Nankatoavin'ny Kongresy Ao Meksika Ilay Volavolan-Dalàna Fanavaozana Ny Angovo Izay Hamarana Ny Amphimamban'ny Fanjakana Amin'ny Solika

Imagen del usuario diaper en Flickr, bajo licencia Creative Commons

Sary avy amin'ilay mpampiasa Flickr diaper, nanpiasàna ny lisansa Creative Commons (CC BY 2.0)

Nanaiky ny fanovan-dalàna mikasika ny Angovo ny Antenimieran-doholona tao Meksika, izay heverina fa hampiato ny ampihimamban'ny fanjakana nandritry ny 75 taona tamin'ny tsenan'ny solika, lalàna napetraka tamin'ny andron'ny Filoha Lázaro Cárdenas (1934-1940),  izay naka ho fananam-panjakana ireo Orinasa Britanika sy Amerikana nahafahany nanangana ny ampihimamba lehibe indrindra nanerana izao tontolo izao tamin'ny tsenan'ny solika. Lany tamin'ny maraimben'ny 12 Desambra 2013 ilay fanovàna, taorian'ny fivorian'ny mpikambana nandritry ny 20 ora teo ho eo. 

Sambany tato anatin'ny ampolo taona maro no mametraka fototra ho an'ny fepetra izay hamela ny hisian'ny fampiasam-bola tsy miankiana Meksikana sy vahiny ilay volavolan-dàlana  momba ny angovo, mahatonga azy io ho ny fanavaozana ara-toekarena goavana indrindra hatramin'izay nampiharàna ilay Fifanarahana Ara-barotra Malalaka Any Amerika Avaratra na ny North American Free Trade Agreement (NAFTA)

Hanova ny satan'i Meksika ilay Lalàna vaovao, ahafahan'ireo vondron'orinasa toy ny Exxon Mobil sy Chevron hitrandraka any amin'ny faritra ahitàna tahirin-karena an-kibon'ny tany midadasika kokoa tsy mbola voahodina taorian'ireo any amin'ny tendrontany Arktika. Nilaza ireo mpanohana ilay fanovan-dalàna (PRIPAN, Nueva Alianza ary Verde) fa hampisondrotra an'i Meksika ho eo amin'ny laharana dimy voalohany amin'ireo mpanondrana solika io fanapahan-kevitra noraisina io ; izay mitsipaka ilay lalàna milaza fa avy hatrany dia mivantana any am-paosin'ireo mpampiasa vola ny tombotsoa rehetra.

Araky ny nambaran'ilay mpahay toekarena ao amin'ny Bank of America ao Meksiko, Carlos Capistran, izay niresaka an-telefonina tamin'ny Bloomberg : “Hanome angovo ny toekaren'i Meksika iny fanovàna iny.” 

Vatofehizoron'ny programan'i Peña Nieto

Fanomezan-dalana aty amin'ny fanakaikezan'ny taona iray izay niverena'ny Filoha Enrique Peña Nieto sy ny Antokony Parti révolutionnaire institutionnel ( PRI ) iny fanovan-dalàna iny, izay nandresy tamin'ny fifidianana taorian'ny 12 taona tsy nahateo azy. 

Image by Flickr user Alejandro Castro, under licence to Creative Commons (CC BY-NC-SA 2.0)

Sary avy amin'ilay mpampiasa  Flickr Alejandro Castro, nampiasàna ny lisansa Creative Commons (CC BY-NC-SA 2.0)

Nanambara ilay Filoham-panjakana, 47 taona fa ho vatofehizoron'ny fitantanany sehatry ny angovo, arahan'ny fanavaozana ny fomba fampianarana izay ikendrena ny hanatsara ny fahaiza-manaon'ireo mpampianatra, ary lalàna iray hanatsaràna ny fifaninanàna eo amin'ny sehatry ny fifandraisan-davitra amin'ny alalan'ny fampiakarana ny vola azo indramina. 

Hatramin'ny nampanan-kery ilay fifanarahana ara-barotra malalaka tamin'ny Kanadà sy Etazonia tamin'ny taona 1994, dia lasa iray amin'ireo toekarena mivelatra indrindra manerantany i Meksika. Kanefa, mbola maro ireo sehatra indostrialy mbola tena bodoin'ny olon-tsotra sy ny fivondronan'orinasa toy ny an'ilay mpanapitrisa Carlos Slim.

Mpamadika Tanindrazana

Nampangain'ireo Antoko avy amin'ny elatra havia (PRD [es], PT, Movimiento Ciudadano [es]) ho “Mpamadika tanindrazana” ireo mpanao lalàna nifidy nampandàny ilay volavolan-dalàna, tamin'ny filàzana fa ireo izay manohana ilay volavolan-dalàna dia tsy hoe fotsiny manipitsipy ny solika fa hatramin'ny otrika harena an-kibon'ny tanin'ny firenena mihitsy.

