Mpanao Gazety Nampandoavin'ny Fitsarana Tajik Onitra Noho Ny Filazana ny Manampahaizana Mpankatoa Ho ‘Diky’

Hitan'ny fitsarana iray any Tajikistan ho meloka tamin'ny “fanompana” avara-pianarana telo notendren'ny fanjakana ny mpanao gazety vavy iray tao an-toerana ary nandidy azy handoa onitra 30.000 somoni (mihoatra ny 6.000 dolara US) noho ny “ratra ara-maoraly” navelany. Nodidian'ny fitsarana ihany koa ny Asia-Plus, iray amin'ny gazety mahaleotena ao amin'ny firenena, hiala tsiny tamin'ny famoahana ilay votoaty nisy “fanompana”.

Olga Tutubalina. Image from her Facebook page, used with permission.

Olga Tutubalina. Sary avy amin'ny pejy Facebook-ny, nahazoana alalana.

Olga Tutubalina, tonia sady mpanao matoandahatsoratra ao amin'ny Asia-Plus, namoaka matoandahatsoratra [ru] iray tamin'ny Mey 2013, nitsikera ny manampahaizana noho ny  “fifandraisana mahafinaritra” misy eo amin-dry zareo sy ny governemantan'ny Filoha Emomali Rahmon. Tao amin'io matoandahatsoratra io, notsongain'i Tutubalina ny tenin'ny mpitarika sovietika voalohany voalohany Vladimir Lenin izay nisy fotoana nilaza ny manampahaizana nanompo ny fanjakana ho “diky”. 

Nisafidy ho nahatsiaro ho voaompa ny fikambanana sy ny mpikambana notendren'ny fanjakana ao amin'ny “intelligentsia”. Taoriana kelin'ny nanoratan'i Tutubalina ny lahatsorany, andry anankitelo, ny Akademian'ny  Siansa, sy ny fikambanan'ny (sendikàn'ny) mpanoratra, artista, mpamoron-kira, ary ny mpanao maritrano no nametraka fitoriana miaraka manohitra ilay mpanao gazety. Tamin'ny 25 Febroary, taorian'ny fitsarana naharitra ho herintaona izao, nanome rariny azy ireo ny didim-pitsarana nivoaka tao Dushanbe.

Tohina, tsy finoana ary fahatezerana no fihetseham-po navoakan'ny maro voalohany tao amin'ny mpiserasera Twitter.

Vaovao: Namoaka ny didiny momba ny raharaha “Intelligentsia vs. Asia-Plus” ny fitsarana

Tajikistan: Mpanao gazety mandoa onitra noho ny fitsikerana ireo Artista tohanan'ny fanjakana

Resy teo amin'ny fitsarana noho ny fiantsoana ny manampahaizana ao amin'ny firenena mpisolelaka ho “diky” ny mpanao gazety Tajik

Namoaka fanambarana fohy nitsikera ny didim-pitsarana ny Ambasadin'i Etazonia ao Dushanbe. Nisiokantserasera ny Irak'i Etazonia:

Hampangatsiaka ny fahalalahan-gazety ao Tajikistan ny fitsarana mamely ny gazety “Asia Plus” sy ny toniany Olga Tutubalina

Mahamenatra! nentin'ny diky teny amin'ny fitsarana ny mpanao gazety sahy indrindra eto amin'ny firenena, nandidy azy ny diky. Tajikistan = Tanindiky

Tohina aho. Ahoana no ahafahan'ny mpitsara mandidy ny Asia Plus sy i Olga Tutubalina amin'ity raharaha ity? mampivadika atidoha

Mahamenatra i Tajikistan! Mahamenatra ny rafi-pitsarana iray manontolo! Mahamenatra ireto diky rehetra nanatrika ny fitsarana an'i Tutubalina amim-pahanginana.

Mazava ankehitriny fa arendrika i Olga [Tutubalina]. Saingy misy ny tombony: fantatsika tsara ankehitriny hoe iza no diky [eto amin'ny firenena]. Nanamafy izany ny fitsarana.

Ambonin'ireo rehetra ireo, mbola misy fisalasalana ihany eo amin'ny mpiseraseran'ny fampitam-baovaon'ny fiarahamonina ao Tajikistan raha anisan'ny hetsika goavana ho fampanginana ireo mpanao gazety mitsikera sy ny gazety mahaleotena ity fitsarana ity na tsia. Nisy mpiserasera vitsivitsy mihevitra fa marina sy tsy mitongilana ny didy navoakan'ny fitsarana. Na izany aza, dia ampitahaina matetika amin'ny mpivaro-tena manome fahafaham-po (manolotra sakafo) ho an'ireo eo amin'ny fahefana ny mpitsara ao Tajikistan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.