SARIPIKA: Hafatra Hoan'Izao Tontolo Izao Avy Amin'ny #AB14

Ny sary rehetra eto dia nalain'i Amer Sweidan nandritra ny Fihaonan'ny Bilaogera Arabo 2014 tao Amman, ao Jordania. Soritsoritan'i Amer eto ambany ny fizotry ny fiarahamiasa amin'ny tetikasa.

Nikarakara zaikakelim-pamoahankevitra (brainstorming) ireo mpanakanto vitsivitsy tamin'ny Fihaonan'ny Bilaogera Arabo, ny tanjon'izany dia ny ahatongavana aminà tetikasa ara-java-kanto ifandrimbonana mba haseho tamin'ny androm-pihaonana farany. Izany no niavian'ny hevitra hanaovana andian-tsary.

 

"Equality and Justice"

“Fitovian-jo sy ny rariny”

Ny hevitr'ity tetikasa ity dia ny hiara-hitondra ny feontsika, maneho hafatra samihafa hoan'ny fanovana sy hampiseho fa fiarahamonina iray ihany isika na dia eo aza ny fahasamihafantsika.
 
The revolution is personal

“Zavatry ny tena manokana ny revolisiona.”

Nangataka tamin'ny mpandray anjara tsirairay avy aho mba hanoratra fehezanteny iray maneho taratra ny tolon'izy ireo na ny fanantenan'izy ireo amin'ny maha-mpanao gazety, bilaogera na mpikatroka azy. Ka nanoratra ireto tamin'ny endrika sorakaliana i Ahmed Asery avy eo.
 
"It is we who challenge the government, not the other way around."

“Isika no mihaika ny governemanta, fa tsy ny mifamadika amin'izany”.

 
Ny fanamby lehibe indrindra nandritra ny fotoana nakàna sary dia ny mampita ny hevitry ny lohahevitra sy manao  izay itarafana izany amin'ny endrik'izy ireo mba hananana sary manintona sy maneho hevitra. Voatery nangataka tamin'ireo mpandray anjara tsirairay avy aho mba hihazona ny fanambarany, maka fotoana, ary handinika momba izany. Amin'izay fotoana izay, mety hivoaka eny ivelany ireo hafatra sy eritreritra, ary hanampy hampitana ny hafatr'ireo mpandray anjara.
 
 
"Stop killing and targeting journalists."

“Atsaharo ny famonoana sy ny manao lasibatra ny mpanao gazety..”

Raha jerena ny fotoana fohy nananako hanatanterahana ny tetikasa, ny tsy fahampian'ny fitaovana sy ny toerana, afa-po tamin'ny vokatra ihany aho. Afa-po aho tamin'ny fiarahamiasan'ny mpandray anjara, ny fanampian'i 7iber nandritra ny fakàn-tsary, ny fanampian'i Ahmed Asery tamin'ny sorakaliana, ary ny fientanam-pon'ireo mpandray anjara.
 
 
Amer Sweidan AB14 series
 
 
Tsidiho ny habak'i Amer  raha hijery ireo andian-tsary rehetra. Voaaro amin'ny zon'ny mpamorona avokoa ireo sary rehetra ireo. Navoakanay ireto sary ireto rehefa nahazoan-dalana avy amin'i Amer.
 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.