Nosamborin'ny Fanjakana Shinoa i Ilham Tohti, Mpisolovava Am-Pilaminana ireo Uyghur Vitsy An'isa

Free Ilham Tohti! by Twitter user @HisOvalness

Avoahy i ilham Tohti! avy amin'i @HisOvalness, ilay mpanao sariitatra ara-politika nalaina tao amin'ny Twitter

Nosamborina ny 15 Janoary sady nampangain'ny Globa Times mpitondra tenin'ny antoko Kaominista Shinoa (CCP) ho mpampisara-bazana i Ilham Tohti, ilay Uyghur manampahaizana sady mpisolovava miady ho amin'ny fampihavanam-poko.  Satria nanao fanentanana momba azy ireo manam-pahaizana Shinoa maro, dia efa manomboka mahalala tsikelikely ny momba azy ireo mponina any ivelan'i Shina, eny fa na dia ny fikambanan'ny mpiray fiaviana monina any ivelany aza. Vitsy ireo mahatakatra ny ifandraisan'ny fisamborana azy sy ny mety hisian'ny ady tsy azo sitranina eo amin'ny Silamo vitsy an'isa sy ny Shinoa Han maro an'isa.

Nanambara ny Global Times tao amin'ilay laharana nivoaka ny 18 Janoary fa manana fifandraisana amin'ny Kaongresy Manerantanin'ny Uyghur i Ilham, fikambanana any ivelany izay sokajian'ny CCP ho faran'izay mpampisara-bazana. Nilaza ihany koa ilay tatitra fa nanosika ireo mpianatra tao amin'ny kilasy nisy azy izy sy nanaparitaka honohono tao amin'ny aterineton'ny Uyghur, “Uyghur Online”, vohikala iray noforoniny hiatrehana ireo olana ara-poko ao Shina miainga amin'ny fomba fijery Uyghur.

Tsy dia tsara loatra ny fifandraisan'ny mponina Uyghur, izay monina any amin'ny faritr'i Xinjing, andrefan'i Shina ny ankamaroany, sy ny governemanta Shinoa. Tamin'izany fotoana dia tena  nahitàna rà nandrika mihitsy ny fifandonana nisy tamin'ireo Uyghur mpikatroka mafàna fo sy ny manampahefana.    

Araky ny hita ao amin'ny fanangonan-tsonia ety anaty aterineto  hitakiana ny fanafahana an'i Ilham, izay efa nahatràrana sonia 1.200 hatramin'ny 22 Janoary, toheriny ny herisetra ary tsy manohana ny fahaleovantenan'i Xinjiang izy. 

Hatramin'ny fotoana nisamboràna azy, tsy afaka nidirana intsony ny tranonkalan'i Ilham ary efa nofoanana koa ny fijerena ny mombamomba azy. Wen Yunchao, izay nanampy tamin'ny fametrahana ilay fanangonan-tsonia ety tanaty aterineto, no namerina nampakatra indray ny mombamomba azy izay nalaina avy amin'ilay efa tamin'ny taona 2011. Araky ny voalazan'ilay lahatsoratra,  teraka ny taona 1969 i Ilham ary mpikambana tinaizan'ny Antoko kominista Shinoa ny Rainy. Kanefa, nodimandry teo amin'ny faha 28 taonany tamin'ny 1971 noho ny Revolisiona Kolotoraly. Samy niasa tao amin’ ny biraon'ny fiarovana avokoa ny zokiny lahy roa.

