Mandihy Sy Mijoro Ho Amin'ny Rariny Any Azia Atsimo Atsinanana

Filipino activists hold a 'One Billion Rising' dance protest near the Philippine presidential palace to push for greater subsidy to social services.

Mpikatroka Filipino manatontosa ny fanoherana amin'ny alalan'ny dihy ‘One Billion Rising’ [Iray Miliara Mijoro] eo akaikin'ny lapan'ny filohan'i Philippines manery mba hanosehana vola bebe kokoa amin'ny resaka sosialy.

Notohanan'ny vondron'olona sy olon-tsotra maro tany amin'ny renim-paritr'i Azia Atsimo Atsinanana ny hetsika ‘One Billion Rising’ [Iray Miliara Mijoro]. Tamin'ity taona ity, novelarina ny lohahevitra hampidirana ny antso ho amin'ny rariny avy amin'ny fitakiana manokana hamaranana ny herisetra atao amin'ny vehivavy.

Tany Kambodza, nasongadina nandritra ny fikarakarana ny hetsika ny herisetra natao tamin'ny mpiasan'ny fanenoman-damba nitokona:

…there have been crackdowns and violence on garment factory workers who demonstrated for better working conditions which resulted in many (casualties). Other female land rights activists had also been savagely beaten, arrested and detained without investigation. Reparations have never been made for the victims and until (today) the perpetrators have not been brought to justice

… nisy ny famoretana sy ny herisetra tamin'ny mpiasan'ny fanenoman-damba izay nanao fihetsiketseha-panoherana mitaky ny hanatsarana ny sehatry ny asa fa niteraka (faharatrana) maro. Nisy vehivavy mpikatroka miaro ny zo hanantany ihany koa nodarohana tsy misy indra-fo, nosamborina ary nogadraina tsy misy famotorana. Tsy nisy fanonerana nomena ireo lasibatra hatramin'izao ary tsy nentina tany amin'ny fitsarana ireo nanao izany

Saingy nosakanan'ny polisy rehefa noheverina ho manohintohina ny filaminana ny fandehandehanana amin'ny bisikileta.

Cambodia's bike event was blocked by the police

Nosakanan'ny polisy ny hetsika am-bisikileta tao Kambodza

Any Indonezia, notontosaina tany amin'ny tanàna fito manerana ny firenena ny ‘One Billion Rising’ [Iray Miliara Mijoro].

The 'One Billion Rising' dance was performed in seven cities in Indonesia

Dihy ‘One Billion Rising’ [Iray Miliara Mijoro] any amin'ny tanàna fito any Indonezia

'Rise for Justice' in Indonesia

‘Rise for Justice’ (Mijoro ho amin'ny rariny) ao Indonezia

Fikambanam-behivavin'i Hai Hau ao amin'ny faritanin'i Nam Dinh, Vietnam no nitarika ny dihin'ny ‘One Billion Rising’ [Iray miliara Mijoro]. Eto ambany ny lahatsarin'ny famerenana nataon-dry zareo:

Any Thailand, nanohana ny fanentanana ‘One Billion Rising’ [Iray Miliara Mijoro] ny mpianatry ny Oniversite Chiang Mai. Eto ambany ny video tamin'ny nanaovan-dry zareo izany:

Another 'One Billion Rising' photo in Chiang Mai, Thailand. Image from Facebook page of Lisa Kerry

Sary hafa an'ny ‘One Billion Rising’ (Iray Miliara Mijoro) tany Chiang Mai, Thailand. Sary avy amin'ny pejy Facebook an'i Lisa Kerry

Any Philippines, nandrindra ny fanentanana ‘One Billion Rising’ [Iray Miliara Mijoro] ny vondrom-behivavy Gabriela ary afa-nanetsika vehivavy an'arivony tany amin'ny faritra maro samihafan'ny firenena. Joms Salvador, sekretera jeneralin'ny Gabriela, nanazava ny mahazavadehibe ny fandringanana ny endrika rehetran'ny herisetra atao amin'ny vehivavy:

Sometimes, because of the impunity of poverty, human rights violations, violence against women and children, people tend to be desensitized. We need to realize that such situations must not be the norm and that these have to change. We need to act collectively and make our call for justice stronger because things could only get worse when we keep silent and just watch idly by.

Indraindray noho ny tsimatimanotan'ny fahantrana, dia mitady tsy hanohina ny fon'ny olona intsony ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, ny herisetra atao amin'ny vehivavy sy ny ankizy. Tokony ho tsapantsika fa tsy tokony ho fenitra ny toe-draharaha tahaka izany ary mila ovaina izany. Mila miara-mihetsika isika ary manao izay hahatonga ny antso ataontsika ho mafy kokoa satria hiharatsy hatrany hatrany io rah ambola mangina isika sy mijery miraviravy tanana fotsiny.

Tao an-tanànan'i Davao miorina any atsimon'ny firenena, nivoitra tanatin'ny ady amin'ny ho amin'ny rariny mahomby ny resaka kolikoly:

With the state of the country marred by corruption especially with the anomalous use of the public funds, then all taxpayers should be with us in dancing to call for justice

Amin'izao firenena difotry ny kolikoly izao indrindra fa amin'ny fomba fampiasana ny volam-panjakana, dia tokony miaraka mandihy aminay avokoa ny mpandoa hetra rehetra hiantso ny hisian'ny rariny

'Justice' is the theme of this year's 'One Billion Rising'

‘Rariny’ no lohahevitry ny ‘One Billion Rising'(Iray Miliara Mijoro) amin'ity taona ity

'Rise, Release, Dance' activity in Davao City, located in the southern island of Mindanao in the Philippines

‘Akaro, Avoahy, Dihy’ ao an-tanànan'i Davao, miorina any atsimon'ny nosy Mindanao any Philippines

'Justice for typhoon Haiyan victims' is one of the demands of the campaign

‘Rariny ho an'ny tra-boinan'ny rivodoza Haiyan’ iray amin'ny fitakiana nandritra ny fanentanana

Workers called for a wage hike as part of the campaign for social justice

Mpiasa mihiaka ny hampiakarana ny karama izay ao anatin'ny fanentanana hisian'ny rariny ara-piarahamonina

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.