[StoryMaker] Emad Shenouda Sy i Al Sawt al Hurr Ao Egypt

Nandray anjara tamin'ny Lasin'ny StoryMaker notontosaina tao Ammam, ao Jordania ny Rising Voices tamin'ny 28-30 Janoary 2014. Amin'ny mpiara-miasa amin'ny tetikasa, fotoana nahafahana nihaona tamin'ireo mpiandraikitra voalohany mandray anjara amin'ny fampivelarana ny fampihatra sy ny fanatanterahana ny tetikasa fampiofanana sy fanorotoroana izany.

Ahitana ny Foibem-pirenena Fanazarana avy any Ejipta, Tonizia, Maraoka ary Irak ihany koa ity vondrona ity, izay tompon'andraikitra voalohany amin'ny fikarakarana ireo karazana hetsika fanazarana.

Tao Ejipta, Al Sawt al Hurr no nikarakara ireo fampiofanana, tao amin'ny faritr'i Minya sy Port-Saïd, ankoatra ny toerana hafa. Manome fanazarana, fikarohana sy fanohanana araka ny lalàna hoan'ireo mpanao gazety izy ireo.

Ny andraikitr'izy ireo:

With its years of experience in the field, Al Sawt al Hurr contributes to the development of freedom of expression and journalistic quality in the MENA region, bringing reliable information closer to the people. Through extensive networking, training, support and other activities, we aim to widen the space for free expression in the Arab world, and to strengthen the journalistic sector in terms of quality and sustainability.

Nandray anjara tamin'ny fampivoarana ny fahalalam-pitenenana sy ny kalitaon'ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny faritra MENA ny Al Sawt al Hurr, efa za-draharaha an-taonany maro, tamin'ny fitondrana vaovao akaikin'ny olona azo itokisana. Amin'ny alalan'ny fampiasana tambajotra, fanazarana, fanohanana ary hetsika hafa, mikasa hanitatra ny sehatry ny fahalalam-pitenenana ao amin'ny tontolo Arabo izahay, ary hanamafy ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety eo amin'ny sehatry ny kalitao sy ny faharetana.

Afaka niresaka tamin'i Emad Shenouda, mpandrindra ny tetikasa ao amin'ny faritra izahay tao amin'ny Lasin'ny StoryMaker. Amin'ity resadresaka noraism-peo (podcast) ity, miresaka momba ny endriky ny votoaty vokarin'ireo mpandray anjara izy, ary koa ireo fanamby sasany ankehitriny ao amin'ny tetikasa. Nizara ny heviny mikasika ny tombotsoan'ny famoriana ny rehetra ao amin'ny Lasin'ny StoryMaker izy ho fanatsarana ny fandrindrana sy ny fizarana fahalalana.

Afa-mahita an'i Al Sawt Hurt ao amin'ny Twitter ianao (@AlSawtAlHur) sy ao amin'ny Facebook.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.