Mpanao Gazety Shinoa Malaza Notsikeraina Fa Niteraka Tao Etazonia

Nitarika fahatairana tao amin'ny aterineto ny iray amin'ireo mpanao gazety malaza indrindra ao Shina, Chai Jing, rehefa avy niteraka tao Etazonia, misy mihitsy ireo mpiserasera miantso azy ho “mpamadika” na “liberaly mpihatsaravelatsihy”».

Rehefa avy navoaka antserasera ny sarin'i Chai mitaiza zaza menavava tao amin'ny seranam-piaramanidina, nipoitra ny vaovao fa niteraka vavikely tao Etazonia izy tamin'ny volana Oktobra 2013. Mazava fa ny tombontsoany dia lasa olom-pirenena Amerikana Etazonia ilay zaza.

Mpanao gazety manana ny maha-izy indrindra ao Shina i Chai, fantatra amin'ny faharanita-tsainy, ny faharetany ary izy mivatambatam-piteny amin'ny fandaharany resadresaka. Nanomboka malaza ny anarany tamin'ny fitantarany ny aretina SRAS tamin'ny 2003 sy ny hovitrovitry ny tany tao Sichuan tamin'ny 2008.

 

Chai Jing holding a newborn baby at an airport (Picture from Sina Weibo)

Chai Jing mitaiza ny zanany tao amina seranam-piaramanidina. Sary avy amin'ny Sina Weibo

Nandiso fanantenana ny maro tamin'ireo mpankafy azy i Chai niteraka tao Etazonia, ka maro ireo niantso azy ho mpihatsaravelatsihy.

Mpiserasera “Tan” nanoratra hoe:

我们应该明白一点,公知们抨击或批评这个生他养他的国家,不是爱这个国家而是为了有天有扑向美欧等国家怀抱的资本。什么人批评这个国家的不足才是真心的?只有永远是中国人的我们。

Tokony ho takatsika fa mamely na mitsikera ny firenena niaviany ireo olo-malaza ireo, tsy hoe satria tian'izy ireo ity firenena ity fa mahavita manoroka an'i Etazonia, Eoropa, sy ny firenen-kafa izy ireo indray andro any. Karazan'olona manao ahoana izay mitsikera ity firenena ity no mahitsy fo kokoa? Tsy iza fa ireo hijanona ho Shinoa hatrany.

Na dia izany aza, maro ihany koa ireo olona naneho ny fanohanany. Malahelo kosa ny  sasany manoloana ny fivoaran'ny fifindra-monina eo amin'ireo Shinoa saranga antonony, miantso ny tokony handinihan'ireo Shinoa mpitondra ambony:

不懂怎么念燊微博达人:非常现实,高层应该反思为何这样,柴静看到未来,她有能力为自己孩子选择一个更为公平公正,制度健全的国家,别人没道理评论。想想自己有能力会不会加入美国籍就懂了。

Manaiky tanteraka ny zava-misy, tokony handinika ny antony mahatonga ny zavatra tahaka izao mitranga ireo olona ambony. Raha mieritreritra ny hoavy, afaka misafidy firenena amin'ny rafitra marina, mitovy sy metimety kokoa hoan'ny zanany izy. Tsy anjaran'ny hafa ny mitsikera izany. Raha mahavita ianao, hanao ho Olom-pirenen'i Etazonia ve? Eritrereto izany ary ho fantatrao.

文人医生:自己不能改变现状,手中没有选票,为什么孩子还不能改变?柴静在哪里生孩子是自己的自由和私事。

Isika, ny tenantsika ihany dia tsy afaka manova ny toe-javatra mifikitra mafy amin'izao fotoana ato amin'ity firenena ity, tsy afa-mandrotsa-bato isika, nahoana no tsy afaka mitondra fanovana hoan'ny zanatsika isika? Fahalalahana sy raharaha manokan'i Chai Jing ny manapa-kevitra izay toerana na firenena tiany hahaterahan'ny zanany. 

Mpaneho hevitra Liu Xuesong nanoratra hoe [zh]:

个人爱不爱这个国家,最重要的不是看他把孩子生在哪里,而是看他在这个国家的公民角色中,担了多少当,做了多少有益的事。这个国家值不值得爱,倒是与这个国家的集体意识中,是否展示了大爱的包容、和谐、友善等宽厚本色,是否将注意力放在了富强、公正、文明等向上向善的追求上有关。

Na tia tanindrazana ny olona iray na tsia, ny tena zava-dehibe indrindra dia tsy ny fahafantarana izay toerana nahaterahan'ilay zaza, fa ny mijery ny andraikiny amin'ny maha-olom-pirenena ao amin'ity firenena ity, sy ny isan'ny zavatra tsara vitany. Na dia izany aza, misy ifandraisana amin'ny fahatsiarovan-tena iombonana ao amin'ny firenena ny fitiavana ity firenena ity, izay tokony hampiseho fitiavana, firindrana, fifankatiavana ary fahalalahan-tanana , ary mifantoka amin'ny fandrosoana, fahamarinana ary ny sivilizasiona.

Mpiserasera hafa nanoratra hoe [zh]:

有网民说,他只是希望孩子有比较正常的生活方式,无关爱国。也许,这才是为政者应该反思的问题。

Nilaza ny mpiserasera sasany fa tian'i Chai fotsiny mba hanana fiainana araka ny tokony izy kokoa ny zanany, izay tsy misy idiran'ny fitiavan-tanindrazana. Angamba ity ny olana tokony hodinihan'ny governemanta.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.