Resabe Mikasika Ny Fanomezana Vàhana Ny Zanak'Ilay Shinoa Malaza Mpamokatra Sarimihetsika, Zhang Yimou

Chinese government's propaganda posters on one child policy. Photo taken by @kattebelletje CC: AT-NC

Peta-drindrina avy amin'ny governemanta Shinoa momba ny politikan'ny zaza tokana nataony. Sary nalain'i @kattebelletje CC: AT-NC

Ilay Shinoa malaza mpamokatra sarimihetsika Zhang Yimou dia naneho fialantsiny tamin'ny fandikàny ny lalàna momba ny tokana, tamin'ny fanekena fa telo ny zanany amin'ilay vadiny ankehitriny.

Ny tatitra mivoaka tety anaty aterineto teo alohaloha teo ny volana Mey 2013 dia milaza fa mety ho niteraka zaza fito izy raha kely indrindra, kanefa noho ny maro amin'ireo zaza ireo zanany tamin'ny vadiny taloha sy fiarahana tamin'ny olona hafa, ary ilay lalàna momba ny zaza tokana dia miainga avy amin'ny fifehezana ny vatan'ny vehivavy, mazàna ny rain-jaza no afa-tsiny manoloana ny lalàna. Satria ny tatitra farany nanambara fa manam-janaka telo i Zhang amin'ilay vadiny amin'izao fotoana, voatery izy noho izany hiaiky ampahibemaso fa nandika ny lalànan'ny fandrindràna fiainam-pianakaviana. 

Tao Shina no nanombohan'i Zhang ny asany tamin-kasarotana, nisy tamin'ireo lahatsariny voalohany no voarara tao Shina ny taona 1980 noho ny firesahany loha-hevitra sahisahy, kanefa taorian'izay izy dia nahazo loka maro be ary lasa nifandray akaiky tamin'ireo mpitondra fanjakana. Voafidy hitarika ny fanokafana ny lalao Olympikan'i Beijing izy ny taona 2008.

Tonga tao anatin'ny fotoana anomanan'i Shina hanalefahanka ny politikan'ny zaza tokana ny fialan-tsinin'i Zhang, hahafahan'ny mpivady miteraka fanindroany, raha toa ka zaza tokana ny iray amin'ireo mpivady. Ny lalàna misy amin'izao fotoana izao mantsy raha tsy samy zaza tokana ny mpivady tsy afaka miteraka roa. 

Ilay fanovàna nambara ny volana lasa teo no fanalefahana azo tsapain-tànana raha ny fifehezan'ny mpitondra ny vahoakany tato antin'ny efa ho taompolo telo. Kanefa, ny tranga toy ny an'i Zhang sy ireo hafa toa azy dia niteraka fanahiana hoe natao ho an'ny olo-malaza sy ny mpanankarena ihany ilay zo amin'ny fananàna anaka ao Shina satria izy ireo no afaka handoa ny sazy amin'izany. Mahazo ny zo feno atlotry ny lalàna ny zanak'izy ireo, kanefa ny vehivavy izay tsy manana ny ho enti-manana amin'izany dia voatery manala ny zanany. Izany tsy fitovian-jo izany no isan'ny mampiakatra ny hatezeran'ny mponina amin'ny tombotsoan'ny mpanankarena sy ny olona ambony.

Araky ny lalàna, sy maintsy mandoa hetra sosialy fanonerana izany izay kajiana araka ny karama raisiny isan-taona ireo olona manitsakitsaka ny lalànan'ny zaza tokana. Raha kajiana izany ny tokony naloan'i Zhang, araky ny nambaran'ny “People's Daily”, gazety an'ny fanjakana, dia tafakatra hatramin'ny 160 tapitrisa Yuans (eo amin'ny 26 tapitrisa dolara eo), raha hiainga eo amin'ny vola niditra tamin'i Zhang ny taona 2004 araky ny navoakan'ilay filazam-baovao, izay efa ho 80 tapitrisa yuans (12,8 tapitrisa dolara Amerikana).

