Nipoahan'ny Baomba Fanindroany Ny Tranon'ny Lehiben'ny Mpanohitra Zimbaboeana Tendai Biti

Zimbabwe's former finance minister Tendai Biti.

Minisitry ny Teti-bola teo aloha tao Zimbaboe, Tendai Biti. Sary avy amin'ny Chatham House, navoaka tamin'ny alalan'ny Creative Common.

Voalaza fa nisy nanapoaka baomba ny tranon'ny minisitry ny Teti-bola teo aloha tao Zimbaboe, Tendai Biti ny marainan'ny 25 Febroary 2014, araka ny nambaran'ireo mpiserasera Twitter sy trano fampahalalam-baovao. Iray amin'ireo mpikambana lohandohany ao amin'ny Hetsiky ny mpanohitra hoan'ny Fanovana Demaokratika izy ary anisan'ny mpitsikera mafy ny filoha Robert Mugabe.

Sekretera Jeneralin'ny Hetsika Hoan'ny Fanovana Demaokratika tarihan'ny Praiminisitra teo aloha Morgan Tsvangirai i Biti. Efa nisy nanapoaka baomba ny tranony tamin'ny taona 2011. Tsy mbola nisy fisamborana olona ahiahiana tamin'izany hatramin'izao.

Voalaza fa nisy nanapoaka baomba … indray ny tranon'i Tendai Biti

Nipoahan'ny baomba ny tranon-dasantsin'i Biti ao Harare

Mampalahelo ratsy sy fahadalana izany rehetra izany. Tsy maka na iza na iza aho. Bob [Filoha Robert Mugabe] mihinana poakatsaka (popcorn) sy mamazivazy momba ny herisetra politika .

mety nahita irika tamin'ny mofomamy mahazatra amin'ny tsingerintaona nahaterahana tao anaty tavoahangy izy ireo [nankalaza ny tsingerintaona nahaterahany ny filoha Mugabe tamin'ny 21 Febroary 2014] sy kapoaka nampiasaina hanamboarana baomba

Manana ny anjara “hooligan” ny antokon'ny mpanohitra eto amintsika, saingy andraikitry ny sampam-piarovana ny Fanjakana ny resaka baomba solitany.

Na dia maro aza ny olona toa miahiahy ny governemanta, nilaza ny mpisera Twitter iray, tinashe chirape fa ny mpanohitra ao Amin'ny Hetsika Hoan'ny Fanovana Demaokratika ihany no nahavita izany (MDC):

Manjaka indray ve ny herisetra ao amin'ny MDC (Hetsiky ny Mpanohitra Hoan'ny Fanovana Demaokratika)? Napoakan'i Tsvangirai [lehiben'ny MDC) ny tranon'i Biti mba ..

Mpisera iray nilaza fa sandoka ny vaovao momba ny fipoahana:

Diso! tavoahangy natsipy tao am-bavahady tamin'ny fandalovan'ny ankizy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.