Espaina : Voaheloka Amin'ny Famotsiam-Bola Sy Fandosirana Ny Fandoavan-Ketra Ny Printsesa Cristina

Viñeta de Malagón subida a Twitter por el autor.

Sariitatra nataon'i Malagón ary nobitsihiny ihany

[ Mankany amin'ny teny Espaniola ny rohy rehetra raha tsy misy toromarika.]

Nantsoin'ny mpitsara mpanao fanadihadiana ilay zanaka vaviaivon'ny mpanjakan'i Espaina ny Infanta Cristina Federica Victoria Antonia de la Santísima Trinidad de Borbón y de Grecia [en] amin'ny maha-voarohirohy azy amin'ilay raharaha Nóos izay mbola ao anatin'ny fanadihadiana.

Ny mpitsara José Castro, izay efa niampanga ny Infata tamin'ny Aprily 2013 ihany no nanao taratasy 227 pejy fiampangana manazava ny anton'izany fanapahan-keviny izany tamin'ny 7 Janoary 2014  (ampahany 1, ampahany 2 [pdf]). Lava tsy toy ny mahazatra ilay taratasy fiampangana izay maneho ny fitiavany hikaroka amin'ny an-tsipirihiny ny fiampangana ny Infanta mba tsy hahafahan'ity farany miala amin'ny lalàna ka hanafoanana indray ny fanenjehana azy tahaka izay efa niseho teo aloha noho ny tsy fahampian'ny porofo.

Ny Infanta, izay manana maripahaizana manokana momba ny siansa politika sy fahaizana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena dia voampanga amin'ny maha-tompon'ny ampahany amin'ny orinasa Aizoon azy, izay voalaza ao amin'ilay taratasy fiampangana fa orinasa fanorontsaronana fotsiny miaraka amin'ny Instituto Nóos [en], fikambanana tsy mitady vola, izay iampangana ny vadiny, i Iñaki Urdangarín, ho manodinkodim-bola.  

Mino ny mpitsara Castro fa misy porofo hoe nahafantatra tsara ny fisian'ny heloka bevava natan'ny vadiny i Infanta, izay voalaza ho fampiasana ny volan'ny orinasa Aizoon amin'ny fomba tsy ara-dalàna ho fandrakofana ny fandaniany manokana; lazainy ihany koa fa misy tsy ara-dalàna ny fomba fampidirana ny mpiasa an-tranon'ny Printsesa : 

[Los empleados del hogar familiar] en su contratación intervino personalmente Doña Cristina de Borbón y Grecia, anunciando a los aspirantes, cuya situación irregular en España conocía aquélla, que de ser contratados se les abonarían sus salarios en “negro”.

Ny tenan'i Doña Cristina de Borbón y Grecia mihitsy no nanelanelana tamin'ny fampidirana ny [ mpiasa an-tranon'ilay fianakaviana], tamin'ny filazany tamin'ireo mpifaninana fa fantany ireo izay tsy ara-dalàna ny momba azy any Espaina, fa rehefa voaray izy ireo dia ” risoriso ” ny fandoavana ny karamany.

Notsinkafoniny imasom-bahoaka ihany koa ny biraon'ny Mpampanoa lalàna , amin'ny fanatsiniana ireo ezaka nataony volana vitsivitsy lasa izay mba hisakanana ny Infanta tsy hiseho eo anatrehan'ny fitsarana hiaro tena, tamin'ny filazàna fa fomba fitondra mitanila izao raharaha izao. Mitovy amin'ny an'ireo voampanga hafa ihany ny antony, tranga izay tsy nahitam-baliny akory tamin'ireto biraon'ny Mpampanoa lalàna.

Ankoatra izay, nasehony ihany koa ny faktiora telo sandoka notombohana tany amin'ny biraon'ny Fandoavan-ketra sady andrana hampihenana ny tontalin'ny vola resahana ao, izay manala ny printsesa tsy ho voapanga amin'ny hosoka momba ny hetra. 

