Avy Any Kiev Mankany Moskoa: Hetsika Ao Rosia Mitondra Kodiarana

Tires (for burning on barricades) in the shape of the Olympic symbol. Anonymous image found online.

Kodiaram-piara (nampiasaina hodorana nandritra ny barazin'ny fihetsiketseham-panoherana Maidan tao Okraina) ho amin'ny bikan'ny fango olaimpika. sarin'olon-tsy fantatra hita an-tserasera.

Rehefa tapitra ny lalao Olaimpikan'i Sochi, dia miverina ho amin'ny fanao andavanandro indray ny ao Rosia — fihetsiketseham-panoherana tsy misy dikany ho an'ny mpanohitra, famoretana avy amin'ny governemanta. Tamin'ny alatsinainy 24 febroary 2014 ny Lapan'ny Fitsarana Zamoskvoretsky ao Moskoa no namoaka didy manameloka mpikatroka politika valo higadra taona maromaro any am-ponja noho ny fandraisana anjara tamin'ny rotaka 6 Mey 2021 tao afovoan-tanàna akaikin'ny kianja Bolotnaya. Miovaova ny didy tamin'ny “raharaha Bolotanaya”, misy roa taona sy fito volana ho an'i Artem Savelov ka hatramin'ny efa-taona ho an'i Sergey Krivov. Alexandra Duhanina no vavitokana tavela rehefa nisy ny amnistia nanafaka an'i Maria Baronova, ka nahazo sazy mihantona 3 taona sy 3 volana.

An image showing the Bolotnaya prisoners and their sentences. Anonymous image found online.

Saripika mampiseho ny gadran'i Bolotnaya sy ny sazin-dry zareo. saripikan'olon-tsy fantatra hita an-tserasera.

Nivoaka tamin'io alatsinainy io ny didy fa tsy tamin'ny zoma araka ny nokasaina hatramin'ny voalohany [ru], izay angamba nahemotra mba tsy hisian'ny lohateny manahirana mandritra ny lanonam-pamaranan'ny lalao olaimpika. Na dia faran'ny herinandro aza, dia olona anjatony no niseho teny amin'ny lapan'ny fitsarana, ary nankeny amin'ny kianja Manezhnaya avy eo, ho fanoherana ny didim-pitsarana, izay heverin'ny maro ho mitongilana sy manana endrika politika. Hita ho naka aingam-panahy tamin'ny revolisiona tamin'i Okraina mpifanolo-bodirindrina ny sasantsasany tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana, izay ny fanaovana herisetra an-dalambe no nanampy ny mpanohitra hahatratra ny tanjona politika nokendreny. Niavaka tamin'izany ny nisian'ny olona maro nisiokantserasera ny amin'ny ilàna mitondra kodiaram-piarakodia hanaovana fihetsiketsehana — na hanao fihetsika feno fihantsiana tamin'ny hamaroan'ny kodiarana nodoran'ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny barazin'i Kiev, na antso hanaovana barazy avy amin'izany.

Ilya Azar, mpanangom-baovao ao amin'ny Lenta.ru, no niantso voalohany ny “kodiarana ao Manezhka,” tamin'ny fisiahana an-tserasera:

не забудьте каждый взять с собой на Манежку хотя бы одну автомобильную покрышку

ny rehetra, aza adinoina farafahakeliny ny mitondra kodiara-piarakodia iray miaraka aminao ao amin'ny Manezhka

Nofafany avy eo io siokantserasera io, angamba noho ny tahotra hoe mety azo raisin'ireo tsy misangisangy avy ao Kremlin ho antso hanaovana herisetra izany, saingy tsy talohan'ny nanaovan'ny olona pikantsarin'efijery [ru]. Ny hafa [ru] mandray io antso io hihetsika, misy mpisera Twitter iray ihany koa miantso [ru] tavoahangy foana, lasantsy sy menaka maotera (kasinga ilaina amin'ny cocktail Molotov), ny hafa mampiasa fiteny Aesopiana ialana amin'ny vesatra ho extremista:

Mila fanampiana aho! Manodidina an'i Manezhka noana ny kodiarako. Ho an'ny rehetra izay ho avy, miangavy hitondra (kodiarana) fisolo), na misy na tsy misy karan-kodiarana (fr:jante).

