21 Febroary: Andron'ny Tenin-dReny #imld14 #malagasy #madagasikara

Voatondro ho andro natokana ho an'ny Tenin-dReny ny 21 Febroary. Isan'ny niomana hankalaza izany ireo vahoaka Malagasy maherin'ny 20 tapitrisa, na fara-fahakeliny, ireo mpisera ety anaty aterineto sy ireo mpisehatra ao amin'ny #akademia.

ACADEMI21FEV2014

Misy ny velakevitra manokana karakaraina eny amin'ny Akademiam-pirenena eny Tsimbazaza androany maraina, heverina haharitra ora telo, manomboka amin'ny 9, ary hisy hetsika ihany koa hokarakarain'ny Madagaslam ao amin'ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha ny tolakandro. Toa karazana antsa sy ady rima tsy asiana fiomanana izy ity.

SLAM

Tsy ireo ihany anefa no nahatsiaro sy nanao fanentanana ity andron'ny 21 Febroary ity, fa na ny olon-tsotra tao amin'ny Facebook aza, hatramin'ireo vondrona roa be mpahalàla ( Fiteny malagasy sy Malagasy Tsy Manadino Ny Tenindrazana) dia samy niezaka nitondra ny fandraisany anjara hanamarihana izany hoe ‘Tenin-dReny, Teny Ibeazana’ izany.

Isan'ny endrika entin'ny olon-tsotra hanamarihana ity andro ity ny fandraràna ireo rehetra mpanjohy azy tsy hanoratra afa-tsy amin'ny teny Malagasy mandritra ity anio ity. Toy izay nosoratan'i Faly Fa Malagasy :

@falyfamalagasy Andro iraisampirenena ho an'ny tenin-dreny, na tenin-drazana, aza mampiasa teny vahiny androany #fb

Ary nanentanan'i Jentilisa ny rehetra izay mampiasa Twitter hametraka ny diezy #imld14 #malagasy #madagasikara mba hanamora ny fikarohana azy ireny

@jentilisa Fanentanana ny rehetra : Amin'ity #imld14 ity, anio isika rehefa manoratra amin'ny teny #malagasy dia mampiasa ireo diezy 2 nosoratako ireo […] Fiteny twitter ny hoe suivre na follow, ataovy hoe manjohy na zohio na zohiana ny #malagasy amin'ireo teny roa ireo #imld14 raha sitrakao

Tsy vitsy ny niombon-kevitra tamin'izany, toa an'i Rakotoarson Njaka :

@NRakotoarson Ka dia teny gasy tanteraka izany no ampiasana eto manombok'izao mandrapatory #tenindrazana

sy ny USEmbassy-Madagascar :

@USMadagascar Miezaka mampiasa teny #malagasy ny masoivoho amerikana am vao2 haparitany #imld14 #madagascar http://on.fb.me/1g6dQut

 Raha niteny i Domoina Rasamoelson hoe:

 

Domoina Rasamoelson Miteny gasy fotsiny e !

 dia nisy ny nitaraina hoe:

 

Romuald Solofoniaina Raveloson ny madreraka anie dia misy teny sarotra na andikana azy teny gasy e

 izay novaliany tsotra hoe :

 

Domoina Rasamoelson Tsy olana fa hiteny gasy fotsiny aloha androany e, rahampitso ho hita eo indray

Nampanantena kosa ny hafa fa na tsy ho vita aza ny hifehy azy androany, dia hiezaka hanohy kosa rahampitso:  

 

Virginie Manirisoa Hiezaka fa refa ts vita androan ve ts hotohizan rapitso, ny essentiel…, oy azafady e ,ny tena zava-dehibe de qu'on puisse..,.izay indray, ssss ny fanaovana ezaka na dia ny hahafahana manombok fotsiny. oeeee!

 

Momba ny politikam-pirenena mikasika ny teny ibeazana dia toy izao ny bitsika nalefan'i Vero Nirina:

 

 ‏@VeroNirina #LT #AkademiaMalagasy Efa misy ny volavolan-dalana momba ny politikampirenena momba ny teny . #tenyibeazanana #madagascar #Madagasikara

 

Tao amin'ny vondrona Fiteny malagasy  dia hoy i

 