Fitsimbadihana mahery vaika 180 degire mihitsy no nitranga raha oharina amin'ilay lalàna nisy nandrity ny 75 taona teo aloha. Ny fakàna ho harem-pirenena ny solika tamin'ny 1938, nosoniavin'ny Filoha Lázaro Cárdenas , dia nanome zo sy alalàna feno ny fanjakana amin'ny famokaràna Angovo.

Manova ny artikla laharana faha 25,27, ary 28 ao amin'ny lalàm-panorenana ilay fanavaozan-dalàna natao, izay hahafahan'ny fanjakana manao fifanarahana amin'ny sehatra tsy miankina Meksikana ary vahiny. Etsy ankilany, manome vahana an'i Meksika ho tonga aminà fifanarahana amin'ireo orinasa mpanome tolotra, fampiasàna sy famokarana iaraha-mitantana, ary ny fahazoan-dalana; ary miova arakaraky ny rafitra ny fandoavam-bola.

Antonio García, ilay mpanao lalàna avy amin'ny PRD, dia nalaina baraka  [es] raha iny izy nanakiana ilay volavolan-dalàna momba ny Angovo iny. Karen Quiroga ,avy amin'ny PRD, dia nifamaly koa tamin'i Landy Berzunza avy amin'ny PRI, izay nibedy ireo mpanao lalàna avy amin'ny elatra havia nandritra ilay fifidianana, ary tonga tamin'ny fikasihan-tànana ny mpikambana avy amin'ny mpanohitra. Tonga hatramin'ny fifampikasihan-tanana izy io nony niezaka hanatona ny faritra misy ireo mpitondra fanakianana i Quiroga hakaikezina, ka nosakana'i Berzunza izy. Niditra an-tsehatra koa ireo namany ary dia naratr'ilay ramatoa PRD mpikambana ao amin'ny Kaongresy ny mason'ilay mpifanandrina aminy. 

Fihetseham-pon'ny Daholobe

Nanao antso ho an'ny olom-pirenena mba kidina eny an-dalamben'ny Meksika ny “The Mexican” ho fanoherana ilay volavolan-dalàna momba ny Angovo izay neken'ny Loholona. 

Ny hetsiky ny Tanora YoSoy132, ohatra, dia nandrisika ny olona hamonjy  ny fidinana an-dalàmbe manohitra ilay fanavaozana :

ANIO! 4hariva #TodosALasCalles [midina an-dalàmbe avokoa isika rehetra]  tsy izahay no solonao tena ry @ManceraMiguelMX [Ben'ny tananan'i Meksiko]

Valeria Hamel, mpikambana iray avy ao amin'ny  YoSoy132, dia nandefa bitsika hoe :

Tsy misy Antoko na fikambanana tokana manao ampihimamba ny  fiarovana ny #Pemex. Midinà an-dalàmbe, mandehana eny amin'ny Lapan'ny Loholona. Manohera . #NOalaReformaEnergetica [Tsia ho an'ny fanavaozana ny Angovo ]

Luis Fernando García dia nanambara tamin-kanihany ny tsy fahampian'ny orinasa tantanin'ny fanjakana tany aloha, izay efa eo am-pelatanan'ireo Meksikana sy vahiny mpampiasa vola ankehitriny :

Tena tsara sy miavaka avokoa ireo orinasa nisintahan'ny fanjakana. Jereo fotsiny anie hoe nanakory ny Aeromexico na ny Internet Infinitum [ mpamatsy Aterneto ] avy amin'ny Telmex.

Ny fanahy Meksikana

“Mamàka lalina ao anatin'ny fanahin'ny Meksika ny lohahevitra momba ny solika, ao anatin'ny fomban-drazana Meksikana, ao anatin'ny tantaran'i  Meksika  “, hoy Jorge Chabat, mpahay siansa politika ao amin'ny ivon-toeram-pikarohana sy fampianarana ny Toekarena, na Center for Research and Teaching in Economics (CIDE), oniversite iray ao an-tananan”i Meksiko. Koa satria nandalo ny dingana rehetra fandinihana azy tao amin'ny Kaongresy ilay izy, izy no ho “renin'ny tolona rehetra ataon'ny governemanta Meksikana, ary ho isan'ny fahatanterahana tsara indrindra vitan'ny fitantanan'i  Peña Nieto” hoy izy tao antinà resaka an-telefaonina. 

Mihenahena ny famokarana solika, ny antony iray dia noho ny sehatry ny angovo tsy naharay tosika ahafaha-mifaninana avy amin'ny NAFTA, toy izay nomena ho an'ireo sehatra indostrialy hafa, hoy ny nambaran'i Duncan Wood, talen'ny ‘Ivon-toerana ho an'i Meksika ao amin'ny Ivon-toerana Iraisampirenena Woodrow Wilson, ao Washington natokana ho an'ireo mpikaroka.

“Ny ataon'io fanavaozana io dia ny maneho amin'izao fotoana izao ny sehatry ny Angovo Meksikana eo amin'ny fifaninanana anatiny sy maneran-tany ” hoy ny nambaran'i Wood.” Maneho ny fiovàna tanteraka eo amin'ny fomba fisainana eo amin'ny sehatry ny angovo izany. Ankehitriny, efa lavitry ny taona 1938 isika.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.