Niteraka fivatravatranà fanamarihana tany amin'nyireo haino aman-jery mahazatra sy ny tambajotra sosialy ilay vaovao. Maneran-tany, samy nanaparitaka daholo ny gazety tsirairay sy ny fahitalavitra toy ny :  BBC, Time, CNN, Financial Times, Aljazeera, Paris Match ary ny Le Monde no vitsivitsy amin'ireo nanokana ampaham-potoana ho an'ny tantara miseho any Espaina tamin'ny votoatin'ny vaovao narosony. 

Maro be ihany koa ny valiny. Raha tsaraina avy amin'ny tsindrim-peon'ny ankamaroan'ireo fanamarihana dia afa-po amin'ny fanamelohana ny Infanta, izay heverin'izy ireo fa rariny, ny Espaniola, na dia maro aza ireo mpiserasera amin'ny aterineto no manahy fa tena ho voasazy izy.

Nisy ireo nampatsiahy ny  foto-kevitra Botín, ilay mampiavaka ny lalàna Espaniola, nampiasaina tany am-boalohany hiarovana an'i Emilio Botín, ilay mpiasan'ny banky [tamin'izany dia tsy ny niharan'ilay heverina fa heloka akory no mpitaky fa nanaovana  fiampangana tamin'ny anaran'ny vahoaka]. Amin'izay fotoana izay, azo atao ny mandà raharaha iray raha toa ka tsy araka ny tokony ho izy ny fiampangana ataon'ny mpampanoa lalàna.

Palacio de los Duques de Palma en una selecta zona de Barcelona, presuntamente amueblado y decorado con cargo a la empresa Aizoon. Foto subida a Twitter por El Poder del Ahora.

Lapan'ny Duke sy Duchess-n'ny Palma ao anatinà tanàna mitokana any amin'ny manodidina an'i Barcelona, voalaza ho ny orinasa Aizoon no nandravaka sy nameno fanaka azy. Sary nakarin'i El Poder del Ahora tao amin'ny Twitter.

Asehon'i Velociraptor ao amin'ny eldiario.es ny tsy fahatokiany ny rafi-pitsarana : 

Se va a ir de rositas de esta. Solo hay que tirar de hemeroteca. Si no le salva el culo la Audiencia de Palma, lo hará el Fiscal Anticorrupcion; o el Tribunal Supremo; o el Tribunal Constitucional. En ultimo caso les queda un indulto. Tengo muy claro que se va a ir de rositas; lo que espero es que esta sea la mecha para que por fin el pueblo español se levante y recupere su orgullo.

Tsy ho voaheloka akory izy. Fialana bala fotsiny io. Raha toa ka tsy vitan'ny Fitsarana Avon'ny Palma ny manavotra azy dia ho ataon'ny firaisan'ny mpanohitra ny kolikoly na ny Fitsarana Ambony na ny Fitsarana Avo momba ny lalàm-panorenana. Farany dia mety ho voavela heloka foana izy. Azoko antoka fa tsy ho voaheloka izy ; fa ny fanantenako dia ho tselatr'afo kely io hanaitra ny vahoaka Espaniola mba hijoro sy hitaky ny reharehany maha-izy azy.

Ambaran'i Sylvain ao amin'ny tranonkalan'ny gazety Frantsay Le Monde ny fijeriny fa ” Any Espaina dia misy olona izay tsy voakasiky ny lalàna,” izay toy izao no amalian'i Juan Manuel Cuesta azy :

(…) les Espagnols ont fait à la famille royale une confiance aveugle, et il faudra tout de même leur expliquer pourquoi un de ses membres échappe à la justice. Et la réputation de cette famille en prendra un sacré coup qui pourrait, à terme, lui coûter cher.

(…) Naneho ny finoany an-jambany ny fianakavian'ny mpanjaka ny Espaniola, kanefa kosa dia tokony hohazavaina amin-dry zareo ny antony tsy nanarahan'ny iray tamin'io fianakaviana io ny lalàna. Ary dia voatohina mafy ny lazan'io fianakaviana io, zavatra izay mety ho vidian-dafo any aoriana any.

