- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

SARIPIKA: Fijery Mahafanina Avy Any An-tampon'ny Tilikambon'i Shanghai

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Mediam-bahoaka, Saripika, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina

Vadim Makhorov sy Vitaly Raskalov dia nandefa onja mandona tety anaty aterineto tamin'ny 12 Febroary 2014 fony nampakatra lahatsary iray misy an-dry zareo nihanika ny [1]tilikambon'i Shanghai [2]. Ilay Tilikambon'i Shanghai mirefy 2,073-foot (632-metatra) rehefa vita no ho ny faharoa avo indrindra erantany manaraka ny Burj Khalifa ao Dubai.

Nitafatafa tamin'ity tarika Rosiana ity ny That's Shanghai [3] mikasika ny niainan'izy ireo ilay fianihana.

Jereo ireto sary mahavariana ireto izay nalain'izy roa avy eny an-tampon'ny Tilikambon'i Shanghai, ary ny saripika sasany maneho an'i Shanghai. Ny sary rehetra dia fanomezan'i Vadim Makhorov sy Vitaly Raskalov avy ao amin'ny “On the Roofs” ary naverina navoaka miaraka amin'ny fanomezan-dàlany.

sh-tower-rs-1

sh-tower-rs-4

 sh-tower-rs-5

 

otr-sh-01

otr-sh-02

otr-sh-06

otr-sh-12