Arzantina: ‘Ampitombointsika’ Ny Fandrosoana Sa Ny Kolikoly ?

Imagen del usuario @AdrianBono en Twitter

“Aza mividy Pantene, fisondrotana 40% “; “Aza mividy Elvive noho ny fisondrotana tafahoatra” Sary avy amin'i @AdrianBono ao amin'ny Twitter.

Kabary iray nataon'ny Filoha Cristina Fernández tao amin'ny fahitalavi-pirenena nanambaràny fisondrotana iray vaovao amin'ny fisotroan-dronono sy ny vatsim-pianarana, ankoatra ny zavatra hafa, no niteraka valinkafatra avy hatrany teny anivon'ireo mpampiasa Twitter izay nanomboka  nampiasa ny tenifototra #Aumentamos (ampitombointsika) mba hanomezany ny kaontin-dry zareo manokana momba izay ‘nisondrotra’ tao amin'ny fireneny.

Hatramin'ny nanombohan'ny taona 2014, ohatra, iray amin'ireo olana tena nandona mafy ny olona tao Arzantina ny fisondrotan'ny vidin-javatra. Miainga avy amin'ny vidin-javatra ilaina ao an-tokantrano ka hatramin'ireo fitaovana sy fiara, nisy fiovàna goavana niantraika tamin'ny toekarena amin'ny ankapobeny.

Nakarin'i casarosada ho ao amin'ny YouTube [es] tamin'ny 4 Febroary ilay kabary :

Nandritry ny kabary, notsindrian'i Cristina Fernández ny tombontsoa azo nandritry ny fotoam-piasàny :

Aumentamos las medidas que permitieron aumentar: hemos aumentado los puestos de trabajo, 6 millones de puestos de trabajo. Hemos aumentado las fábricas, más de 58 mil fábricas desde 2003; hemos aumentado los parques industriales.

Nampitombointsika ireo fepetra hahazoana tombontsoa: nampitombointsika ny asa, asa vaovao niisa 6 tapitrisa. Nakarintsika ny isan'ny orinasa, orinasa maherin'ny 58.000 hatramin'ny 2003; nakarintsika [ny isan'ny] ambaindain'ny indostria.

Fernández manohy hoe :

Aumentamos las universidades nacionales, tenemos nueve más; aumentamos el número de escuelas y de aulas […] aumentamos la cantidad de becas y salarios para que los científicos se quedaran en la Argentina; aumentamos la inversión en ciencia y tecnología […] Aumentamos la infraestructura en riego, en camino, en obras que permitieron recuperar miles de hectáreas bajo el agua; aumentamos la cantidad de argentinos que tienen agua potable y cloacas, también aumentamos el pavimento.

Nampitombointsika ny oniversitem-panjakana, manana sivy amboniny isika; nampitombointsika ny isan'ny sekoly sy ny efitrano fianarana […]; nampitombointsika ny isan'ny vatsim-pianarana nomena sy ny karama mba hijanonan'ireo siantifika eto Arzantina; nampitombointsika ny fampiasam-bola amin'ny siansa sy ny teknolojia; […] nampitombointsika ny fotodrafitrasa fampidiran-drano eny an-tsaha, ny asa làlana, ary ireo asa nahafahantsika nanavotra tany an-tapitrisanà hektara maro rakotry ny rano; nakarintsika ny isan'ireo teratany Arzantina nahazo rano fisotro madio sy fidiovana, ary nampitombointsika ny [haben’] ireo faritra voarary vato.

Ary farany:

Aumentamos el número de jubilados en más de 2,5 millones, gente que no tenía una cobertura previsional y que nos convierte en el país de Latinoamérica de mayor cobertura previsional, con 93%; aumentamos los salarios […]. Aumentamos la compra de medicamentos […]. Aumentamos las inversiones en viviendas […]. Aumentamos la cobertura de aquellos que todavía no tienen un trabajo registrado, que están en ese limbo que se denomina trabajo informal […].

Nampiantsika maherin'ny 2,5 tapitisa ny isan'ireo mpisotro ronono, olona izay tsy nanana akory fiantohana fisotroan-dronono, ary izany no mahatonga antsika ho ny firenena manana ny fiantohana fisotroan-dronono lehibe indrindra, 93%, aty Amerika Latina; nampitombointsika ny karama […] nampitombointsika ny fividianana fanafody […]. Nampitombointsika ny fampiasam-bola amin'ny resaka trano fonenana […] Nakarintsika ny fandraisana an-tànana ireo olona tsy manana asa voarakitra ara-dalàna, izay tanatin'ny toe-draharaha manjavozavo nantsoina hoe asa ivelan'ny rafitra […]

Nilaza ihany koa izy fa nakarin'ny governemantany ny  ‘fahefa-mividy’ sady nampiany hoe : “heveriko fa tsy hisy intsony Arzantina ho maty noana.”

Taorian'ilay kabary, ny fehezanteny “nampitombointsika” [es] dia nalaky lasa lohahevitra noresahana be amin'ny Twitter tao an-toerana, miaraka amin'ny fanehoankevitra momba sy manohitra azy :

Nampitombointsika ny ZAVATRA REHETRA! Kolikoly, fahantrana, fifankahalàna, ny paosin'ny manampahefana, ny tsy fahalalàna menatra, ny lainga, ny tsy fandriampahalemana, ny haren-dramatoa.

Nampitombointsika ny fahantràna,  ny hetra, ny kolikoly, ny tsy fahalalàna, ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fanànana asa, ny herisetra, sns.. Ny governemanta tena mpanao kolikoly indrindra teo amin'ny tantara !

Nampitombointsika ny halatra, ny vidin-javatra, ny olona tsy manan-kohanina, ny tondradrano, ny fahafatesana. Saingy aza manahy, miteny i Cris fa tsy misy olona ho orin-javatra akory eo ( ? )

Nefa naneho ny fanohanany koa ireo izay nomba ny zava-boalazan'ny haino aman-jerim-panjakana :

Teo anilanareo izahay omaly, androany ary ho eo mandrakariva! Hasambarana sy fanompoana miaraka amin'ny vahoaka !

Fiarahamonina very tadidy izay fiarahamonina tsy manampy ny zokiolona ao aminy sy tsy manampy amin'ny fanabeazana ny ankiziny

Ny zavatra azoko lazaina anareo mikasika ny filoha mamintsika taorian'ny nihainoako azy ve? Dia ny hoe androany ary ho mandrakizay: hanohy hanohana hatrany io tetikasa io izahay !

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.