Mpanoratra fanda-daza Wu Gou, no nanakiana an'i Zhang tao amin'ilay vohikala malaza Sina Weibo tao amin'ilay lahatsoratra nampitondrainy ny lohateny hoe “Mampiseho mibaribary ny fihantsiana ny lalànan'ny fiarahamonina ataon'ireo vato nasondrotry ny tany ao Shina ilay raharaha”:

【张艺谋事件明白无误地显示了当下中国精英的犬儒主义】这些比普遍公民有着更多影响力的精英,心里都知道计划生育违背人道、人权,但他们从来不敢运用他们的影响力发声,推动变革,而是选择偷偷摸摸“超生”,与计生当局达到暧昧的默契。

Fantatr'ireo vato nasondrotry ny tany ireo toy ny olon-tsotra rehetra rahateo fa nanisakisaka ny maha-olombelona sy ny zon'olombelona ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, kanefa tsy mbola sahy nijoro nanohitra izany sy nanosika ho amin'ny fanovàna ry zareo. Ny nataony aza, manaiky tsy satry ilay fandrindrana ny fiainam-pianakaviana sy misafidy ny hanan-janaka ivelan'ny tokantrano [ tsy miatrika ankarihary akory ilay politika tsy rariny].

Satria niresaka olana sosialy marobe ireo lahatsarin'i Zhang tany aloha, nankamamian'ny mpanao hetsika avy eny ifotony izy. Kanefa, tao anatin'ny taompol roa nisesy izao, dia nikedrena ireo tsena lehibe kokoa ny lahatsariny ary very toerana.  Ilay tanora mpisolovava, Young Lewis dia nanoratra tao amin'ny Weibo fa manahirana tsy hay hoe ratsy sa tsara ny toerana misy an'i Zhang amin'izao fotoana izao sady namadika ny vahoaka:

人民给张艺谋再多的支持,张转身就投靠权贵,想当年张的作品被打压他被封杀,人民给予他的支持那么多,他转身就去拍所谓的大片以及劳民伤财的开幕式,把人民丢弃。

Manohana mafy an'i Zhang ny olona, saingy aleony ny olona ambony. Tamin'ny fotoana nandraràn'ny fanjakana tsy handefasana ireo sarimihetsika novokariny taona maro lasa izay, betsaka ireo olon-tsotra no nanohana azy. Kanefa avy eo navelany teo ny olona tamin'ny nanaovany sarimihetsika malaza sy be mpividy ary lanonam-panokafana ny lalao Olaimpika be korontana.

Wang Xuming, ilay mpitondra tenin'ilay Minisitry ny Fampianarana tao Shina fahiny, dia nanontany tena ny amin'ny fomba nataon'i Zhang nahazoany sata manokana tany amin'ny  manampahefana misahana ny fanoratàna ny isan-jaza :

据报道张艺谋、陈婷两人的三个子女均在婚前已出生,属非婚生育。有关人士认为,该问问当地户政部门,新生儿入户的办理标准是否一致?对张艺谋的孩子是否网开一面。问得好!我想弱弱的问句艺谋谋艺谋得好,莫非谋人也高人一筹?谋艺叫艺谋,谋人叫阴谋。是什么阴谋让管户口的管计生的都下水?

Misy ny filazana hoe i Zhang sy ireo zanany telo amin'ilay vadiny amin'izao fotoana izao dia teraka ivelan'ny mariazy. Manontany ny sasany amin'ireo mpanakiana raha toa tsy mitanila ny manam-pahefana ao an-toerana misahana ny fanoratana ny zaza vao teraka. Nomen'izy ireo sata tsy ho voasazy ve i Zhang ? Te-hanontany moramora an'i Zhang aho ny amin'ny fomba nataony hahazoana famotsorana tamin'ireo manampahefana. Ahoana no nataony hitarihana ho anaty rano maloto ireo manampahefana misahana ny fanoratana ny zaza teraka?

Koa satria zo fototra amin'ny maha olombelona ny fananàna anaka, manana ny mpanohana azy ihany koa i Zhang. Ohatra iray, tao amin'ilay tafatafa niarahana tamin'ilay mpanao gazety avy ao amin'ny ifeng.com ‘ , hoy ilay mpahay toekarena, Hu Shizhi, nanolo-kevitra :

①生育是与生俱来的权利,张艺谋能逃脱计生,该为他们高兴。②该道歉的不是张艺谋,而是计生官员。 ③如果法律本身就是恶法,还机械地要求法律面前人人平等,就是在纵容恶。

1.Tokony hifaly isika mahita an'i Zhang afaka niala tamin'ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, satria zo amin'ny maha olona ny fananàna anaka. 2. tsy tokony i Zhang no hiala tsiny, fa ireo tompon'andraikitra amin'ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. 3. Hadisoana azo tsiniana raha toa isika hikiry hitaky ny fitoviana eo anoloan'ny lalàna, lalàna izay tsy ara-dalàna rahateo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.