Miandry Ny Hahita An'i #WorldBoss Ho Afaka Madiodio Na Ho Voaheloka Ry Zareo Jamaikana

Efa maka sary an-tsaina mialoha sahady izay ho didim-pitsarana amin'ilay raharaham-pitsaràna ny famonoana an'i Vybz Kartel ry zareo Jamaikana – sy ireo mpankafy ny mozika “dancehall”. Roa andro lasa izay, nandefa fanavaozam-baovao tao amin'ny pejiny Facebook ilay bilaogera Annie Paul :

Sàkan-dàlana faobe, vahoaka maro mihaohao manodidina ny afovoan-tanànan'i Kingston eo ampiandrasana izay ho didim-pitsaràna ny  ‪#‎KartelMurderTrial‬ (izay mety tsy ho androany akory aza no havoaka)

Emily Crooks, mpanao gazety izay mibilaogy ato, dia nanoratra tatitra iray nalaina avy hatrany tany am-potony izay nanohana ny fanavaozam-vaovao avy amin'i Paul:

19 Febroary 2014 (sic).

Misy fientanentanana sy ahiahy ato anatin'ny 200 metatra manodidina ny Fitsaràna Tampony, King Street ato afovoan-tànanan'i Kingston. Ao amin'ny efitranom-pitsarana faha-2, mipetraka ery amin'ny toerana natao ho an'ny voaheloka i Vybz Kartel miaraka amin'ireo miara-voampanga aminy raha mikononkonona miomana ny hanohitra ny fehin-tenin'ny mpisolovava mpiaro kosa i Jeremy Tailor mpampanoa lalàna, Tom Tavares Finson izay miasa miaro an'i Kartel. Efa niainga hatrany amin'ny 20 Novambra 2013 ity raharaha ity – ary efa manakaiky ny farany isika. Henjana ny lalao. Tsy mbola nahita fiarovana nohamafisina be tahaka izao aho tany aloha.

Henjatrendratra ny eran'ny tanàna. Tsy fantatry ny maro ny tena antony marina.

Misy ny siosion-dresaka hoe nanao asa fitsikilovana ny polisy nandritry ny alina.

Avy eo ny kaontiny nitohy nanome famintinana ny dingam-pitsarana nandritr'iny andro iny :

Eo am-piomanana hanohy ny fotoana ny Fitsaràna izao maraina izao. Maka toerana ireo mpitsara iraikambinifolo mpandini-draharaha. Tonga ny filohan'ny fitsarana. Nasaina nivoaka indray aloha ireo mpitsara mpandini-draharaha. Nangataka hiresaka mitokana amin'ny mpitsara, tsy atrehan'ireo mpandini-draharaha, i Christian Tavares Finson [zanaky ny lehiben'ny fampanoavana]. Misy zavatra mitambesatra be ao an-dohany. Raha amin'ny fizotra ara-dalàn'ny fitsarana, tsy mitatitra loatra zavatra tsy atrehan'ireo mpandini-draharaha aho saingy lasa miverimberina mitranga ity raharaha tsy atrehan-dry zareo ity noho ny fitaterako ny vesatra manindry an'i Christian.

Mitsangana izy miteny amin'ny mpitsara hoe – tena ketraka aho nahita ny fomba nandraisan'ny polisy ny raharaha tamin'ity maraina ity – olona manokana ivelan'ny polisy tonga nanao bemidina tao amin'ilay tranobe.

Mpitsara – manan-javatra miafina tsy ananan'ny polisy ve ianao – hoy ny mpitsara somary tsy naharitra namaly azy.

Christian – Tsia Andriamatoa Mpitsara saingy manahirana ahy ity zava-miseho ity – manana kara-pamantarana azy ny solotenan'ny media, manana ny azy ny mpisolovava, mila manome kara-pamantarana azy ny mpiasa saingy tsy maintsy mamboraka ireo mpitsara mpandini-draharaha fa hoe izany tokoa izy ireo mba ho afa-miditra amin'ny faritry ny Fitsaràna Tampony ary tena tsy mety sy mampidi-doza izany. Fanampin'izany, sakanana tsy mahazo miditra ny trano ny fianakavian'ny voampanga. Tsy misy mihitsy filazàna mikasika ny antony anaovana izany. Tsy fantatro hoe misy didy hafa avy amin'ity fitsaràna ity.