Tao amin'ny Oniversite Dongbei Normal University no nahazoany ny Diplaomany avy ao  amin'ny Oniversite Foibe Ao Minzhu, sampana Toekarena. Nanomboka nanao ny fikarohany mikasika ny olan'ny fampianarana ireo tambanivolo vitsy an'isa sy ny fampivoarana ara-toekarena tao amin'ny Ivontoeram-pikarohana ara-toekarena tao amin'ny Oniversiten'i Minzhu izy, no sady nampiasa vola tao amin'ny tsenan'ny fanondranana sy ny Orinasa vaventy nandritra izany fotoana izany.
Ny Febroary 1997, niafara tamin'ny famoretana mahery vaika nataon'ny polisy ilay hetsika am-pilaminana natao tao amin'ny tanànan'i Yining, faritra Avaratra Andrefan'i Xinjiang. Nanomboka tamin'izay ny politikan'ny governemanta dia nanapa-kevitra ny hanimba ny “Hery telo”-n'ny fampisaraham-bazana, ny fivavahana ary ny herisetra. Nahilikilika ireo Uyghur manam-pahaizana izay nanakiana ilay politika henjan'ny governemanta, isan'ireny i Ilham, izay nahafantatra fa tsy afaka intsony hamoaka ny voka-pikarohany izy ny taona 1999. Teo anelanelan'ny 1999 sy ny 2003, nesorina taminy ihany koa ny zony maha mpampianatry ny Oniversite azy ka dia nandany ny fotoanany nivezivezy  tany Afovoany Atsinanana, Rosia ary Azia Avaratra izy hanampy ireo Orinasa Shinoa hampiroborobo ny fandraharahan'izy ireo sy nanadihady ny fifandraisana ara-poko any amin'ireo faritra ireo. Nanatri-maso ny rà mandrika voka-dratsin'ny adim-poko izy ary naniry ny tsy hitrangan'ny toy izany ao Shina.

Tamin'ny finoana fa hitondra ho amin'ny firindran'ny fiarahamonina ny fampandrosoana ara-tsosialy, toekarena ary kolotoraly, hatramin'ny fifanakalozan-kevitra mahomby eo amin'ny samy foko, no antony nanapahany hevitra hanangana ny Uyghur Online na Uyghur anaty Aterineto ny faran'ny taona 2005 ho toy ny sehatra iray hifanakalozana fomba fijery ao amin'ireo foko Shinoa Han sy Uyghur hevitra.
Kanefa, ny korontan'ny 5 Jolay tao amin'ny renivohitr'i Urumqi ny taona 2009, no vao mainka nmadika ho politika ny tsy fifanarahana teo amin'ny Shinoa Han sy ny Uyghur, ary ho fanapahana izany tsingerina ratsy izany , nalefany ilay fanentanana hoe  “Fampihavanana ara-poko” mba hankalazàna ny tsingerintaonan'ilay faha-5 Jolay ary nikarakara fandaharanasa fifanakalozana ho an'ireo ankizy avy aminà fianakaviana Han sy Uyghur izy. Uyghur Online koa dia natao hiresahana ireo olana ara-tsosialy toy ny fitadiavana zaza Uyghur very.

Tao amin'ny Filazana ny mombamomba azy, no nanakianan'i Ilham am-pahibemaso ilay hetsika mpampisara-bazana :

今天的新疆,以及其他的地方,民族问题在特殊的时代成为前所未有的特殊考验。无论是基于情感还是基于理性,我都很难接受其中的任何一部分被分离出去。

Miatrika fanamby miavaka mifamatotra amin'ny resaka foko ny faritr'i Xinjing, ary ireo faritra hafa ao aminy ankehitriny. Raha samy jerena avokoa na ny ara-pihetseham-po na ny maha olona, tsy ekeko ny hisarasarahan'ny faritra [hiala amin'i Shina].

解决民族问题,只能从探索民族自治之路的方向着眼,使中国成为一个多民族多元文化的、具有强大吸引力的国家。

Ny fijerena akaiky ny fahaleovantenan'ny foko tsirairay no lalàna iray hamahàna ireo olana momba ny foko. Mety hanamora ny hahatonga an'i Shina ho firenena be karazanà foko sy hanana fahasamihafàna ara-kolotoraly io.

