Votsotra Tamin'i Korea Atsimo Ilay Kinga Amin'ny Fikorisana Skate Viktor Ahn, Nandrombaka Meday Roa Ho An'i Rosia

dddddddd

Saripika avy amin'ny mpisera Flickr @CanadianPhotographer (CC BY SA 2.0)

Nitondra meday roa, volamena ny iray ary alimo ny iray, ho an'ny firenena Rosiana nandray azy ilay kintan'ny fikorisana haingana ao anatin'ny halavirana fohifohy Viktor Ahn, fantatra taloha ho Ahn Hyun-soo, nandritra ny lalao olaimpika ao Sochi. Ao anatin'izany fahombiazana tahaka ny mbola hitohy izany, niparitaka ao amin'ny fanaovana dinika an-tserasera Koreana Tatsimo ny adihevitra nahatonga ity kingalahy amin'ny fikorisana (skate) handao ny firenena nahaterahany ary nivantana any amin'ny kolontsaim-pitsitokotokoana tafapaka lalina sy maharitra tsy ao amin'ny tontolon'ny fikorisana an-dranomandry koreana ihany fa amin'ny fiarahamonina korena amin'ny ankapobeny, ny tsikera sy amin'ny fifantohan'ny fampitam-baovao tampoka amin'ny ‘maha-Koreana’ an'i Ahn.

Navoaka lohateny lehibe tamin'ny gazety teo amin'ny sehatra iraisampirenena Atoa Ahn raha iverenana ny lalao olaimpika tamin'ny 2002 izay nahitana ny fianjerany  nandritra ny hazakazaka nitontona niaraka tamin'ilay imbalo nahazo meday tamin'ny fikorisana (skate) Ohno. Efa-taona taty aoriana, nisongadina ho mpifaninana mahafinaritra amin'i Ohno i Ahn tamin'ny fahazoana meday volamena telo sy alimo iray. Na izany aza, tsy afa-nifaninana tamin'ny lalao olaimpika manaraka tamin'ny 2010 i Ahn. Ny antony ofisialy nomena dia hoe noho ny ratra nahazo azy tamin'ny lohalika, saingy tsiambaratelo fantatry ny mpiserasera rehetra fa manana olana amin'ny Sendikàn'ny fikorisàna (skate) Koreana i Ahn ary nampitahorina mafy [ko] nialoha ny lalao olaimpika 2006 sy nandritra ny fotoana mialoha ny 2010 ka nilaozana ho azy i Ahn sady nesorina tamin'ny sendika. Nandao ny tanindrazany izy ary naka ny zom-pirenena Rosiana tamin'ny 2011. Noho ny filalaovana ho amin'ny ekipa Rosiana, dia nisy ni tati-baovao fa efa nomena valisoa [ko] tamin'ny fanomezana karama ambony kokoa i Ahn, misitraka (ekipa mpanazatra sy mpampianatra manokana) ary efa nampanantenaina asa maharitra rehefa tsy milalao intsony.

Tara loatra kely loatra

Vao nahazo meday alimo i Ahn tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, dia toa liana tampoka tamin'ny tsy rariny nahazo azy, taona maromaro lasa izay, daholo ny fampitam-baovao tsirairay. Eny fa na dia ny Filoha aza dia namoaka fanehoan-kevitra momba an'i Ahn fa ‘tsy maintsy jerentsika indray ny momba azy ity (milaza ny niovan'i Ahn zom-pirenena) noho ny fisian'ny zavatra tsy manara-dalàna mitoetra ao amin'ny tontolon'ny fanatanjahantena, toy ny fitsitokotokoana, ny fanomezana tombondahiny ny sasany ary ny fitsarana ny kolikoly’. Miray feo ny mpanao politika ary namoaka sary mampihetsi-po miaraka amin'ny lahatsoratra mivaky toy izao ny antoko mitondra Saenuri ao amin'ny pejy Facebook-ndry zareo ‘Azafady, Nefa hanoahana anao hatrany izahay’, na dia toa tsy taitra loatra amin'izany valinteny efa tara izany aza ny mpiserasera. Mahatsiaro ho faly kokoa amin'ny tsy firaharahiana ity kintana vao hita ity ny Koreana ary toy ny tsy taitra, fa mahatsiaro ho tohina amin'ireto fampitam-baovao mampivoitra tampoka ny zom-pireneny ireto. Indreto ny sioka maro momba an'i Ahn.

Raha mba nahazo fanohanana feno sy famelomana avy amin'ny fanjakana moa izy, avy eo dia misy ny manimbazimba an'i Ahn Hyun-soo ary milaza fa namadika ny tanindrazany izy ka nandao antsika ho any Rosia. Tsia, tsy izay no zavamisy. Tsy nisy ny fanohanana tsara, fa fifandirana tsy mitsakatra eo amin'ny vondron'olona tsy mety miray hevitra, sy daroka henjana azony (noho ny tsy fanoavany ny baikon'ny sendikà) ary tsy misy tontolo tsara hanaovana ny fanazarana. Tsy misy ny fanamarinana hanimbazimbana an'i Ahn.

Voalaza fa tia mikorisa (an-dranomandry) i Ahn, ary tsy fantany loatra raha tiany mihoatra noho ny fireneny izy io na tsia. Ny zavatra iray fantany dia te-hanohy ny fikorisàna izy ary hiaina mandrakizay any Rosia. Izany no maneho ny fomba itondran'ny firenena ny manampahaizana ao aminy fa tsy mandray ny talentany. Viktor Ahn, raisinao io meday volamena io. Tsy mendrika anao/ny meday izahay.

(sioka voalohany tafiditra) Lasa mizaka zom-pirenena Rosiana izy ary nanova ny anarany mihitsy aza. Saingy dia mikiry miantso azy ho Ahn Hyun-soo ny fampitam-baovao. (sioka faharoa) Ity mpilalao ity izay tsy nahazaka intsony ny kolontsaina maharikoriko ataon'ny mpitazona fahefana, ka niova zom-pirenena. Saingy rehefa nahazo meday volamena izy, dia misy fampitam-baovao mametraka itony resaka adaladala, toy ny ‘Mety ho Rosiana ny zom-pireneny, saingy ny fony kosa mitempo ho an'i Korea’.TPT

Taorian'ny nandrenesana fa misy ny vondron'olona miezaka mafy ny hametraka an'i Viktor Ahn ho ‘Ahn Hyun-soo tia tokoa ny tanindrazany, Korea Atsimo’, dia tsy gaga aho. Rehefa misy olona nahita fahombiazana, mikezaka mafy ry zareo mampifandray ilay fahombiazana amin'ny firenena. Rehefa handamoka anefa izany dia miezaka ry zareo hihataka amin'izy ireny. (ohatra amin'izany ireo Koreana-Shinoa sasantsasany)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.