Vetivety taorian'izay, nitatitra i Crooks fa nantsoina hiverina tao an'efitrano ireo mpitsara mpandini-draharaha ary dia mbola nampahatsiahivin'i Tom Tavares Finson   mpitarika ny fiarovana an'i Kartel indray ilay olana – tamin'ity indray mitoraka ity dia teo anatrehan'ireo mpitsara mpandini-draharaha :

Tamin'ny faran'ny fotoam-pitsarana, nantsoin'ny mpitsara ny tale mpitantana ka hoy izy ‘ nampahafantarina ahy fa hoe nisy sasany tamin'ny havan'ny voampanga no tsy navela hiditra. Tsy haiko raha nisy antony izany. Ny holazaiko fotsiny dia hoe manan-jo hiditra ny efitranom-pitsaràna ny teratany Jamaikana tsirairay raha tsy hoe manana antony manokana mifanohitra amin'izay didy avoakan'ny fitsaràna ny mpitandro filaminana. Antenaiko fa hiraikitra tsara ao an-dohanareo izany. Tsy afaka ny hanome torolàlana toy itsy na iroa aho raha tsy fantatro hoe karazana sampam-pitsikilovana toy inona moa ny anareo. Nefa angatahako ianareo mba hiverina handinika ny zon'ny olom-pirenena mikasika ny fahafahany miditra ny efitranom-pitsaràna.  Antenaiko fa hiraikitra tsara ao an-dohanareo izany’.

Taoriana kely dia nanambàra Ing. Tavares Finson fa nifanakalo hevitra taminà polisy roa izy nandritry ny fotoam-pisakafoanana – ny Tale Pinnock sy Ellis izay nilaza fa nisy ‘ny fanapahana fifandraisana ary ekeko izay nolazain-dry zareo’.

Mpitsara – mino ve ianareo hoe nahavita nanatona azy ireo talohan'ny nandraisana an-tànana ny raharaha

Tom – Tsia Tompoko, satria noho ny zava-nitranga tao amin'ny fitsaràna no antony nanatonan-dry zareo ahy.

Tao amin'ny Twitter, @Pseud_O_Nym niteny hoe :

Tsy ho gaga aho na inona na inona fanapahan-kevitra raisina androany momba ny #KartelMurderTrial. Tsy ampoizinao izay havoakan'ireo mpitsara mpandini-draharaha

Araka io fisehony io, tsy navoaka tamin'ny 19 Febroary  ny didim-pitsaràna; mbola anatin'ny manjavozavo hatrany ny firenena, saingy sady mibitsika ihany eo ampiandrasana izany. Ny alin'ny 20 Febroary, nanamarika i @Lacey_World hoe :

Andrandraina mba hanome ny fehinkeviny androany ny mpampanoa lalàna . #KartelMurderTrial

Taoriana kelin'izany dia navaozin'i Emily Crooks ny fandaharam-potoana :

Niverenan'ny mpitsara nojerena ny datin'andro handinihan'ireo mpitsara mpandini-draharaha ny raharaha #KartelMurderTrial . Ambarany ankehitriny fa hoe any amin'ny tapatapaky  ny herinandro ho avy io.

Nisy ireo bitsika nizara rohy mankany amin'ny fanambaràna feno nataon'i Vybz Kartel ho an'ny fitsaràna

#LateNightCreep #KartelMurderTrial Mamaky fanambaràna mampihetsi-po & mampilatsa-dranomaso ato amin'ny Fitsaràna i Vybz Kartel

…ary ireo bitsika nifantoka tamin'ny tetikadin'ny fampanoavana :

Mamaky ho an'ny #KartelMurderTrial ny taratasy voalaza fa nalefan'ny vavolombelona fototra ho an'ny Fampanoavana i  Jeremy Taylor mpampanoa lalàna

Emily Crooks, izay nampiasa tamin'ny fomba masina ny media sosialy mba hampahafantarana ny mpisera rehetra ety anaty aterineto mikasika ny fivoaran'ny raharaham-pitsaràna, dia nibitsika ireto fanavaozana manaraka ireto :

Tsy misy fisaràna rahampitso. Manana olana ny mpitsara mpandini-draharaha iray. Miverina indray ny fitsaràna amin'ny Alatsinainy . #KartelMurderTrial

Folo minitra taorian'izay, nampakatra ny sary voalohany nisy ny kabary famarànana ilay fotoam-pitsarana izy ho ao amin'ny bilaoginy, manazava hoe :

Ireto ny zavatra noraisiko araka izay nitenenana azy, satria vitako ny nandrakitra azy, tamin'ilay kabary famarànana nataon'ny mpisolovava ny Kartel, Tom Tavares Finson. Satria i Kartel niantso vavolombelona hitondra porofo eo amin'ny toerany no voalohany nanao teny famaranana nitodika tamin'ireo mpitsara mpandini-draharaha. Ny tenin'ny ekipan'ny fitsaràna ho an'i Kartel kosa dia narahan'ny tenin'ny mpampanoa lalàna, Jeremy Taylor.

Hitohy amin'ny Alatsinainy ireo fehinteny farany ary raha mitsara tsy mitanila ny mpitsara, dia ho fantatr'ireo Jamaikana amin'ny tapak'ity herinandro ity na ho meloka na ho afaka madiodio ilay nisora-tena ho #WorldBoss teo amin-dry zareo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.