11 Febroary: Tsipahin'ny Aterineto Ny Fanaraha-maso Faobe

Cartoon by Doaa Eladl via Flickr, Web We Want (CC BY-SA 2.0)

Sariitatra nataon'i Doaa Eladl tao amin'ny Flickr, Web We Want (CC BY-SA 2.0)

Ny lalàna vaovao momba ny heloka antserasera ao Nizeria dia mety hiady amin'ny hosoka ara-bola, saingy mety hiteraka tsikera fampihomehezana ihany koa. Manangona tahirin-kevitra handraketana an-tsaritany ny ADN, ny anakandriamaso ary ny fomba fandehan'ny olom-pirenena ny manampahefana ao Arzantina. Matahotra ireo mpikatroka ao Tonizia fa mety hiteraka vanim-potoana vaovao mankany amin'ny fanarahamaso faobe ny Sampana vaovao momba ny Teknikan'ny Fifandraisandavitra ao amin'ny firenena.

Tsy isalasalana: Olana manerantany ny fanarahamaso faobe.

[T]amin'ny 11 febroary, nivondrona ny olo-tsotra, fikambanana avy amin'ny fiarahamonim-pirenena ary ireo habaka an'arivony mba hanohitra ny fanarahamaso faobe. Afaka mandray anjara avokoa ny olona rehetra amin'ny toerana rehetra – na eny an-dalambe izany na ao amin'ny aterineto.

Manitsakitsaka ny zontsika hanana fiainana manokana sy manohintohina ny zontsika haneho hevitra an-kalalahana sy hanorina fikambanana ny fandaharan'asa fanarahamaso faobe. Manimba ny fahalalahana sy ny fisokafana amin'ny aterineto manerantany izany, ary mifanipaka amin'ny soatoavina demokratika. Namoaka ny fisian'ireo laminasam-pitsikilovana am-polony ny tahirin-kevitra navoakan'i Edward Snowden tamin'ny volana jiona teo ka niteraka onjam-pahatairana teo amin'izao tontolo izao. Saingy raha nampivandravandra ny sasany tamin'ireo fanitsakitsahana goavana indrindra nataon'ny governemantan'i Etazonia amin'ny zo hanana fiainana manokana  ny ampamaokan'i Snowden, dia nitondra hery vaovao ihany koa hiadian-kevitra momba ny fanarahamaso sy ny fanohintohinana ny fiainana manokana mitranga manerantany, tahaka izay voalaza etsy ambony.

Te hirotsaka an-tsehatra? Ity ny fomba fandraisana anjara:

MANDRAISA ANJARA

Mikarakara fihetsiketseha, manatontosa “hackathon”, ary manao fanentanana antserasera ireo vondrona ao amin'ny firenena maneranta izao tontolo izao. Fantaro ary izay mitranga ao akaikinao:

Arzantina • Aostralia • Aostria • BrezilaKanada • Kolombia • Alemaina • Frantsa

India • MeksikaHolandyPerò • Polska • Србија • ประเทศไทย • Oganda

Royaume-UnisEtazonia

Tsy hitanao ao ny firenenao? Ampiasao ny fitaovana ato sy ao amin'ny habaky ny mpiara-miasa mba hampidirana ny hetsika manokana ataonareo! Vakio ny lahatsoratry ny fikambanana Global Voices momba ny fanarahamaso manerantany ao amin'ny pejin'ny fanarahamaso.

ASEHOY NY FANOHANANAO

Manehoa firaisankina miaraka amin'ny hetsika 11 febroary! Mandefasa sary famantarana ao amin'ny habakao. Zarao ao amin'ny fampahalalam-baovaon'ny fiarahamonina ny hafatra – na ny sariitatra mampihomehy mahafinaritra (tahaka ny hita ato amin'ny lahatsoratra).

The Day We Fight Back banner, by Alec Perkins via Wikimedia Commons, (CC BY-4.0)

Sary Famantarana “ny Andro Hamalianay”, avy amin'i Alec Perkins tao amin'ny Wikimedia Commons, (CC BY-4.0)

Screen shot 2014-02-09 at 10.05.22 PM

Cartoon by Xpectro & Web We Want via Flickr (CC BY-SA 2.0)

Sariitatra avy amin'i Xpectro tao amin'ny Flickr, Web We Want (CC BY-SA 2.0)

Cartoon by Doaa Eladl & Web We Want via Flickr (CC BY-SA 2.0)

Sariitatra avy amin'i Doaa Eladl & Web We Want tao amin'ny Flickr (CC BY-SA 2.0)

MANAOVA “ENY” AMIN'NY FOTOKEVIDEHIBE MANERANTANY MOMBA NY FANARAHAMASO NY FIFANDRAISANA

Soniavo ireo Fotokevi-dehibe Telo Ambinifolo misahana ny Fanarahamaso Iraisampirenena Momba ny Fifandraisana, izay novolavolain'ireo manam-pahaizana manerantany momba ny zon'olombelona. Ireo fotokevi-dehibe ireo no andrin'ireo ezaka avy amin'ny fiarahamonim-pirenena manerantany ho fiarovana ny zo hanana fiainana manokana hoan'ny olo-tsotra mpiserasera: Andiana toro-lalana mazava izay mametraka ny andraikitry ny governemanta amin'ny fanajana ny zon'olombelona raha fanarahamaso no resahina.

Vakio ary soniavo ireo fotokevi-dehibe ao amin'ireto fiteny manaraka ireto:

Русский • Espaniola • Hrvatski • Македонски • Shqip • Polski • Čeština • Svenska • Holandy

FrantsayAnglisy • हिन्दी •  العربية • Italiana • Ελληνικά • Română • Slovenčina • Eesti • Slovenščina • Dansk

Magyar • Suomi • Alemàna • فارسی • Български • Latviešu • Lietuvių • Portiogey • Quechua

繁體中文 • Tiếng Việt • 한국어 • Українська • ภาษาไทย • اردو

Asehoy ny fanohananao ireo fitsipika ireo amin'ny alalan'ny sary famantarana na marika kely famantarana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.