Rinà Andriamandimbisoa  Raha ny hevitro tokony tsy azo atao mihintsy ny mampiasa teny vahiny ato anatin’ ity vondrona ity. Mba tokony atao izay hitadiavana izay mahadika ny teny tiana ho tenenina fa amiko tsy mitombina loatra ilay hoe voatery hiteny vahiny dia atao ao anaty farango sosona na fononteny

ary narahan'ny fanehoan-kevitra avy amin'i  Fleurdevanille LE Nid Dei manao hoe:

 

 Rinà Andriamandimbisoa o, mba tadidio amin'izay re fa MIHITSY no izy e, tena efa im-betsaka izay ianao no nisy nanitsy hatramin'ny maraina an, bediko amin'izay ianao ka!

satria io vondrona io dia natao hifampianarana sy hifanoroana, na ny fomba fanoratra izany, na ny fomba fiteny, na ny fitsipika madinidinika momba ny teny Malagasy amin'ny ankapobeny. Voaresaka ao avokoa na ny teny iraisana, na ny teny avy amin'ny faritra tsirairay, saingy entanina kosa ny tsirairay hitondra fanazavàna miaraka amin'ny teny narosony ho an'ny mpikambana.

 

Raha ny fijerin'ity mpaneho hevitra ity izao dia ny finiavana hifehy no sakana mety tsy hampandroso ny teny Malagasy:

Fy Yoel Mino kosa za angamba fa ny Malagasy ihany no nametraka ny fitsipika sy ny tsipelina Malagasy nefa dia betsaka ny olona no tsy mahafehy izany ary na ireo olona tsy nianatra teny vahiny aza dia tsy maintsy mapiasa teny vahiny kely foana no mahagaga toy ny hoe “surprise” ,ao koa ireo managasy teny fotsiny toy ny hoe “arean'bus” .Raha ny marina dia sarotra be ny teny gasy sa tsy izany?

 

Ary ho enti-mamarana azy dia ity bitsika mahatsikaiky avy amin'i Mandimby Maharo :

 ‏@mandimbymaharo Izaho manokana dia mahafehy teny vahiny 3, saingy mbola mavesatra kokoa foana ilay manompa amin'ny teny #malagasy. 😀 #imld14

sy ity tononkalon'i Samuel RANDRIA ity:

NY TENIN-DRAZAKO

Teny
Niarahako nibada
Nianarako ny Dada
Nahaizako ny Neny
Teny
Namoronana ny hevitro
Eny,
Nilazako
Ny feon'ny fon'ny hazazako
Te hahay
‘lay teninay
Tamin'izany, hasambarako
Ny tenin-drazako…

Dia nitombo teny ny fahaizako
Haiko ny niteny toy ireo mpitaizako
Nahavatra, tena vantana amiko
‘Lay teny gasy tena mamiko,

Nitombo ny fisainako
Fa namboarin'ny fiainako
Dia tazako
Ny fahalehibeazako
Dia fahombiazako
Tato am-poko nitambolona
Natakaloko ny an'olona
Navelako fa nivadika ny lelako,

Tsy afeniko
Fa ‘lay tenin-drazako, lay teniko
Asa lahy§
Tonga nahamenatra ahy,
Tsy antonona ny lazako
Ny tenin-drazako
Ka nafoiko
Fa ny tsy ahy no hamboiko
Dia hoy aho : Teny maty,
Tsy mahalaza ny ato anaty!
Teny ambany
‘Zany teny gasy izany
Nefa ahy, tena ahi-ko
Toy ny nofo sy fanahiko
Moa rehefa ambony ka azo izay nirina
Dia ny an'ny tena
no tsy tiana sy ariana?
Tsia, dia tsia!
Sanatria :
Ry tenin-drazako o, ry teniko
Neniko e, ka neniko
Ny nanambany anao
Ary izao,
Hoy ny vavaka mialoatra
avy ato anatiko :

“Tompo o, tapaho re ny lelako
Raha tenin-drazako no avelako
Eny, foano ny hoaviko
Rah'ty teny taminao no tsy hotiaviko,”

Tsikaritra ao anatin'ireo voasoratra rehetra etoana fa mbola be hadisoana, nefa kosa ny ezaka no zava-dehibe, ary irariana ny hitohizany

********************************************

Raha misy koa mpanoratra tononkalo isan'ny arahako manokana dia iray amin'ireny i Raozigasy Serasera, izay azonao vakiana ato ny tononkalony.

Lahatsoratra nosoratan'i Mitiyu mifandraika amin'ity: ato amin'ny Malag@syMiray.

“Very hevitra” an'i Rado ao amin'ny tenigasiko wordpress com

 

 

 

 

 

 

 

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.