SARIPIKA: Sambany Nifidy Ireo KostaRikana Am-pielezana

Sambany ny KostaRikàna monina any ivelany (am-pielezana) no afaka nifidy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena. Nampiasa Twitter ireo Kostarikàna manerantany mba hitatitra ny fandatsaham-baton'izy ireo. 

Tamin'ity fotoana ity, izahay, Costa Rikàna 15 000 monina any ivelany no vahaolana, mety hanakana ny fisian'ny fihodinana faharoa ny latsa-batonay.

Avy amin'ireo Kostarikàna monina ao Aostralia, izay voalohany nandatsa-bato, hoan'ireo monina ao Japàna, Frantsa, Etazonia sy ny sisa hafa, nitatitra momba ny latsa-baton'izy ireo miaraka amin'ny fanehoan-kevitra feno fientanam-po ireo olom-pirenena.

Tatitra avy amin'i Stephanie avy ao Washington:

Alefako mivantana ny latsa-batoko ao Washington, DC.

Niala tao Boston ho any New York i Francisco mba hamita ny adidiny hifidy.

Mianatra ao Boston i Francisco Delgado ary nankany Nex York mba hifidy.

Avy ao Etazonia ihany, Diego Rivera nizara ity sary ity:

Avy nifidy aho!!! (Masoivoho an'i Costa Rica ao Miami)

Avy ao Brussels, Silvia Muñoz sy Alexander Molina nankalaza ny latsa-baton'izy ireo:

Tao Bruxelles, renivohi-panjakana ao Eoropa no nandatsa-bato i Silvia Muñoz Solano sy Alexander Molina Lópezi.

Hatrany Shina, tovovavy iray avy ao Cartago nitatitra momba ny latsa-batony:

Nandatsa-bato tao Shina i Sofía Hernández, avy ao Cartago. Efa nikatona sahady ny biraom-pifidianana ao Beijing.

Nitatitra avy any  La Haye, Holandy kosa i Adolfo Chaves:

Latsa-batoko ao La Haye.

Maro ireo Sary sy vaovao azo jerena ao amin'ny diezy Twitter #VotoExteriorCR [latsa-bato ivelan'i Costa Rica], #EleccionesCR [fifidianana Costa Rica] sy #VivoMiVoto [mandefa ny latsa-batoko mivantana aho].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.