Hanao Fampisehoana Ao Sochi Ve Ny Trozo-Mainty?

Orcas jumping

Trozo-Mainty (Orque) roa “mandalo” akaikin'ny vondro-nosy Aleotiana atsinanan'i Alaska. Sary: Robert Pitman/NOAA (valam-bahoaka)

Ity lahatsoratra ity sy ny tatitra tamin'ny radio nataon'i Andrea Crossan ho an'ny The World dia nivoaka voalohany tao amin'ny PRI.org tamin'ny 31 Janoary 2014 ary navoaka indray noho ny fifampiraharahana hifampizara votoaty.

Ahoana ny fomba hanafenanao zavatra milanja hatramin'ny enina taonina, manana halavana hatramin'ny enina metatra ary mila sakafo an-jatony kilao isan'andro?

Izany no misitery tian'ny manampahaizana sy ny mpiaro ny tontolo iainana hovahana, raha eo am-pitadiavana trozo-mainty valo nambara ho nisy nisambotra ao amin'ny fari-drano Rosiana ry zareo.

Nivoaka avy amin'ny tsahotsaho fa hanao fampisehoana mandritra ny lalao olaimpika ririnina 2014 ny roa amin'ireo trozona. Ary niteraka sahotaka mahamay izany.

Nisy fanangonan-tsonia an-tserasera, nivezivezy tao amin'ny Twitter, nangataka tamin'ny orinasa Rosiana White Sphere tsy hametraka ireo trozona mainty ao amin'ny dobon'ny feso (dauphin) ao Sochi. Tamin'ny fanisana farany, nahavory sonia 400.000 izany fanangona-tsonia an-tserasera izany.

Miangavy hanasonia eto http://t.co/vUe0BDOSAQ. Sakano i Rosia tsy hitazona ny trozo-mainty anaty dobo fitaratra hanomanana ny lalao olaimpikan'i Sochi. Misaotra 🙂

Maro ny tatitra milaza fa ny orinasa Rosiana no nisambotra ireo trozona mainty ireo ao tamin'ny Ranomasin'i Okhotsk ary farafahakeliny ny sasantsasany amin'ireo trozona ireo dia voatazona ao amin'ny faritra mifefy any akaikin'i Vladivostok. Tsy namaly ny fanontaniana mikasika ny isan'ireo trozo-mainty nosamborina tanatin'ny fari-drano Rosiana ny Sampandraharahan'ny Fanjonoana Rosiana.

Nahitana trozo-mainty lahy akaikin'ny vondro-nosy Kaomandera any amin'ny farany atsinanan'i Rosia.

“Nahazo vaovao avy ao Rosia izahay fa nalefa an-tasmbo any Shina ny roa tamin'izy ireo,” hoy i Erich Hoyt, mpikaroka iray mpikambana ao amin'ny Whale and Dolphin Conservation. [Fikambanam-piarrovana ny Trozona sy ny Feso] “Nahazo vaovao izahay fa nalefa any Moskoa ny roa tamin'izy ireo. Na izany aza, tsy nisy hita ny nalehan'ireo trozo-mainty efatra [hafa]”.

Saingy tsy misy ny porofo fa manana ireo trozona ireo ny White Sphere — na manana drafitra hampiseho azy any Sochi. Nilaza ny mpitondrateny iray fa “tsy miditra amin'ny fisamborana bibidia na amin'ny fitondrana azy ireny” ny orinasa. Nilaza ilay mpitondrateny fa mahafantatra ny fisian'ilay fanangonan-tsonia an-tserasera ny orinasa ary manahy ny amin'izay mety ho fisian'ny fihetsiketsehana.

Ninoana fa ireo trozomainty (orque) rosiana roa izay nalefa any Shina dia haseho ao amin'ny toera-pitsangatsanganana shinoa vaovao manana lohahevitra antsoina hoe Ocean Kingdom [Fanjakan'ny Riaka]. Io Ocean Kingdom io no manana ny dobo fitaratra lehibe indrindra manerana izao tontolo izao sady efa nanao ddokambarotra fa manana maro dia maro amin'ny biby miaina an-dranomasina, ka tafiditra ao ny trozona beluga sy ny atsantsa trozona. Saingy tsy nilaza ny fananany trozona mainty izy. Tsy niteny na inona na inona ny Ocean Kingdom na dia hoe manana fikasana ny hampiseho trozomainty aza.

Nisy setriny mahery vaika avy any amin'ireo toera-pitsangatsanganana mitazona trozomainty hompiana. Izany angamba dia noho ny mety ho fiantraikan'ilay lahatsary fanadihadiana nivoaka tamin'ny 2013 mitondra ny lohateny hoe “Blackfish,” izay nandadlina ny fahafatesan'ny mpanazatra trozomainty iray tamin'ny 2010 tao SeaWorld, Florida. Nisongadina tao amin'izany ihany ny koa ny fomba fisamborana trozomainty dia.

“Tonga dia hitanao mihitsy fa lasa mangingina izany ireo toera-pitsangatsanganana an-dranomasina manerantany momba ny ataony amin'ny feso sy ny trozomainty,” hoy i Tim Zimmermann, mpamokatra namana sy mpiara-manoratra ny “Blackfish.” “Folo taona lasa izay, mieritreritra aho fa efa nandre [toera-pitsangatsanganana an-dranomasina] manao dokambarotra sy miteny amim-pireharehana hampiseho mpamono trozona. Saingy efa afenimpenina ny fanaovana izany amin'izao fotoana izao. Rehefa mipoitra tampoka eny amin'ny dobo ny mpamono trozona [trozomainty] vao mahafantatra isika hoe io izy io.

Andrea Crossan dia mpamokatra ho an'ny The World monina ao Boston. Mitatitra ny zavatra rehetra Kanadiana izy ary manana alika mitovy habe amin'ny soavaly kely.

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.