中国宪法中关于民族自治的规定,为多民族多元文化的并存和发展提供了良好的框架,但在实践层面,还需要逐渐摸索探讨,在法律法规上逐步落实。我们应当勇于借鉴国外各种成功经验中的规律,总结出适合中国的办法。

Miaro ny fahaleovantena ara-poko ny lalam-panorenana ao Shina ary mamatsy tontolom-pivoarana eo amin'ny sehatry ny fahasamihafana ara-kolotoraly, ara-poko. Ilaintsika ny mitrandraka  tsikelikely ny fahafahana mampihatra izany sy mametraka azy ho anaty lalàna. Tokony ho sahy isika maka ny traikefa niainan'ireo firenena hafa ary manamboatra làlana ho an'i Shina.

Ho fanatsiniana ny fiampangana nataon'ny Global Times an'i Ilham ho nandrisika ny mpianany, mpianatra iray avy amin'ny Han no nampakatra lahatsoratra lavabe miendrika sary tao amin'ny Sina Weibo, ilay vohikala malaza fitorahana bilaogy kiritika. Nofafana haingana ilay lahatsoratra, kanefa misy tahirin'izany ao amin'ny Flickr :

大三的時候吧,我上了他的選修課,新疆可持續發展戰略與研究。[…] 課堂上我是唯一一個漢族學生,每次進教室的時候,我都覺得格各不入,但是他非常和善並且讓我感受到一種格外的尊重。後來他說,那是一個維族老師對一個在新疆經濟發展課題上願意真正思考的漢族學生的尊重。

再後來他辦了維吾爾在綫,做學術研究,建救助站,幫很多被誘拐在全國各地當小偷的維族孩子回家。我們有時候會聯擊一下 […] 我不相信任何媒體對他的描述定義和評價。

Tamin'izaho teo amin'ny taona fahatelo teny amin'ny anjerimanontolo, nisafidy ny hanaraka ny lalam-piofanany mikasika ny tetikadim-pampandrosoana maharitra aho tao amin'ny Xinjiang […] Izaho ihany no hany Han mpianatra tao an-dakilasy ary mahatsiaro tena ho lasa an-jorony aho isaky ny tonga ao an'efitrano fianarana. Kanefa tena noraisiny tsara aho tamin'izany ary dia nahatsiaro tena ho nohajaina tokoa. Taorian'izany, nohazavainy tamiko [ny fihetsiny tamiko] fa amin'ny maha Uyghur mpampianatra ny tenany, dia hajainy ny Han mpianatra izay liana amin'ny resaka fampandrosoana ara-toekarena ao Xinjiang.

Taorian'izany, nanangana ilay  Uyghur Online izy, nanao fikarohana, nanangana tobim-panampiana ny vondrom-piarahamonina ary nanampy ireo ankizy Uyghur nalaina an-keriny hiverina any amin'ny fonenany tsirairay avy.  Nifandray matetika hatrany izahay taorian'izany[…] tsy mino ny zavatra rehetra lazain'ny haino aman-jery momba azy mihitsy aho.

他是我的老師,是我認識的,最有人格魅力的人。如果非要我說,他當不了政治家,也不是一個革命者。他是一個勇士。

Mpampianatra ahy izy, olona fantatro, mahatarika. Raha toa ka tsy maintsy hanome mpamaritra azy aho, dia hoy aho hoe tsy mpanao politika velively izy , tsy revolisionista ihany koa. Fa olona iray manam-pahasahiana.

Ilay fitakiana anaty aterneto dia mitaky ireo manam-pahefana hamoaka an'i Ilham na farafaharatsiny hilaza ireo fandikan-dalàna nambara ho nataony ary hamela ny fianakaviany sy mpisolovava iray tendrena mba hihaona aminy. Namoaka fanambarana iray  ny vadin'i Ilhamn ny 20 Janoary nitaky ny hamoahana ireo mpianatra efatra izay voasambotra ihany koa ny 15 Janoary.

Raha te-hahalala bebe kokoa momba io tantara io avy amin'ny Global Voices Advocacy, jereo ny China: Free Ilham Tohti — Support Ethnic Reconciliation.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.