Nisy olona vitsivitsy namaly ireny antso ireny, iray amin'ireny i Nadezhda Tolokonnikova avy ao amin'ireo malazan'i Pussy Riot, izay hita ho voasambotra raha nitondra (kodiarana) iray [ru]. Nisiokantserasera i Tolokonnikova taty aoriana avy ao amin'ny fiaran'ny polisy, nilazalaza [ru] ny fitazonana azy ho “henjana.”

Lehilahy voasambotra teo amin'ny kianja Manezhnaya, nitondra kodiaram-piara. Grani.ru.

Mazava loatra fa haingana sy henja-piasa ny polisin'i Moskoay, nanaparitaka ny fihetsiketsehana sy nisambotra olona an-jatony maro, ary anisan'izany ny heverina ho mpitarika ny mpanohitra Alexey Navalny [ru], araka [ru] ny siokantseraseran'ny [ru] mpanao fihetsiketsehana. Namelabelatra [ru] ihany koa ny sasany fa mahery setra sy tsy mahandry “tsy toy ny fahita mahazatra” ny polisy. Nisioka [ru] ny mpanoratra Pro-Kremlin Eduard Bagirov fa noho ny zoro Okrainiana no nahatonga izany; Taorian'ny rotaka Maidan dia manana ny “maoraly mety” “hamitàna” ny mpanao fihetsiektsehana ny polisy, hoy ny fifikirany.

A burning Kiev barricade photoshopped to look like a Google "doodle." The protesters are holding car tires. Anonymous image found online.

Sary barazy nodorana tao Kiev namboarina hitovy amin'ny “doodle” an'ny Google. Mitazona kodiaram-piarakodia ny mpanao fihetsiketsehana. sarin'olon-tsy fantatra hita an-tserasera.

Yulia Arkhipova, mpianatra toekarena izay vao Tafiditra anatin'ny ady mangotraky ny Twitter [Tatitra Global Voices amin'ny teny malagasy] tamin'ny nitafatafa nifanaovana tamin'i Vladimir Solovyev noho ny fanohanana ny Maidan, no nanoratra [ru] tsikera mavaivay momba ny saritaky ny kodiarana, tamin'ny fandresen-dahatra fa mandray ny endriky ny fomba fanoheran'ny Okraniana tsy manana ilay fomba fisainana miaraka aminy ny ao amin'ny fanoherana Rosiana:

В России оппозиция насмотрелась на Майдан и теперь играет в ролевые игры. К Замоскворецкому суду приносят российский флаг, поют российский гимн. Протестующие кричат “Банду гэть!” и называют ОМОНовцев Беркутом.

Eto Rosia nahita ny Maidan ny mpanohitra ary milalao izany koa ankehitriny. Mitondra ny saina Rosiana ry zareo tao amin'ny lapan'ny fitsarana tao Zamoskvoretsky, mihira ny hiram-pirenena Rosiana. Mihiaka ny mpanao fihetsiketsehana hoe “Miala ny mpangalatra” [amin'ny teny Okrainiana] ary milaza ny polisy misahana ny rotaka ho “Berkut.”

Eny, mety hitovitovy amin'i Maidan io, araka ny nosoratany, saingy tsy ampy fahavononana handao ny asany sy hanao ny adidiny hijoro ao anatin'ny hatsiaka ao anatin'ny volana maro indray miaraka ireo. Noho izany, izay nahomby tany Kiev, dia sarotra hahombiazana any Moskoa.

Mandritra izany fotoana izany, handia fotoan-tsarotra ny voafonjan'ny Kianja Bolotnaya, na dia manantena [ru] aza ny mpiaro ny zon'olombelona Pavel Chikov fa kely ihany sazy azon'izy ireo ka mety azo avotsotra ao anaty fifampiresahana, raha heverina ny fotoana efa laniny tany am-ponja. Ny mila jerena sisa dia hoe ho lasa zavamanan'aina famantarana ao aminn'y fihetsiketseham-panoherana ve ireo lehilahy sy vehivavy valo ireo sa ho lasa fomba mahomby hanakanana izany.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.