paositra 26 cents [en] amin'ny sokajin'ny Kanton'ny Haisoratra ao amin'ny sampan-draharahan'ny paositra ao Etazonia ny endriny. Tsy ho namoha ny fahalianana poetikan'ireo mpamaky an'arivony ireo taratasy an'arivony [nivezivezy].
Libby Juliá Vázquez naneho tsara izany tao amin'ny gazetiboky antserasera being Latino [en]:
La réputation et la gloire de Julia de Burgos sont arrivés à titre posthume, comme cela se produit habituellement pour les esprits les plus créateurs en ce monde….
Tonga taorian'ny fahafatesany ny laza sy ny voninahitr'i Julia de Burgos, toa mateti-pitranga amin'ireo saina tena mahay mamorona indrindra eto an-tany izany…
Izany no fahafatesana, hanova ny sasany ho anganongano tsy azo tsapain-tanana. Ary satria nahafinaritra i Julia, satria manamafy izany ny tononkalony, tsy mety ritra ny tantarany miendrika angano.
Faranako amin'ny tononkalony “Poema para mi muerte” ( Tononkalo amin'ny fahafatesako), novakian'ny zanakavavin'ny mpiray tampò aminy: Consuelo Sáez de Burgos. ¡Gracias Julia !
Que nadie me profane la muerte con sollozos
Aoka Tsy hisy olona hanimbazimba ny fahafatesako amin'ny toloko
Ni me arropen por siempre con inocente tierra
Na mampanonofy ahy hatrany tany tsy manan-tsiny
Que en el libre momento me dejen libremente
Ka amin'ny fotoanan'ny fahafahana, avela malalaka aho
De disponer de la única libertad del planeta
Mametraka eo am-pelantanana ny fahalalahana tokana an'ny planetantsika
Julia de Burgos
Manomboka anio, hizara vaovao momba ny zavatra saintsainina manokana ao amin'ny am-pielezan'i Pôrtô-Rikô aho, izay mivoaka ao amin'ny kanto ara-maso, ny haisoratra sy ny tetikasa rehetra mitondra zava-baovao ka manampy amin'ny fihazonana ny “fifandanjana manokana an'izao tontolo izao”.