NIdona Tamin'ny Tsy Fitokisana Ny Governemanta Libane Vaovao

Rehefa nanambara ny governemanta vaovao avy amin-dry zareo ny politisiana Libane, dia tamin'ny tsy firaharahiana, fanesoana sy tsy fitokisana no nitsenan'ny vondrom-piarahamonin'ny mpampiasa aterineto izany tao Libanona.

Nanoratra lahatsoratra mahatsikaiky i Anthony ElGossain, bilaogera ao amin'ny “NOW Lebanon”, nomeny lohateny hoe “Ry Mpiray Tanindrazana Malala: Firariantsoa Avy Amin'ny Kabinetra Vaovao Eto Libanona“, ka tao anatin'izany no nanoratany taratasy iray tsy tena izy avy amin'ireo politisiana.

Hatreto, araka izany, dia tsy voaomana hanaiky , hampiroborobo na hiaro ireo vondrom-piarahamonin'ny fahatongavan-tsaina izahay: raha toa tsy maintsy misafidy ny hamaritra ny momba anao amin'ny fomba fijerin'ireo olom-pirenena hafa momba izao totolo izao ianao, na ny fomba fiainany ara-tsosialy, ny safidiny ara-toekarena, na ny faharesen-dahatr'izy ireny ara-politika, dia manasa anao izahay mba hitrandraka ny resaka fifindra-monina, ny hadisoam-panantenana, ny fianjonanjonana, na ny “na ho inon-kidona na inon-kihatra – (extremisme)”.

Nametraka fanontaniana iray izay toy ny any an-tsain'ny rehetra any i Rabih Salloum, lehiben'ny tarika Slutterhouse, :

Screenshot from Facebook

dikasary avy ao amin'ny  Facebook

Misy anarana vaovao ve ao amin'ilay governemanta vaovao sa nifanakalo seza fotsiny ry zalahy?

Gino Raidy avy amin'ny Gino's Blog nizara ity toe-pony ity :

Governemanta toy inona re ity mahatsiravina feno olona tsy mahavita azy mipetraka amin'ny toerana tsy sahaza azy ity e

Ary mba haharatsiratsy kokoa ny toe-draharaha, nivoaka taoriana kelin'izay fa hoe nokirakiraina tamin'ny Photoshop ilay sary ofisialin'ny ny Harifenitry ny Kabinetra:

Picture from Facebook

Sary tao amin'ny  Facebook

Ny sary ofisialin'ny Harifenitra vaovaon'ny Kabinetra Libane novaina tamin'ny Photoshop

Resabe iray manokana iny fikirakirana tamin'ny photoshop iny. Maro no nahatsapa fa tsy misy na inona na inona miova amin'ny fahazoana governemanta vaovao. Niteny ho an'ny  Al-Arabiya, nanazava i Karl Sharro, bilaogera avy amin'ny KarlRemarks, hoe:

“Filazàna amin'ny teny sahaza azy ny hoe hatraiza ny tsy fananan'io governemanta io fandaharanasa politika ny nanaovana photoshop toy io, ary mampiseho ny zavatra faran'izay kely indrindra iraisany, nentina natambatambatra ivelany fotsiny mba ho toy ny endrika fandemen-tsaina politika.

Ary raha ampiana amin'ny hoe: ny tena marina dia toa tsy mahalala akory ny fampiasàna Twitter aza ny Minisitra vaovao misahana ny Fifandraisandavitra , Boutros Harb:

Ho tsaroantsika ny naha-minisitra an'i @NicolaSehnaoui.

Tamin'ny fiezahany hampitony ny raharaha sy hanome fandalinana tena mifandraika amin'ny zava-misy mikasika izay fipetraky ny governemanta vaovao, ny bilaogera “Eye on the East” , Marina Chamma dia nanoratra lahatsorara iray nitondra lohateny hoe  “A Warm Welcome to Lebanon's New Cabinet” – Fandraisana Makotroka Ho An'ny Kabinetra Vaovao Ao Libanona

Raha vao raharaham-panjakana no resahana, tsy tokony hanome toerana ny fisalasalana ho an'ireo politisiana intsony ny Libane, vitsy amin'ireo no mendrika izany. Saingy ny kely indrindra azon'ireo olona ireo atao dia ny mihaino. Ho toy ny fitaratra ijerena ny fahatsapan'ny firenena iray manontolo, izay ny ankamaroany dia mihodinkodina manodidina ny ‘somary manantena’ sy ny ‘faran'izay tsy manam-panantenana’,  dia ireto misy fanontaniana vitsivitsy tongasoa sy fahamarinana mibaribary ho an'ireo vao tonga. Dia toy io no tena namehezan'ny olona azy, tsy nasiana fanasokajiana manokana:

Potsiro ny rohy etsy ambony hijerenao ny ambin'ny lahatsoratra (amin'ny teny Anglisy).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.