Dera Ho An'ireo Olaimpiana Avy Ao Azia Atsimo-Atsinanana

Yohan Goncalves Goutt representing East Timor in the Men's Slalom event.

Yohan Goncalves Goutt solontenan'i Timor Atsinanana tamin'ny taranja Slalom Lehilahy.

Tsy misy ranomandry any Filipina sy Timor Atsinanana saingy nanana solontena kosa ireto firenena roa ao Atsimo-Atsinanan'i Azia ireto tamin'ny lalao Olaimpika fanao amin'ny Andro Ririnina 2014 tao Sochi izay nifarana tsy ela akory izao. i Yohan Goncalves Goutt, izay tafita tamin'ny fiadian-toerana tamin'ny Slalom Lehilahy, no Timorezy mpanao fanatanjahantena voalohany indrindra nandray anjara tamin'ny Lalao Olaimpika fanao amin'ny Andro Ririnina. Nandritr'io fotoana io , Michael Martinez avy ao Filipina no voalohany indrindra tamin'ny mpandihy ambony ranomandry avy any Azia Atsimo-Atsinanana tamin'ilay Lalao.

Nanangana ny federasionan'ny fikorisàna ambony ranomandry tao Timor Atsinanana i Yohan East ary nanangona 75.000 dolara mba hanatanterahany ny nofinofy Olaimpikany. Nifanintsana tamin'ny Lalao izy, nahavita hatramin'ny farany ny hazakazaka, ary tafiditra ho faha-43 amin'ny 117. Nisy 72 hafa tamin'ireo mpihazakazaka no tsy tonga hatramin'ny farany na voatery notsoahana an-daharana nandritra ny fifaninanana.

Nizara ny zavatra tsapany taoran'ny nahavitany ilay hazakazaka i Yohan :

WOW tena Sedra ho Ahy iny !!!! Ho ao anatin'ny fahatsiarovako mandrakizay ity hazakazaka ity ary antenaiko fa ho ao anatin'ny tantaran'i Timor Atsinanana. Sarotra be ny niainga farany taminà hazakazaka iray isan'ny sarotra indrindra teo amin'ny fiainako nefa todiko ilay izy !!! faha-43 amin'ny 117 !!!
Fatratra ianareo ary misaotra tamin'ny fanohananareo !!!!

Aorian'ity Lalao Olaimpika ity dia tsapako fa ho betsaka ny lesona azoko ary ho matotra kokoa aho mivoaka avy ato amin'ny Lalao !!!

Talohan'ny lalao, naharay taratasy iray fankasitrahana avy amin'ny Praiminisitr'i Timor Atsinanana izy. Mandeha hoazy ny hoe mirehareha amin'ny zava-bitan'i Yohan ny Timorezy. Ireto ambany ireto ny sasany tamin'ireo hafatra napetraky ny mpankafy an'i Yohan tao amin'ny Pejiny Facebook :

Popo Lay: Mirehareha fatratra manana anao ry Yohan!! Arahabaina noho ny maha-olona voalohany anao misolo tena ny firenentsika amin'ity Lalao fanao amin'ny Andro Ririnina ity sy mametraka tantara. Tena Timorezy maherifo marina ianao ary fakàn-tahaka ho an'ireo taranaka hoavy!

José Antonio G. Casimiro: Tena zava-dehibe ny nahatafidirana ho ao anatin'ny 50 tonga voalohany. Nahita maro nianjera aho tany alohanao ary tsy nahatafita ny hazakazaka. Nivavahako ny mba tsy hampisy sampona ny hazakazakao, ary dia nataonao izany. Misaotra amin'ny nametrahanao ity firenena bitika kelintsika ity ho eo anaty sarintany.

Maro no voadona tao am-pony nahita an'i Yohan nitafy ny fiakanjo any Timor nandritry ny lanonana fanokafana :

Jacinta Barreto: Nasehonao anay indrindra ny fomba fitondra ny “tais” avy any Timor rehefa fotoanan'ny ririnina… mahafinaritra sady manaraka ny toetrandro. Mirary soa ry Yohan ..

Carla Araujo Machado: Arahaba! Tena fotoana mampihetsi-po tokoa rehefa ilay ianao nitàna ny sainam-pirenen'i Timor Atsnanana iny! Tena mirehareha izahay rehetra !

