Sary : Maherin'ny 5 000 Ireo Ankizy Nanamontsana Ny “Guinness Record” Tamin'ny Fanaovana Hosodoko Tao Amin'ny Lakandranon'i Panama

Foto tomada por Shoonit Khoshen. Usada con permiso.

Sary nalain'i Shoonit Khoshen. Nahazoana alalana ny fampiasàna azy.

Panama no mitàna ny laharana voalohany amin'ny fampiarahana olona maro manao hosodoko [es], nahitàna ankizy miisa 5 084 niara-nanao ilay “Hosodoko ho an'ireo tetezan'ny Lakandrano.”

Io hetsika io, natao ny Sabotsy 18 Janoary 2014, dia  nampitondraina  ny lohateny hoe “Pintemos los 100 años del canal” [Ndeha hatao hosodoko ny fahazato taonan'ny Lakandrano] ary nanamarika koa ny fanombohan'ny fankalazana ny fahazato taonan'ny làlana mampifandray ranomasimbe (route interocéanique).

Natao tanaty filaminana lavitr'ilay adihevitra momba ny mety ho fampiatoana ny tetikasa fanalehibiazana ilay Lakandrano izany hetsika izany. Tao amin'ny Lakandrano sy tany amin'ireo tambajotra sosialy no nankalàzana azy, nahitàna mpampiasa aterineto nizara sary sy hevitra maro mikasika ilay hetsika manokana.

Ilay kaonty Twitter ‘Ponte en algo’ moa dia nizara sarin'ilay hetsika avy eny amin'ny habakabaka.

Zato taona nampiray izao tontolo izao, io no hafatra tamin'ilay hosodoko noforonin'ireo ankizy avy ao Panama anio niaraka tamin'ilay fikambanana Olga Sinclair Foundation

Jorge Quijano, mpandrindra ny Lakandrano, dia nampakatra sary ihany koa nampiseho ireo ankizy miisa 5 084 izay nandray anjara tamin'ilay hetsika :

Tena tsara tarehy izy izany, Manao hosodokon'ny zato taonan'ny Lakandrano ireo ho avin'i Panama.

Ismael Cala, mpanao gazety avy ao amin'ny CNN, dia nizara sary tamin'ilay hetsika izay mampiseho an'i Olga Sinclair, mpandrindra ny lakandrano sady mpanakanto, ilay hery mpitarika niavian'izao hetsika lehibe izao.

Arahabaina i Panama!!! Faly aho ny amin'ny fahazoana ny “Guiness Record”, ankizy 5 084 no nanao hosodoko ny fahazato taonany.

Ny Ivotoerana Nasionaly momba ny Kolontsaina ao Panamà (INAC, raha avy amin'ny fanafohezan-teny Espanola) dia nizara ny sarin'ilay mari-pakasitrahana avy amin'ny Guinness record :

Arahabaina noho io zava-bita tsara indrindra io ry Panama, ary mankasitraka feno ny fikambanana Olga Sinclair Foundation sy i Olga Sinclair tamin'ny fanatanterahana izany ho an'ireo ankizy ireo.

Lineth Rodriguez dia nampakatra ny sarin'ireo mpandray anjara tamin'ilay hetsika : 

Ny fandraisan'anjaranay tamin'ilay hetsika sary hosodoko.

Nahatratra ny tanjony tamin'ny fibatàna ny zava-bita tsara indrindra ilay hetsika, ny fankalazàna ny fahazato taona sy ny fanaovana ireo mponina avy ao Panamà rehetra ho tompon'ilay fety.

Foto tomada por Shoonit Khoshen. Usada con permiso.

Sary nalain'i Shoonit Khoshen. Nahazoana alalana ny fampiasana azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.