Mbola Misarika Ny Sain'ny Olona Ny Fandresen'i Nina Compton, Sefon'ny Nahandro St Lucian

Sefon'ny nahandro Saint Lucian, Nina Compton, zanaka vavin'ny Praiminisitra teo aloha John Compton, no nahazo ny laharana faharoa tamin'ny lalao faha-11 amin'ilay fandaharana fahandroan-tsakafo hita mivantana amin'ny fahilavitra Top Chef. Nicholas Elmi no nandresy, saingy ny fandraisan'anjaran'i Compton no lohahevitra lehibe niadian-kevitra tao amin'ny media sosialy, indrindra tao amin'ny vondrona antserasera Saint Lucians Aiming for Progress (Saint Lucians Mikendry ny Handrosoana) .

Nikarakara fandefasana mivantana ny fifaninanana Top Chef hojeren'ny besinimaro tao amin'ny Kianjan'i Derek Walcott ao afovoan'ny  renivohitry ny nosy ny vondrona. Mpanara-baovao maro no talanjona fa tsy notononina ho mpandresy i Compton, saingy niezaka izy handrombaka ny loka “Fan Favorite” (Nironan'ny Mpankasitraka) sy ny loka lelavola 10.000 dolara Amerikana izy – mariky ny fiakaran'ny fanohanana antserasera azony. Taorian'ny lanonana, notendren'ny Minisitry ny Fizahan-tany, Lorne Theophilus ho “ambasadaoron'ny nahandro” i Compton.

Nahazo fanohanana marobe tao amin'ny Twitter tamin'ny alalan'ny diezy #TeamNina, #TeamGreenFigAndSaltFish, #Team758 ary ny #NinaNation i Compton. Naneho ny tsy fahafaliany noho izy laharana faharoa ireo mpiserasera sasany tao amin'ny bilaogy-madinika, saingy ny ankamaroany kosa nitodika tany amin'ny fiarahabana azy noho ny fahombiazany:

Nisafidy olona mahay mahandro spam sy tsy maharesy lahatra tamin'ireo vehivavy roa izay nampiseho azy ireo amin'ny fahaizany mahandro ny #Topchef

Henonay ny nolazain'ireo mpitsara tamin'ny Sefo Nina na dia izany aza

Mpisera Twitter iray nilaza am-piesoesoana fa tokony nandresy i Comptom raha nanaraka ny toroheviny:

Nilaza tamin'i NINA aho hoe “pehmi sy lafarinina nandrahoina” karakaraina amin'ny tsindrin-takafo ary ataovy amin'izay fahaizany azy!

Nisioka fanohanana hoan'i Compton ihany koa ilay mpamorona lamaody avy ao Trinidad, Anya Ayoung-Chee, izay nandresy tamin'ny tetikasa fifaninanana lamaody Runway tamin'ny taona 2011:

Arahabaina i @nina_compton nandresy tao anatin'ny fo sy ny sain'ny maro! Mamirapiratra ny saina mijery ny nosinao! Ianao no tompon'ny #Topchef !!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.