Namoaka ity fanambaràna ity ny Ministeram-panjakana, Agio Pereira, ho fanohanana an'i Yohan :

Miarahaba an'i Yohana isika noho ny fandraisany anjara sy ny fireharehany amin'ny maha avy ao Timor Atsinanana azy. Ny ezaka nataony, niaraka tamin'ireo atleta hafa izay nisolo tena an'i Timor Atsinana teo amin'ny sehatra iraisampirenena, dia manandratra ny maha-izy azy ny firenentsika sy mampitombo ny fahalianana ary ny fandraisana anjara.

Yohan Goncalves Goutt at the Sochi Games

Yohan Goncalves Goutt tamin'ny Lalao tao Sochi

Nandritra izany, ilay Filipiana mpitaingina “skate”, Michael Martinez, no hany tokana nisolo tena an'i Filipina tamin'ny Lalao tao Sochi. Tafita ho amin'ny lalao famaranana izy ary tafiditra ho faha-19.

Marobe ireo Filipiana no naka ny aingam-panahiny avy tamin'i Michael izay nianatra nitaingina skate fotsiny tao aminà toeram-pivarotana lehibe iray nefa dia tonga mpifaninana aminà lalao Olaimpika na dia olona manana aretina sempontsempotra aza.

Saingy raha mbola teo ampitehafana fatratra ny fandraisany anjara tamin'ny Lalao fanao amin'ny Andro Ririnina ny Filipiana, betsaka no nanome tsiny ny governemanta tamin'ny fanohanana zara raha nisy nomeny ho an'ity tanora mpitaingina “skate”. Nisy ihany koa ny nitatitra fa hoe tsy maintsy nanao antoka ny tranony ny fianakavian'i Michael mba hamoriana ny vola hanomanan'i Michael ny Lalao Olaimpika. Raha ny fahitàna azy, tsy voarain'ny filoha ny taratasy nalefan'ny renin'i Michael  nangatahany fanampiana ara-bola satria voakilasy ho toy ny “spam”, na hafatra tsy iriana.

Mbola hitaingina skate indray i #MichaelMartinez anio alina, mivantana ao amin'ny @TV5Manila amin'ny 11 ora. Avereno bitsihana ity ho mariky ny fanohananao!

Zaza nanana ny nofinofiny fotsiny i #MichaelMartinez. Ankehitriny, Maherifo Olaimpika izy. Antenaiko fa tsy hisy politisiana hanararaotra ny lazany.

#MichaelMartinez no Printsin'ny Ranomandry eto amin'ny tanàna izay tsy misy ranomandry velively.

Tsy mampaninona na tsy mitondra na inona na inona mody aza ny zanakay. EFa mpandresy izy na dia noho ny nahatongavany tany fotsiny aza. #Sochi2014 #MichaelMartinez

Jessica Zafra, mpanoratra, dia nidera ny renin'i Michael tamin'ny nitarihany ity tanora manana talenta ity hahatontosa ny nofinofiny:

Tsy mahalàla na inona na inona momba ny renin'i Michael aho, saingy fantatro fa niteny an-janany izy hanatanteraka ny nofinofiny, tsy nijereny izay fetra toa hafahafa tany. Henjana ny toerana maha-ray aman-dreny. Tsy maintsy mendrika sy mahitsy ianao manoloana ny fahaiza-manaon'ireo zanakao, ary ny fitaizana zaza manana talenta manokana dia faran'izay sarotra.  Tsy maintsy mendrika sy mahitsy ianao manoloana ny fahaiza-manaon'ilay zaza, tsy azonao atao ny mamela azy hanonofy zavatra tsy ho tanteraka akory. Tsy maintsy kajianao ny vintana ananany hahatontosany izany ary tsy maintsy misy sorona atao sahaza izany. Arahabaina ianao, Rtoa. Martinez, reny isan'ny mahafinaritra indrindra.

Tafaverina ao Filipina i Michael ary noraisin'ireo mpiray tanindrazana aminy toy ny fandray mahery fo:

Tonga toy ny mahery fo eto Manila i Michael Christian Martinez ! Vakio ato @Spotdotph: http://t.co/dED7NMIU9i pic.twitter.com/wh579fXkK4 ny tantaran'ny fiverenany

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.