Mbola Tsy Nisoratra Anarana? Ampidiro Ny Bilaoginao Amin'ilay Fifaninanana BilaogyTsara Indrindra (Bobs)

Misokatra indray hoan'ireo bilaogera manoratra amin'ny teny efatrambinifolo sy sokajy marobe ny fifaninanana fanao isan-taona karakarain'ny Deutsche Welle. Ny fifaninanana – Best of Online Activism (Fikatrohana Antserasera Tsara Indrindra) – dia mikendry hampiroborobo ny fahalalaham-pitenena sy ny fanajana ny zon'Olombelona ato amin'ny Aterineto sy manerana izao tontolo izao. Amin'ny Forum Manerantany momba ny Media (Deutsche Welle Global Media Forum) amin'ny volana Jiona no hanolorana ny loka hoan'izay mpandresy .

Fara-fisoratana anarana:  5 Marsa 2014

Aiza no misoratra anarana: ao amin'ny pejim-baovaon'izy ireo. Fanampim-baovao momba ny fitsipika ATO

Sokajy:

  • Bilaogy tsara indrindra- mitady bilaogy fakàn-tahaka amin'ny fampiroboroboana sy fiarovana ny zon'Olombelona ary ny fanomezan-tsehatra ny adihevitra misokatra mikasika ny lohahevitra lehibe indrindra momba ny sosialy sy ny vahoaka.
  • Zava-baovao tsara indrindra – vahaolana rindrambaiko, fampihatra na sehatra amin'ny aterineto izay natokana hanomezana teknolojia hahafahan'ny olona hampivoatra ny fiarahamonina sy ny fidirana ao anaty fiarahamonina demaokratika.
  • Fikatrohana ara-tsosialy tsara indrindra – mitady bilaogy fakàn-tahaka amin'ny fampiasana tsara ny media sosialy, tambajotra sy karazam-pifandraisana nomerika hafa mba hanamafisana ny demaokrasia, fahalalahana sy ny zon'Olombelona .
  • Loka Reporters Without Borders- bilaogy izay mijoro tsara hoan'ny fahalalahan'ny vaovao sy ny fanehoan-kevitra manerantany. Midera ireo bilaogera izay sahy manaparitaka vaovao ao anatin'ny toe-draharaha mampatahotra ihany koa ity. 
  • Loka Global Media Forum – habaka izay mandinika ny fifampiankinana, fifampifandraisana sy ny  fandraisana anjara izay mitaona sy mampihetsika ny fampiharana ny demaokratika. .
  • Izay Mahay mamorona sy Orizinaly indrindra - habaka manana fomba fijery mahay mamorona sy mampialavoly mikasika lohahevitra matotra. Tsipihina manokana ny fomba vaovao sy mahatalanjona, ny fitantarana sy fanehoana lohahevitra mari-pototra ara-tsosialy. Omena lanja manokana ihany koa ny fanehoana hita maso sy ny ara-java-kanto.

Misy ihany koa ny sokajin-teny Manokana mitady habaka mendrika indrindra amin'iray amin'ireo teny 14 azo ampiasaina (jereo eto ambany). Hoy izy ireo: «Omena lanja manokana ireo habaka izay mitarika adihevitra sy manome fanadihadiana avo kalitao ary fanehoan-kevitra mikasika ny zava-misy ankehitriny. Tsy misy fetra ireo karazana habaka azo ekena amin'ny sokajin-teny manokana.». Mety ahitana bilaogy, habaka, bilaogy madinika, lahatsary ary fandraketam-peo (podcast) ny votoaty avoaka amin'izany.

Teny ekena:

Arabo

Bengali

Shinoa

Anglisy

Frantsay

Alemaina

Hindi

Indoneziana

Persiana

Portiogey

Rosiana

Espaniola

Tiorka

Okrainiana

 

MAHAVITÀ SOA!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.