Dokambarotry Ny Tranonkala Shinoa Fitadiavam-Bady Tamin'ny Fahitalavitra Niteraka Sahotaka

Raha namoaka dokambarotra noheveriny ho mety tsara sy mamolivoly fo tamin'ny fahitalavitra ny Baihe.com, iray amin'ny habaka lehibe indrindra fampihaonana olona mitady vady ao Shina, dia tsy noeritreretiny velively hiteraka saritaka tao amin'ny tranonkala izany.

Entina hampafantarana ny servisy Baihe fampihaonana olona mitady vady ivelan'ny tranonkala ilay dokambarotra navoaka tamin'ny fahitalavitra nandritra ny taombaovao shinoa. Fotoana mampisy lonilony ho an'ny Shinoa maro mbola mpitovo ihany koa ny fetim-pihaonam-pianakaviana fa be loatra ny fanindriana avy amin'ny fianakaviana manontolo te-hahalala bebe kokoa amin'ny fiainana manokana. Hany ka tonga amin'ny fotoanany indrindra ilay dokambarotr'i Baihe maharitra 30 segondra.

Screenshot of the commercial "Because Love Can't Wait"

Pikantsarin'ny dokambarotra “Satria aho tia, tsy hiandry aho”

Resahina ao amin'ny lahatsary ny vehivavy iray mpitovo izay nanambady ihany noho ny fampifaliana ny renibeny efa ho faty. Manontany hatrany ny renibeny isaky ny mody an-trano izy rahahanambady fa tsy mijery izay fahombiazany amin'ny fianarana sy ny asa any. Hoy ny fivakin'ny lohateny: Satria aho tia, tsy hiandry aho. Tokana ny hafatra alefan'ilay dokambarotra: Rehefa manambady ianao, na ilay tokony novadiana na tsia ilay olona natao mariazy taminao, dia manatontosa ny fanirian'ny fianakaviana ianao izay, tokony ho eo ambanin'ny fianakaviana ny fanirianao manokana sy ny fahasambaranao

http://www.youtube.com/watch?v=ul0KyzDK5Cs
Niteraka fitarainana maro an-tserasera ilay dokambarotra, milaza fa mampiroborobo soatoavina dison'ny mariazy amin'ny fanomezana tombondahiny ny fitsinjovana ny fianakaviana. Tamin'ny 6 Feb 2014, nanomana fanentanana tao amin'ny Sina Weibo hanoherana ny Baihe ny mpiserasera “Cai Puning”. Tao anatin'ny roa andro, nihoatra ny 7 tapitrisa ny olona niditra tao amin'ny fanentanana. Nandrisika ry zareo fa tokony hoesorina ilay dokambarotra ary tokony hiala tsiny amin'ny mpiserasera ny Baihe.

Naneho ny heviny tao amin'ny Weibo i “Lao Chao” mpiserasera iray:

在老外婆垂死前一声声催命似地追问下,女孩走进婚姻,又一个鲜活的生命成为亲情的殉葬品,“这是我见过的最恐怖最狼心狗肺的广告”。

Mialoha ny hahafatesany ilay vaviantitra nitomany ny hanambadian-drazazavavy, nihazakazaka nanao mariazy razazavavy, ary dia lasa sorona ho an'ny fianakaviany ilay fiainana velombelona iray. Izay no [dokambarotra] mampihoron-koditra sy tsimifaditrovana indrindra hitako hatramin'izay

Mbola miahiahy kokoa amin'ny tsi-fitovian'ny lahy sy ny vavy entin'ilay dokambarotra i “Gongda Houyuaner“:

其实逼婚并没有那么反感,但是通篇表达的性别歧视让人不满。否认女主角事业学业,只承认她的婚姻价值。

Tsy dia tena mila toherina ny fanerena hanambady raha ny marin, fa ny fanavakavahana ny lahy sy ny vavy ao anatin'ny resaka momba izany no mahasorena ahy. Tsy  mahalala ny lalam-pianarany sy ny lalan'ny asa nataony [ny fiaraha-monina], fa ny fanambadiany ihany no ekeny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.