Toy izao kosa no ilazan'i Pacofol azy ao amin'ny El País :

En un país donde la corrupción esta tan generalizada como el nuestro, es de agradecer el esfuerzo de algunos jueces en que prevalezcan la ley y la justicia. Gracias. No tengo ninguna confianza en que tengan éxito, pero gracias por intentar que el delito no quede impune.

Tokony ho arahabainay ireo ezaka ataonà mpitsara vitsivitsy izay miantoka ny hampanjakàna ny fahamarinana sy ny lalàna amin'ny firenena izay tena iparitahan'ny kolikoly ohatra ny anay. Misaotra tompoko. Tsy manam-pinoana ny handresenareo aho, saingy misaotra kosa noho ny andrana hanakanana ny heloka tsy ho voasazy.

Hitan'i Guy_Fawkes_V mazava tsara ao amin'ny  El Mundo izany :

(comentario #402)

Nah, Yeserías no tiene celda real

Nah, tsy misy efitra ho an'ny fianakaviana mpanjaka ny fonjan'i Yeserías.

 Manan-kambara betsaka ny mpiserasera amin'ny Twitter any amin'ny cyber :

Tranquilos, antes entrará un camello por el ojo de una aguja que la Infanta en la cárcel.

— Dios (@diostuitero) January 7, 2014

Makà aina, hisy rameva hiditra amin'ny vodifanjaitra mialohan'ny hidiran'ny Infanta any am-ponja.

Los medios que contribuyan a salvar la imagen de la infanta serán reconocibles por las páginas dobles de publicidad del banco donde trabaja.

— Almeida (@bufetalmeida) January 8, 2014

Azo fantarina amin'ny alàlan'ireo pejy roa anaovany dokambarotra ho an'ilay banky iasany ireo fampahalalam-baovao izay manampy amin'ny fanavotana ny endrik'i Infanta.

Menú del dia en Zarzuela…. pic.twitter.com/p4GAHkcWMk

— agapitarch (@raisaoski) January 8, 2014

Any amin'ny Lapan'i Zarzuela… ny vaovao manokana androany

Parece que finalmentw la Infanta Cristina irá a la cárcel: ya están construyendo una cárcel para ella en Pedralbes por 666M€

— Cítrico Cínico (@CitricoCinico) January 8, 2014

Ohatra ny hoe ho any am-ponja ihany no hiafaran'ny Infanta Cristina : efa manangana fonja ho azy amin'ny Pedralbes izay mitentina 666 M€ ry zareo

Infanta: ¿cómplice y culpable? ó¿estúpida mujer florero? Si la “justicia” quiere mantener su poca credibilidad debe haber sentencia #infanta

— Miguel Montalvo (@WhiteMontana_DU) January 8, 2014

Infanta: mpiray tsikombakomba sady meloka? sa vady adalan'ny mpandresy ? Raha ohatra ka tian'ny ‘lalàna’ ny hitàna ny fahatokisana kely ananany dia hosaziany i  #infanta

Toy ny Espaniola rehetra dia notsikerain'ny solombavam-bahoaka Alberto Garzón ihany koa ny fitondran-tenan'ireo vondrona sasany ao amin'ny fitondram-panjakana mikasika io raharaha :

Ary mahalasa saina ny mahita ireo andrim-panjakana federaly sasany toy ny Ministeran'ny fitantanam-bola sy ny Mpampanoa lalàna mandray andraikitra hiaro ny Infanta. 

Nantsoina hijoro vavolombelona ny Infanta tamin'ny 8 Martsa. Raha toa ka ara-dalàna ny fandehan'ny fitsarana, angamba hahita ny iray amin'ny fianakavian'ny mpanjaka ho ery amin'ny toerana natao ho an'ny voampanga …. na ho any am-ponja ny Espaniola.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.